Niteraka resa-be eto amin’ny firenena hatrany am-boalohany ny mahakasika ny olona miasa eny Iavoloha izay manodidina ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina sy ramatoa Voahangy vadiny. Ny fahafantarana an’ingahy Ramamonjiarivelo John William Richard izay mpiasa tao amin’ny masoivoho malagasy tao Paris no isan’ny nanampy indray ny olona izay voalaza fa mpisoloky ary mpanao risoriso manodidina azy mivady ireto. Raha ny antontan-taratasy eto am-pelatananay mahakasika ny momba ity olona antsoina hoe Ramamonjiarivelo William Richard ity dia nisy ny naoty (Note)izay navoakan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny teto Madagasikara tamin’ny andron’i ramatoa Lila Hanitra Ratsifandrihamanana izay minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy mahakasika ny fampodiana tsy ara-potoana aty Madagasikara noho ny hosoka sy ny kolikoly avo lenta natao tamin’ny fanjakana malagasy (rapatriement d’office) no nilazana azy tamin’izany.
Ny faha-29 novambra 2001 no namoahana ity naoty ity. Voalaza amin’ny taratasy izany fa ingahy Ramamonjiarivelo John William dia ny 27 novambra 1997 no notendrena ho “surveillant général” n’ny trano fonenan’ny mpianatra malagasy ao Cachan ao Paris araka ny didim-panjakana n° 2427/936 MINU DU 27. 05.93. Ny 12.11.1997 dia voasokajy ho “instituteur de la catégorie II” izy ka nifindra tao amin’ny trano ho an’ny mpianatra amin’ny oniversite malagasy tao Cachan , ka tao aorian’izay dia nafindra tao amin’ny UNESCO tao Paris. Ny 12.02. 1998 dia nampiakarina ho Professeur Licencié (sur la base d’une licence es-lettres « étude française » izay azony ny 9 mars 1993, ka tamin’izany dia namoaka didim-panjakana ny N°1119-98/FOP/R.3 tamin’ny 17 febroary 1998 ny minisitry ny Asam-panjakana tamin’izany fotoana izany Ratovonelinjafy. Izany diplôma izany anefa lavin’ny « faculté des lettres et sciences humaines » satria ity Ramamonjiarivelo John William Richard ity dia tsy hita mihitsy amin’ny isan’ny mpianatra nandalo tao amin’io
departemanta io (cf. lettre n° 10-01/FLSH/ GR/SCOL tamin’ny 11.01.01, izay nomen’ny « doyen » n’ ny « faculté des lettres et sciences humaines ». Ny faha-09.10.2000 dia nahazo ny diplaomany « Relations internationales approfondies » izay nolazaina fa azony tao amin’ny « centre d’études diplomatiques et stratégiques de Paris » indray ingahy Ramamonjiarivelo John William Richard, ka nampiakarana azy ho amin’ny sokajin’ny mpiasampanjakana ao amin’ny sokajy faha-VIII indray izany, ka mametra azy ho isan’ny mpiasampanjakana ho sokajy faha-VIII araka ny didim-panjakana laharana faha-11. 178/98-CNE tamin’ny 3 desambra 1998, izay nosoniavin’i minisitra Alice Razafinakanga izay minisitry ny Asam-panjakana malagasy tamin’izany andro izany. Ny faha-17 novambra 2000 dia namoaka didim-panjakana laharana faha-12.669/2000-FOP/R.3 ity minisitra ity ary nametraka azy ho “agents diplomatiques et consulaires” tao Paris-France hatrany. Ny taona 2000 dia nahatsikaritra ny fampiasana ireo diplaoma rehetra ireo ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy Lila Hanitra Ratsifandrihamanana tamin’izany fotoana izany. Diplaoma sandoka, “faux et usage des faux” no nampiasain’ingahy Ramamonjiarivelo John William Richard ity. Ka izany dia nentiny namitahana ny fanjakana malagasy sy nanalana baraka azy.
Toa izany koa ny namitahany ny minisitra maro izay nifandimby teto amin’ny firenena tao amin’ny asam-panjakana ary ireo minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy rehetra izay niasa nanomboka ny taona 1993 ka hatramin’ny taona 2000. Nihinam-bolam-panjakana mihoampampana tamin’ny alalan’ireo hosoka sy kolikoly tamin’ny diplaoma sandoka ireo ity olona ity satria dia nitombo isaka ny diplaoma azony ny karamany. Ankehitriny dia isan’ny tanan-kavanan’i ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina ity lehilahy ity satria dia voalazan’ny mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny vadin’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina ity izy nanomboka ny taona 2014. Izy hatrany no isan’ireo olona izay manao ny iraky ny vadin’ny filohampirenena Voahangy Rajaonarimampianina mizara fanomezana etsy sy eroa.
Tany Ambatondrazaka tamin’ny taona 2015 iny dia ingahy Richard William Ramamonjiarivelo no nitarika ny delegasionina nisolo tena an’i Voahangy Rajaonarimampianina tany , izay nizara “kits scolaires” ka nahafantarana azy tamin’ny andraikitra vaovao eto amin’ny fanjakana malagasy indray. Misy aza ny milaza fa lehiben’ny kabinetran’ny vadin’ny filohampirenena ity lehilahy ity. Izany kabinetran’ny vadin’ny filohampirenena izany dia malaza tokoa amin’izao fotoana izao ny fisiany marina satria tsy tokony hanana izany ity ramatoa ity fa tsy misy izany ny rafitra amin’ny lalàmpanorenana malagasy. Sanatria ve dia mbola ho sandoka koa io rafitra noforomporonina io ? Ny tiana hasongadina dia ny fisian’ny olona efa maloto toa itony miasa eny amin’ny fiadidiana ny filohampirenena. Tsy mahagaga ankehitriny raha mandeha dia mandeha ny resaka momba ny kolikoly avo lenta eto Madagasikara ankehitriny. Ireny no olona miara-miasa amin’ny filohampirenena sy ny vadiny. Tokony mba hisy ihany ny fanadihadiana lalina ireny olona hiasa amin’ny lapam-panjakana ireny satria dia ireo no taratry ny fitondrana.
Iankinan-javatra maro amin’ny fitantanana ny firenena ireny zavatra ireny. Ity olona ity aloha no mbola nahazoana porofo fa ny sisa dia mbola ho hitantsika eo ihany. Tsara ho fantatra ihany ny toa izao satria misy dikany lehibe amin’ny fiainan’ny firenena izany.
JB