Manomboka maneho ny fiarovan-tenany ny praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana, raha niezaka ny tsy hifamaly na haneho hevitra momba ny fivoahan’ny raharaha maloto vitany fony naha-minisitry ny Atitany azy izy tamin’ilay fotoam-pamindram-pahefana taminy ny zoma lasa teo.

Omaly, taorian’ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana alema sy ny fitondrana malagasy tamin’ny alalan’ny tetik’asa « Giz » dia namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety izy, ary tamin’izany no nanararaotany niarovany tena.

Toa ny litania fanaon’ny mpitondra fanjakana izay miaro ny toerany sy ny tombontsoany aloha dia naverin’i Mahafaly Solonandrasana Olivier omaly. Tsy inona io fa ny hoe « ny fampandrosoana izao maika sy andrandrain’ny vahoaka ka avelao hiasa ny mpitondra fanjakana. »

Mbola tsy nisy mpitondra fanjakana nilaza aloha teto hatramin’ny taona 1960 hoe « ny fahapotehan’ny firenena no tarigetranay mpitondra ary ataonay laharam-pahamehana ny hampahantra ny vahoaka ». Samy te ho tsara endrika sy samy niezaka naka ny fon’ny ambanilanitra avokoa teto ny nahazo ny fahefam-panjakana rehetra ka io voambolana hoe « fampandrosoana » sy « fanarenana ny fiainam-bahoaka » io no lanin’izy ireo tsianjery.

Etsy ankilany, inona tamin’ny fanamarihana na tsikera na fanehoan-kevitra nataon’ny olom-pirenena na mpisehatra politika na firaisamonim-pirenena na mpandraharaha ara-toekarena na iza na zovy teto moa no nisakantsakana na nanelingelina ny mpitondra fanjakana tsy ho afaka niasa ? Moa tsy afaka niazo ny toeram-piasany ny praiminisitra Solonandrasana Olivier fony izy minisitry ny Atitany raha nokianin’ny

vahoaka ny teti-dromotra nokilasiany hanasamatsamahana an’Antananarivo ? Moa nisakana na nanelingelina an’i Solonandrasana Olivier tsy hahatanteraka ny tiany natao fony izy minisitry ny Atitany ny fampihorohoroana nampanaoviny an’ireo tompomenakelin’ny fitondrana HVm tany anivon’ny distrika sy ny faritra isan-tsokajiny tany, raha niandrandra ny hahazoan’ny Hvm ny maro an’isa tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy fifidianana loholona ry zareo, ka nisy ny fanakianana sy fikororohana an’izany fihetsika mamoafady izany imasom-bahoaka ? Sy ny maro tsy ho voatanisa e !

Ny marina dia tsy zakan’ny praiminisitra Olivier Solonandrasana ny fivoahan’ny marina amin’ny fanapahan-kevitra mamoafady sy ny fanamparam-pahefana ataon-dry zareo ka pempoiny amin’ny hoe « avelao hiasa ny mpitondra vao tsaraina ». Raha ny sitrapony aza dia ny famerenana ny sivana amin’ny gazety sy ny haino aman-jery no tian-dry zareo mpitondra satria ny fahamaroan’ny haino aman-jery aman-gazety misy eto dia tsy ahafahan-dry zalahy manafina ny tetika maloto ataony ao anatin’ny filalaovany ny fahefam-panjakana.

Fa isan’ny navoitran’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier ihany koa ny valim-panontaniana momba ny hoe « governemanta hikendrena fandresena amin’ny fifidianana 2018 io tarihiny io ». Taitra ny lehilahy ka nilaza hoe « mbola lavitra izany fifidianana izany ka avelao tsy asiana adihevitra aloha ».

Eny e! Azo atao ange ny tsy manisy adihevitra azy saingy diso fihevitra ny praiminisitra nanambara an’izany satria ny ataon-dry zareo no tena miteraka adihevitra e ! Tsy tokony hohadinoin’ny Praiminisitra fa

« asa andavanandron’ny mpisehatra politika ny fiheverana mandrakariva ny fahazoana ny fahefam-panjakana, ary iray amin’ny dingana hahazoana an’izany ny fifidianana ». Mandavan-taona izany no tokony iresahana azy io, ary ny ataon’ny mpisehatra politika amin’ny ankapobeny, ary isan’izany ny mitana ny fahefam-panjakana, dia ny mambabo ny fon’ny olom-pirenena, ny handresy lahatra azy mba hankasitraka ny tarigetra sy ny ataon’ilay mpisehatra politika, na eo anivon’ny fahefam-panjakana na ivelany.

Ny mahavariana amin’ny fitondrana HVm amin’izao fotoana anefa, ary nolovainy tamin’ireo mpitondra fanjakana nifandimby teto nandritra izay 50 taona mahery izay izy io, dia ny fangejana ny mpifaninana politika aminy tsy haneho hevitra, ny fanakendana ny haino aman-jerim-panjakana ho ry zareo mpitondra ihany no afaka milaza hevitra ao, ny jadona tsy ahafahan’ny mpisehatra politika hafa mamory vahoaka sy mikabary na mamelabelatra hevitra ankalamanjana, sy ny maro. Izay miezaka sy mampiseho fahasahiana mijoro ka maneho hevitra dia horohoroina sy ampitahorina, ary raha midina ankalamanjana dia irahina ny herim-pamoretana hampiasa herisetra aminy, sy ny maro tsy ho voatanisa e !

Nambaran’i Solonandrasana Olivier Mahafaly koa omaly ny hoe « ndeha ny fihavanana malagasy no omen-danja ». Niaro tena koa izy momba ny filazana azy ho nanodinkodim-bolam-panjakana fony izy minisitry ny Atitany. Nambarany fa « malalaka ny varavaran’ny antokon-draharaha (direction) iray ato amin’ny minisiteran’ny Atitany anaovana fanadihadiana momba ny fampiasana volam-panjakana ato. »

Toa mihevitra ny vahoaka malagasy ho adala sy kentrina ange ny praiminisitra Solonandrasana Olivier izany e ! Hatramin’ny Repoblika voalohany no nisy mpitondra

fanjakana nanodinkodim-bolam-panjakana sy nangalatra mihitsy aza teto, saingy tsy hita taratra firy any anatin’ny antontan-taratasy voarakitra an-tsoratra izy ireny. Tsy midika anefa izany fa anjely ilay minisitra na ilay tomponandraikitra fa ny vahoaka iantefan’ny asa nambara fa nandaniana vola toa izao sy toa itsy dia mahafantatra fa lainga no ifotoran’ilay fanambarana ny vola nolaniana. Ny fanadihadiana nataon’ny mpisafo raharaham-panjakana (Inspection générale de l’Etat) koa ange indraindray dia ahitana taratra ny fandikan-dalàna nataon’ny manam-pahefana iray e ! Ary isan’ny nahitana fototra an’izany ny nampanaovin’i Olivier Mahafaly ny ben’ny tanàna tany Ambalavao Fianarantsoa, izay mety tsy ho hita taratra ao amin’io antokon-draharahan’ny minisiteran’ny Atitany io.

Nambaran’i Solonandrasana Olivier koa omaly ny momba ny fitandroana ny fihavanana. Tsy ratsy akory izany fa ny fanoitra ilay goavan’ny fanamafisana ny fihavanana, tompoko, dia ny fampiharana ny lalàna amin’izay nandika azy koa ». Raha tsy izany dia ho fihavanan-jiolahy, satria izay manararao-pahefana rehetra, izay manodinkodim-bolam-panjakana rehetra, izay manampatra fahefana ka manao jadona sy mampihorohoro, izay mampiasa ny herim-pamoretana hampiasa herisetra amin’ny hafa, dia hanandratra ny fihavanana hatrany, dia tsy maty manota. Ka tsy fihavanan-jiolahy ve izany ?

Ralay