Mampanahy be ihany ny fandehan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Raha ny hita mantsy dia toa miitatra ihany ny fitakiana sy, indrindra, ny fanakianana ny fitondrana. Tsy mahagaga loatra ny amin’izany satria iaraha-miaina ny fahasahiranana izay miha mitombo andro aman’alina, kanefa ny fahefa-mividin’ny vahoaka tena tsy maharaka mihitsy. Ny malaza farany izao dia ny fiakaran’ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro. Ny siramamy sy ny menaka no tena nitarainan’ny mpanjifa kanefa raha ny marina dia ny vokatra rehetra mihitsy no niaka-bidy, raha tsy hiresaka afa-tsy ny vary izay foto-tsakafon-dRamalagasy.
Misy ireo hetsika ataon’ny sokajina mpiasa, mpanao pôlitika, eny na ny olon-tsotra aza, etsy sy eroa. Fitakiana ny hanatsarana ny sôsialim-bahoaka avokoa no vontoatin’izy ireny, ary raha ny tena marina dia tsy fitakiana vaovao na filana voa tsy àry akory fa fampahatsiahivana ny tokony hanatanterahan’ny mpitondra ny fampanantenana nataony ireo fony mbola nitady ny toerana izy ireo. Tsy misy mihaino anefa izany fa fandrahonana avy amin’ny “mpitandro ny filaminana” indray aza no valiny.
Tsy rariny ve raha mitaky ny hanatsaran’ny olona nomen’ny vatony ny fiainany ny vahoaka ê ?... Tsy rariny koa ve raha mitaky ny hanatanterahana ny didy navoakan’ny Fitsarana ireo mpiasa?... Mety ve raha ny fanjakana foibe, izay hany manana ny petra-bola miasa ao amin’ny orinasa iray no manda tsy hanatanteraka ny didin’ny Fitsarana mahakasika io orinasany io ?... Koa raha ny mpitondra fanjakana tokoa àry moa no tsy miraharaha ny didim-pitsarana, hahagaga ve raha mitranga sy manerana ny lafivalon’ny nosy ny fitsaram-bahoaka ê ?...
Izany rehetra izany no mahatonga ny mpanaraka ny raharaham-pirenena hilaza hoe tany tsy misy lalàna ny eto Madagasikara eto. Toa tsy mahataitra ihany ny mandre izany, satria efa fandre matetika ambaran’ny mpanao pôlitika, kanefa tokony hodinihin’ny rehetra ihany, indrindra ny mpitondra fanjakana, ny mety hitranga aoriana ao, vokatr’izany. Rehefa ho “tsy misy lalàna” tokoa mantsy eto dia ho samy hanao ny lalànany izany ny isanisany dia… ho aiza no hiafarantsika ireto ê ? Rehafa “tsy misy lalàna” ny eto dia mbola hoilaina ve ny mpitandro ny filaminana, ary iza no hiaro an’iza?... Rehefa “tsy misy lalàna” ihany ny eto dia mbola hijanona aty “ambany” ve ireny fitsaram-bahoaka ireny, ary mbola ho azon’ireo mpitondra fanjakana antoka ve fa hiaro, ary ho afaka hiaro azy ireo ireto “mpitandro ny filaminana” ampiasainy ireto ?...
Miha “mankany, mankany”, araka ny fitenenana ny toe-draharaha eto amin’ity firenentsika ity ka mahalasa ny fisainana ny ho hatraiza àry izy izany ê?
Araka izany dia mila mandinika lalina ka mandray andraikitra haingana dia haingana ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Tsy hisy ho tafavoaka velona, araka ny fitenenana, eto mantsy na iza na iza raha izao no mitohy. Tsy maintsy lazaina izany satria efa “mankany, mankany” ny raharaha ê !…
Lalou