Volana vitsy lasa izay dia fihetsiketsehana tsy nisy toa izany no nataon’i Roland Ratsiraka, minisitry ny asa vaventy tamin’izay. Fihetsiketsehana nivelezana daba manerana ny tanàna ary nitondrana mpanao gazety maromaro mba hanaparitaka fa miasa ny lehilahy. Dia nambarany fa “hoezahina ny tsy hisian’ny lavadavaka amin’ny lalampirenena rehetra eto Madagasikara.” Ny lalampirenena fahafito mampitohy an’Antananarivo amin’i Toliara tamin’izay no nandehanany ka nambarany fa nanatanterahana ny fampivainganana an’izany. Noraisiny ho ohatra ny fahavitan’ny fanarenana sy fanamboarana ny lalampirenena fahefatra mampitohy an’Antananarivo amin’i Mahajanga fa hoe tena tsy misy lavadavaka intsony. Dia notsindriany fa mandrapahatonga aty Toliara izao dia efa vita avokoa ny fanentsenana ny lavadavaka rehetra.

Akory anefa ny hagagana fa omaly dia nikatso tanteraka ny lalampirenena fahafito ao amin’ny tananan’Alakamisy Ambohimaha, eo anelanelan’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa. Nikatso satria potika tanteraka ny lalana ary nisy fiarakodia nihitsoka tao ka niteraka tsy fahafahan’ny fiara nifamoivoy.

Mahagaga fa efa nokianin-dRajaonarimampianina mafy imasom-bahoaka i Roland Ratsiraka raha nitranga ny olana teny amin’ny lalana eny Andohan’Imandroseza ka nampitroatra ny mponina satria dia tena nijaly ny mpampiasa lalana sy ny mponina teny noho ny fampanantenana poaka aty nataon’i Roland Ratsiraka. Mahagaga satria toa nanome rariny ny vahoaka nitroatra ny filoha Rajaonarimampianina tamin’io tsy fahavitan’ny fikojakojana ny lalana eny an-toerana io, nefa dia indro fa mbola notanana ao amin’ny goverenermanta ihany i Roland ratsiraka.

Tsy manana olona hisahana an’izany ministeran’ny Fizahan-tany izany ve i Hery Rajaonarimampianbina sy i Solonandrasana Olivier Mahafaly no olona efa namita-bahoaka tany amin’ny ministeran’ny Asa vaventy no afindra hisahana indray ny departemantan’ny fizahan-tany?

Ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena sasany aloha dia misy ny manamarika fa “toa ananan’i Roland Ratsiraka antontan-taratasy “maloto”, hono, i Hery Rajaonarimampianina ka tsy sahy mikitika na manaisotra an’io ben’ny tanàna teo aloha tany Toamasina io ao anatin’ny goverenemanta.

Mahazendana ny maro tokoa ange ny mbola nahavoatana an’i Roland Ratsiraka ao amin’ny goverenemanta e! Na ireny vava nataony mivantana teo anoloan-dRajaonarimampianina tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ny ho filohampirenena, fihodinana voalohany, tamin’ny 2013 ireny aza ange ka mahavariana e! Tamin’izay mantsy i Roland Ratsiraka no niteny nivantana teo anoloan-dRajaonarimampianina ary henon’ny mpanaraka fahitalavitra rehertra hoe “Tsy Hery vaovao izany ianao fa Hery tonta, ary ianao dia ananako antontan-taratasy”.

Nandeha ny fifidianana fihodinana faharoa dia indro fa nitonona hanohana an’i Hery Rajaonaraimampianina tampoka i Roland Ratsiraka, saingy imolotra fotsiny izany fa ny fampielezan-kevitra ho amin’ny kandidan’ny antokony (Mts) tamin’ny fifidianana solombavambahoaka no nimasoany.

Rehefa nitsangana ny governemanta Kolo Roger dia akory ny hatairan’ny maro raha nahita an’i Roland Ratsiraka minisitry ny Asa vaventy nefa izany rehetra izany no zava-nisy.

Tsaroan’ny mpampiasa lalana amin’iny mianatsimo miazo an’i Fianaranjtsoa sy Toliara iny ny fizahozahoan’i Roland Ratsiraka ho nahavita nanafoana ny lavadavaky ny lalana (“Zero nid de poule”, hoy izy).

Dia nalefa any amin’ny fizahan-tany indray izy ka manahy indray ny maro sao, sanatria, fizahan-tany mamoa-fady no hiroborobo eto.