Mbola tsy misy miasa ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana na ny “Greffier” manerana ny nosy hatramin’ny omaly faha-19 aprily 2016. Azo lazaina fa hatrany amin’ny 98% ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ireto no manaraka ny baikon’ny sendikan’izy ireo izay tarihin’ny filohany Rabenandrasana Nicolas. Ny eto Antananarivo dia mpiasa mpiraki-draharaha iray no miasa ao amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Ny ao Toamasina misy iray toa izany koa. Ny any Toliara sy Fianarantsoa dia mbola 100% no manohy ny fitakiana. Toa izany koa ny any Mahajanga sy Antsiranana. Nanomboka omaly faha-19 aprily 2016, dia niova ny endriky ny tolona ataon’ireto sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ireto. Teo aloha dia nijanona tao amin’ny efitrano iray ao amin’ny fitsarana izy ireo, fa ankehitriny kosa dia nivadika eo anoloan’ny varavarana hidirana ao amin’ny Fitsarana. Tsy nisy olona navelan’izy ireo hiditra ao amin’ny lapan’ny fitsarana noho izany. Tamin’izany indrindra no nisian’ny fifandonana teo amin’ny ramatoa lehiben’ny fampanoavana eto Antananarivo sy ireto mpanao fitakiana ireto. Raha nilaza ny hamela ny fidirana ao amin’ny fitsarana ity lehibe ity dia tsy nanaiky izany ireto mpitokona ireto. Avelao hiditra ny olona fa raharaham-bahoaka no atao ato. Tsy misy olona mahazo miditra eo raha tsy voavaha ny olana ato amin’ny mpiraki-draharaha hoy ny filohany Nicolas Rabenandrasana. Tsy azo atao izao hoy ilay lehiben’ny fampanoavana. Dia namaly indray ny filohan’ny sendika hoe: gadrao izahay raha izay no hitanao fa mety fa izahay tsy hiala eto. Nieritreritra kely ilay lehiben’ny fampanoavana no sady namaly hoe: ny mpiasan’ny Air Madagascar aza navotsotra ka hianareo indray ve no ho gadraina? Dia nisaraka ny roa tonta. Midika izany fa mihamafy ny raharaha amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Nambaran’ireto mpitokona ireto koa fa tonga teny amin’izy ireo ny mpanolotsaina manokan’ny praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana tamin’ny zoma teo ka nitaky ny mikasika ny “versement au corps de greffier en Chef” izay fototry ny olana hatramin’izao.Tsy misy valiny anefa ny raharaha hatramin’izao fa toky fotsiny no nomena azy ireo. Tsy matoky ny fanjakana izahay hoy ihany ireo mpanao fitokonana amin’ny fampanantenana ataon’izy ireo satria efa be dia be ny fampanantenana nataon’izy ireo, nefa tsy misy tanteraka izany. Hatramin’ny taona 2000 no tsy nisy intsony ny fanofanana mpiraki-draharaha “greffier en chef” teto Madagasikara ka hatramin’izao fotoana izao. Misy fiantraikany be amin’ny asan’ny mpiraki-draharaha izany. Mitaky izany izy ireo, ary mangataka amin’ny fanjakana ny hamenoana ny banga amin’ireo izay nahafehy ny fepetra amin’izany arakaraka ny fahelana eo amin’ny asany sy ny fomba fiasany.

Manomboka mitranga ankehitriny ny akon’ity fitokonana ity satria efa mitaraina ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia ny polisy sy ny zandary amin’ny fitobian’ny olona tokony handeha eny amin’ny fitsarana nefa mbola tsy afaka itondrana izany. Efa feno ny trano azo itazonana olona. Ny any Toamasina aza dia mitaraina mafy amin’ireo antsoina hoe olona atahorana mafy (personne dangereux) ka tsy maintsy ampidirina am-ponja. Mbola ho lava izany ity raharaha ity raha tsy misy fandraisan’ny fanjakana andraikitra haingana sy fifanarahana matotra amin’ny roa tonta. Mandeha koa anefa ny resaka fa hisy ny fanapahana karama ho an’ireo mpitolona ireo hono.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Fiverenana Andoharano: « Aoka tsy hitsikombakomba amin’izao fitondrana izao ny mpitsara sy ny tafika »

Fikambanana iray nanana ny tarigetrany hatramin’ny nijoroany tany amin’ny taona 2008 tany ny Fiverenana Andoharano. Io anarana isalorany hoe «Fiverenana Andoharano» io dia mifototra amin’ny tarigetra hoe « tsy ho afaka hanarina an’ity firenena malagasy ity isika raha tsy miverina any anivon’ny fiarahamonina ifotony any, satria any no misy ny soatoavina mbola voahaja ara-pahamarinana sy araka ny fahatahorana ny tsiny sy ny tody mbamin’ny rariny ».

Tamin’ny hetsi-bahoaka 2009 dia iray amin’ireo olona vitsy namaky lay ny kabary teo amin’ny kianjan’Ambohijatovo i José Razafimandimby, avy amin’ny Fiverenana Andoharano.

Tsy noho ny fihetsiketsehany teto Antanaarivo no nahatonga azy ho nitondra teny tamin’izay famakiana lay izay fa noho ny fahatsapan’ny vahoaka sy ny sokajin’olona avy amin’ny fikambanana maro eto fa manana faka miainga any anivon’ny rafi-piarahamonina ifotony ny « Fiverenana Andoharano ». Izany hoe tena ny hevitry ny vahoaka any ambany ravinkazo sy any anivon’ny tanàna mandrafitra fokontany rehetra any.

Amin’izao fotoana, efa an-tenda fa tsy an-dohalika intsony ny ranom-bary. Nivoaka tao anatin’ny fahanginany indray ny Fiverenana Andoharano rehefa avy nifandray tamin’ireo rafitra isa-piarahamonina ifotony manerana ny lafivalon’ny Nosy. Hentitra ny fanazavan nentin-dRazafimandimby José, mpitarika ity Fiverenana Andoharano ity fa « rafi-panjakana tsy misy mifototra amin’ny fepetra takian’ny lalàmpanorenana no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, ary tsy misy mifanaraka amin’ny didy aman-dalàna ny fanapahan-kevitra sy fihetsika rehetra raisin’ny mpitondra fanjakana amin’ny ankapobeny. »

Tsy fanajana ny lalàmpanorenana, hoy ny Andoharano, ny fanolorana anarana avy amin’ny Antenimierampirenena , niainga tamin’ny vondrona parlemantera, ka nakan’ny filohampirenena ny anaran’i Solonandrasana Olivier ho Praiminisitra satria ny lalàmpanorenana dia milaza fa ny anarana atolotry ny antoko politika na ny vondron’antoko politika manana ny maro an’isa eny amin’ny Antenimierampirenena no tendren’ny filohampirenena ho praiminisitra.

Tsy nanaja ny lalàmpanorenana koa, hoy ihany i José Razafimandimby ny lanonana namindran’ny praiminisitra Ravelonarivo, ny fahefana tamin’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier satria na ny nanendrena azy ireo tamin’izany andraikitra izany aza tsy nanaja ny lalàmpanorenana.

Ny fandavan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana an’izany fepetra takian’ny lalàmpanorenana izany dia efa endrika tsy fanajana ny lalàmpanorenana koa, hoy ihany ny Andoharano, satria tsy ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (Hcc) no ambony fa ny lalàmpanorenana izay lanieran’ny maro an’isa tamin’ny vahoaka malagasy.

Tsy fanajana ny lalàmpanorenana koa ny mbola tsy fananganana ny rafitry ny Fitsarana avo na ny « Haute Cour de Justice », hoy ihany ny Andoharano omaly. Ny dikan’izany, tsy misy rafitra nomen’ny lalàna fahefana afaka manenjika ny mpitondra fanjakana, indrindra fa ny filohampirenena, amin’ny fandikana ny lalàmpanorenana nataony, ka takiana ny hijoroan’ny mpitsara amin’ny alalan’ireo mpitsara eo amin’ny rafitry ny fampanoavana mba hivory hikaon-doha dia mijery ny teboka araka ny lalàna (points juridique) ahafahana mampitsahatra amin’ny asany ny filohampirenena fa mampitombo ny fahasahiranam-bahoaka izao tsy fanajana ny lalàmpanorenana sy ny didy aman-dalàna ataony izao. Ny fianakaviambe iraisampirenena koa, hoy ihany i José Razafimandimby dia toa manome hasina ny tsy fanarahan-dalàna ataon’izao fitondrana izao raha mbola maneho fitokisana amin’izy ireo, nefa ny fepetra isan’ny mahasarotiny anareo eo anivon’ny fianakaviambe iraisampirenena dia ny fampanjakana ny tany tan-dalàna sy ny fanajana ny zon’olombelona, ny fanjakana tsara tantana, ny famongorana ny kolikoly. Tokony hisy fepetra raisinareo fianakaviambe iraisampirenena amin’ny mpitondra manosihosy an’ireo tarigetra ifotoranareo fianakaviambe iraisampirenena amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tany toa an’i Madagasikara, hoy ihany i José Razafimandimby.

Ny tafika amin’ny alalan’ireo manamboninahitra lefitra sy manamboninahitra, ambony ary manamboninahitra jeneraly dia nantsoin’ny Fiverenana Andoha-rano manokana mba tsy ho isan’ny mpiray tsikombakomba koa amin’izao fitondrana tsy manara-dalàna izao, ary tsy hanaiky hataon’izy ireo fitaovana hifanandrina amin’ny vahoaka na hamoritra ny vahoaka maneho ny heviny.

Fotoana tokony hijoroan’ny vahoaka izay tompon’ny fahefana amin’ny fandidiana sy ny fanapahana rehetra eto Madagasikara izao ka ndeha hiray hina hiara-miatrika ny dingan’ny fanavotam-pirenena, hoy ny Andoharano, ary miainga amin’ny fampitsaharantsika vahoaka izao fitondrana tsy manaja ny lalàna velona izao izany.