Misy sehatra iray iadian-kevitra na anehoana fomba fijery momba ny raharaha politika eto Madagasikara na maneran-tany mihitsy aza ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny « Facebook » ao. Mahavariana ny mahita ny fomba fahatakaran’ny olona sasany ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena. Sehatra iposahan’ny hevitra amin’ny maha-terabary azy tokoa aloha izy io, ary dia misy ny mitondra hevitra avo lenta sy azo tsapain-tanana ny fahamarinany, fa ao dia ao ireo mirefarefa amin’ny tany ny fomba fandraisany ny hevitry ny hafa.
Mibaribary ao fa ny olon’ny Tim sy ny Hvm no tena maneho hevitra araka ny fihetseham-pony ao, ka ny fialan-dRavalomanana teo amin’ny toerana naha-filohampirenena azy tamin’ny 2009 no tena nampalahelo ny sasany, dia iny no hirahiraina sy arovana isaka ny mihetsika ao, ary tsy misy tohan-kevitra mafonja sy maharesy lahatra fa fiarovana bontolo sy an-jambany.
Toraka izany koa ny setrin’ny hevitra miseho izay mampibaribary ny foto-kevitra na fomba fijery mitombina, izay matetika manakiana na mitsikera ny fomba fanararaotam-pahefan’ny Hvm sy ny afitsoky ny fitondrana Rajaonarimampianina ao. Dia miaro an-jambany sy bontolo an’izay fitondrana manararao-pahefana izao ny sasany. Asa, ny halatra sy ny fanamparam-pahefana mbamin’ny jadona no politika avo lenta angamba, ho an’ny sasany. Hany ka raha vao tsy miaro ny fitondrana HVm ianao fa manakiana azy ary mitanisa ny hala-bolam-panjakana sy ny fanodinkodinana isan-karazany miseho lany ao dia romotra mihitsy ny mpila anditra isany miaro an’ilay fitondrana mpanodinkodim-bola.
Misy mihitsy moa ny milaza fa « manely tsaho » ny olona milaza ny fanodinkodinana ataon’ny mpitondra. Efa manome porofo azo ambara fa tsy azo iadian-kevitra sy tsy azo ihodivirana ny olona sasany nefa dia mbola misy sahy manoritra ho fanelezana tsaho ihany.
Fa inona no atao sy aseho vao mety amin’ny Hvm sy ny Tim e ? Manasohaso an-dRavalomanana dia manindraindra an-dRajaonarimampianina ve ?
Tsia kosa e ! Hanenenanareo izany ka mba miezaha ihany mijery mahitsy sy tsy mitongilana.
Ny hafa moa dia ny tsy fahombiazana sy ny fitohizan’ny fahalovana mbamin’ny fahapotehan’ny firenena faha-tetezamita no raisin-dry zareo ho fototra na filamatra angamba ka aompan-dry zareo any ny fiarovan-tenany.
Ambaranay mandrakariva fa tsy ny fanohizan’ny fitondrana tetezamita namotika ny firenena izay sisa navelan’ny mpitondra nifandimby rehetra teo aloany akory no hanamarinan’ny fitondrana talohan’ny tetezamita fa nanao ny mety sy ny tsara ry zareo, ary tsy ny fahapotehan’ny firenena sy ny fahasahitranan’ny vahoaka nandritra ny fitondrana Ravalomanana sy ny talohany koa no ndeha hanamarinan’ny mpitondra tetezamita tena fa tsy nanan-tsiny teto amin’ny tany sy ny firenena izy. Toraka izany koa ny ankehitriny. Tsy ny fahasahiranan’ny vahoaka nandritra ny fitondrana tetezamita sy ny talohany no hireharehan’ny fitondrana HVm fa ry zareo no tena madio sy manana ny rariny amin’ny fitantanana. Tsy ny fanamparam-pahefana sy ny jadona ataon’ny mpitondra ankehitriny koa no ndeha hilazan’ny mpitondra teo aloha rehetra fa nanaja ny demokrasia sy tsy nanodinkodim-bolam-panjakana ry zareo.
Fehiny dia samy nanana ny dian-tanany teo amin’ny fampahantrana ny firenena sy ny fanamparam-pahefany ny mpitondra nifandimby teto. Samy tsy misy afa-bela amin’ny andraikitra takian’ny tantara amin’izao toerana misy ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana.
Tsy azo ekena kosa raha toa ka olona na mpitondra voaporofo na nangalatra sy nanampatra fahefana tamin’ny volam-panjakana dia mbola harovana ihany, satria tsy izany mihitsy no antsoina hoe « adihevitra politika avo lenta ».
J.B