Omaly alatsinainy faha-25 aprily 2016, dia nitokona indray ny mpitatitra olona avy eny Andoharanofotsy, Ambatofotsy, izay miakatra aty Antananarivo. Noho ny olana misy amin’ny ATT (agence de transport terrestre), izay ampangain’izy ireo fa manararaotra amin’ny fampandoavam-bola tsy amin-drariny izay 60 000 ariary na 65 000 ariary isaka ny fahadisoana izay ataon’ireo taxi-be ireo. Tsy ny ATT irery hoy izy ireo no manao izany fa hatramin’ny polisy amin’ny môtô “scooter” ireny koa no isan’ny nolazain’izy ireo fa naman’ny miteraka izao olana izao. Tsy fantatra anefa hoy izy ireo ny ampiasana ireo vola ireo ary mety tsy ho tonga any amin’ny fanjakana akory aza. Manaraka izany dia miharatsy izay tsy izy ny lalana nefa ny hetra sy ny sazy tsy hay intsony ny fitakiana azy fa atao tery vay manta. Tsy nisy niasa ny fiara mpitatitra olona teny amin’ity faritra ity omaly tontolo andro , izay voakasiky ny zotra F rehetra. Dia an-tongotra no nataon’ireo mpiasa hihazo an’Antananarivo rehetra sy ireo izay manana anton-draharaha rehetra taty an-drenivohitra. Vokatr’izany dia ny mpitatitra sy ny vahoaka indray no nifanolana tamin’izany. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo-reg nandrava ny fihetsiketsehana. Manomboka mahazo vahana ny fitakiana miendrika fanoherana ny fitondram-panjakana ankehitriny. Mbola tsy vita hatramin’izao ny fitokonana ataon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana sy ny mpandraharahan’ny fonja manerana an’i Madagasikara. Ny eto Antananarivo manokana dia efa mahatratra 300 eo ho eo ny olona tokony ho entina eny amin’ny fitsarana sy hampidirina ho tazonina eny Antanimora no mitoby amin’ny polisy sy ny zandary nanomboka tamin’ny fiatombohan’ny fitokonana izay. Ny minisitry ny Fitsarana vaovao ingahy Andriamiseza Charles dia milaza tamin’ireto mpitokona ireto fa hanome valiny azy ireo ao anatin’ny 10 andro aorian’ny nandraisany ny toerana maha minisitra azy, raha ny voalazan’ireo mpitokona ireo ihany. Na izany aza dia nanambara ireto mpitokona roa tonta ireto fa tsy manaiky ny kobaka am-bava izay atao amin’izy ireo fa fampiharana avy hatrany ny fifanarahana efa natao no tadiavin’izy ireo. Milaza izy ireo fa raha tsy misy ny vahaolana dia tsy handray ny asany ireto sendika roa ireto. Tsy ny eto an-drenivohitra irery anefa no itrangan’ny fitakiana eo amin’ny fanjakana sy ny vahoaka toa izao fa ny mpianatra ao amin’ny oniversite ao Barikadimy ao Toamasina koa dia isan’ny manao fitokonana ihany koa. Mitaky ny momba ny hanafoanana ny mahakasika ny fampiakarana ny saram-pisoratana anarana indray izy ireo., ary mibaiko ny fanjakana ny amin’ny hanafoanana izany tetika izany. Heverin’ireto mpianatra ireto fa fanapotehana ny zanaky ny vahoaka izany satria tsy ho arak’izy ireo intsony ny vola alaina amin’izy ireo ankehitriny.
Marihina fa ny mponina teny Andohan’i Mandroseza sy Ambohipo dia efa nitokona toa izao noho ny faharatsian’ny lalana efa ho iray volana latsaka izao, ka nahatonga ny fanamboarana ny lalana teo noho teo ary tsy nisy hatak’andro fa tao anatin’ny iray andro monja. Isan’ny fitsapana ho an’ny governemantan’ingahy Olivier Mahafaly Solonandrasana ireo grevy sesilany mipoitra amin’izao fotoana izao ireo.
J.B