Raha miala amin’ny resaka pôlitika dia anisan’ny nanintona ny sain’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ny zava-nitranga teny Analakely ny alakamisy teo. Raha hotsorina ny fandehan’ny raharaha dia hoe nanomboka nanohitra ny hetraketraky ny pôlisy monisipaly ny mpivarotra amoron-dalana sy ny olona vitsivitsy nanampy azy ireo. Hetraketraka, hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena satria toa efa tafahoatra loatra ny nataon’ireo “mpitandro ny filaminana” avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ireo. Raha ny fantatra mantsy dia mpivarotra efa nisitrika tany anatin’ny tanànan’olontsotra no mbola noenjehin’izy ireo no sady nampiasany hery ihany koa, ankoatra ny efa nandraofany ny entany. Nisy naratra ireto mpivarotra ary tezitra noho izany ireo namany koa dia nidaroka pôlisy ihany koa.

Toa “tsotsotra” ny raharaha rehefa tantaraina, kanefa maha lasa ny fisainana ihany. Tsy nifampitsitsy teny mantsy ireo “mpifanandrina” ka re hatramin’ny hoe “hitanay ny misy anareo”, izany hoe efa mitady hitatra hatrany amin’ny ankohonan’ny isanisany ny fampiasan-kery. Ny mpandalo nahita ny zava-nisy koa dia nanamarika ny hoe soa ihany fa tsy mahazo mitazona fitaovam-piadiana tahaka an’ireo ao amin’ny foloalindahy ireto pôlisy monisipaly ireto fa raha tsy izany dia… asa fotsiny izay nety ho nitranga. Mampanahy…

Eo anatrehan’izany dia mipetraka ny fanontaniana hoe dia tsy manana vahaolana hafa ny amin’ireo mpivarotra amoron-dalana ireo ve ny mpitantana ny kaominina’Antananarivo afa-tsy ny fandefasana pôlisy hidaroka sy handroaka entan’olona ê?... Sa ve ireo ao amin’ny pôlisy monisipaly ireo no, sanatria ratsy fiofanana, na tsy voafehin’ny lehibeny ka “mihoa-pefy”?...

Mampanahy izao fivoaran’ny raharaha izao raha heverina ny hoe vao ny “fandaminana” ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely no efa tahaka izao no fandehany… dia io inona no hitranga rehefa hidina eny amin’ny mpivarotra anaty lalana eny Ambanitanàna, toy ny eny Isotry rehetra iny, ohatra, ireto “mpandamina” avy ao amin’ny kaominina ê?... Tsy eny amoron-dalana intsony mantsy no mivarotra ny eny amin’iny “faritra iva” iny fa efa any anatin’ny arabe mihitsy, ary tena ara-bakinteny ny hoe ny fiarakodia indray no matahotra ny mpandeha an-tongotra… sy ny mpivarotra ihany koa. Iaraha-mahalala anefa ny fahasiahan’ny olona eny amin’iny faritra iny koa izany no mampametra-panontaniana ê.

Inona no vahaolana; aiza no hasiana azy ireo ka “mety” aminy? Mipetraka koa ny fanontaniana satria iny amin’ny faritry ny 67 ha sy Ambodinisotry iny, ankoatra ny eny Isotry amin’ny lalamby, dia efa tsy misy faritra ho an’ny mpandeha an-tongotra intsony fa tsy maintsy eny amin’ny arabe izy ireo no mifamezivezy. Tsy mahagaga ihany ny nahatonga izany satria na ireo efa nanana toerana nivarotana, voafefy tsara, toy ny teo amin’ny tsenan’i Bagdad aza dia noroahina teo fa namidy tamin’ny kaompania vaventy mpanam-bola ilay tany.

Ho lava ny resaka raha mbola hotohizana fa ny fanontaniana lehibe indrindra hamehezana azy dia ny hoe mba rahoviana àry vao hisy vahaolana mety sady maharitra ho an’ny sôsialim-bahoaka eto amintsika eto ê?... Toa mbola ho ela an!

Lalou