Miteraka adihevitra mandrakariva ny fikarakaran’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny mpitondra amin’ireo tany mampiasa ny teny frantsay izay hatao eto Madagasikara amin’ny volana novambra ho avy izao.
Isan’ny tranga mahalasa fisainana indray mantsy izao ny fankatoavan’ny fivorian’ny filankevitry ny governemanta tamin’ny talata teo ny volavolan-didim-panjakana mamaritra ny fombafomba fanokafana (modalités d’ouverture) sy ny fampiasana azy (fonctionnement) ary ny fanarahana ny fikirakirana (suivi des operations) momba ny kaonty mitondra ny marika 46778 ao amin’ny sora-bolam-panjakana. Izy io dia malalaka be , tsy voafaritra mialoha fa hoe « hafa », raha ny voalazan’ny lalàna momba ny teti-bolam-panjakana fa fampiasana azy na ilay antsoina hoe « autres-créditeurs-autres », ka ny amindrana azy dia hatao amin’ny anaran’ny delegasionina jeneralin’ny fikarakarana an’io fivoriana faha-16-n’ny fankôfônia io, izay ho azony alaina ao amin’ny foibe famoaham-bolam-panjakana eto Antananarivo.
Voalazan’io volavolan-didim-panjakana izay tsy maintsy hahazo fankatoavana eo anivon’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra (ankoatra ny natao omaly) fa « maika » (urgent) sy « tsiambaratelo » (secret) ary iankinan’ny filaminana ( ???) (Sécuritaire) ny asa hotanterahina amin’izy io.
Dia voasoritra koa fa ilaina ny hametrahana ny pitsopitsony (mécanisme) momba ny fitantanana ny vola sy ny fikirakirana ny antontan-taratasy momba azy io. Nomarihin’io volavolana didim-panjakana io fa « vao foronina ny sokajin-drafitra na andraikitra na olona afaka mampiasa na mikirakira an’io vola halaina amin’io sora-bola io.
Raha akapoka ny fandehany dia misy tetika maloto hanodinana ny volam-bahoaka indray koa io fandraisana fivorian’ny frankôfônia io satria dia mivandravandra ny tetika maloto ka nihazakazahana any amin’ilay sora-bola mitondra ny marika 46778, dia ny hoe « sy ny hafa ».
Samia ry vahoaka mailo fa trondro ange ny laoka e !