Ho an’ny foloalindahy malagasy dia mazava ny teny fanevan’izy ireo fa ny hoe: “ho an’ny Tanindrazana”. Raha vao mahare an’izany ny Malagasy dia mahatsapa avy hatrany fa avy amin’ny foloalindahy izany fitenenana izany. Indrindra fa raha irony manampahefana be galona irony no miteny sy manao kabary miaramila ary mamita iraka ho an’ny firenena dia tsy maintsy milaza io fiteny filamatra io izy ireo. Na dia tsy mahafantatra loatra ny tena fonosin’izany teny izany ny vahoaka malagasy dia babo avy hatrany satria mirakitra hevitra lalina ny hoe : “ ho an’ny tanindrazana” ity, ka samy mandray izany araka ny fahatakarany azy avokoa. Na izany aza dia mitovitovy hatrany ny fandraisana azy. Tonga dia mahatsapa avy hatrany koa ny vahoaka fa tsy mba kabary ny mpanao politika izay mpanao kobaka am-bava no miteny, fa miaramila na foloalindahy mijoro amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiarovam-pirenena ka sady miaro ny tanindrazana iombonana dia i Madagasikara sy ny mponina ao aminy izany, no sady vonona ny handray andraikitra avy hatrany amin’ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena. Tsy izany ihany fa hatramin’ny fananan’ny olona tsirairay sy ny ainy koa dia andraikitry ny foloalindahy avokoa. Raha vao tonga ny foloalindahy sy ny miaramila dia avy hatrany dia tsapa fa misy hery sy rivo-panantenana no vokatr’izany ho an’ny vahoaka malagasy. Iza moa no tsy miantso ny foloalindahy na ny miaramila amin’ny mponina any ambanivohitra izay ataon’ny dahalo lasibatra sy tratran’ny tsy fandriampahalemana? Ny foloalindahy dia mpiaro ny andrimpanjakana sy ny mpitondra fanjakana ary ny lalàna ary indrindra ny fampiharana izany any amin’ny vahoaka. Hatrany amin’ny famonjena ny ain’olona eo anatrehan’ny loza voajanahary na koa ireo loza maro isan-karazany ny andraikitry ny foloalindahy sy ny miaramila avokoa. Mampandry tany ny foloalindahy amin’ny fotoanan’ny fifandirana ara-tsosialy sy ara-toekarena ka lasa niteraka korontana sy krizy teo amin’ny firenena. Mpanaraka ny ara-dalàna sy ny tombotsoam-bahoaka koa ireo foloalindahy ireo. Izany no azo lazaina fa andraikitry ny foloalindahy sy ny miaramila raha toa ka fitimpintinina fohifohy.
Na dia mpiaro ny ara-dalàna sy ny lalàna ary ny vahoaka sy ny tanindrazana aza ireo foloalindahy ireo dia mijery ihany koa izy ireo raha toa ka manaraka ny filan’ny vahoaka izany. Misy dia misy tokoa ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitondra. Tsy tokony hanaiky ny foloalindahy. Misy ny tsy nanarahan-dalàna ataon’izy ireny, hatramin’ny fampiasan-kery sy ny fanararaotam-pahefana dia ataon’izy ireny avokoa. Raha toa ka lasa mahantra sy mijaly ny vahoaka noho ny tsy fahaizana mitantana ny raharaham-pirenena sy ny tsy fahaizana mitondra dia tsy maintsy mandray andraikitra ny foloalindahy fa tsy tokony hijery fotsiny izany. Izany no maha tandroka aron’ny vozona koa ny foloalindahy. Izany no ipetrahan’ny teny filamatra hoe: “ho an’i Tanindrazana” izany.
Ankehitriny dia mahantra ny vahoaka malagasy maherin’ny 98% ny mponina tao anatin’ny 2 taona mahery kely. Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana. Atao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena dia ny hazo sarobidy(andramena…) sy ny harena an-kibon’ny tany. Ahodinkodin’ny mpitondra fanjakana ny volam-bahoaka, ka lasa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny asam-panjakana. Kolikoly avo lenta no heno amin’ny mpitondra ambony sy ny mpiasampanjakana ambony izay mahazo toerana. Tsy miafina intsony ny risoriso fa na kely na lehibe dia samy manao avokoa izany fa indrindra raha nahazo toerana izy ireny. Very hasina tanteraka ny firenena.
Eo anatrehan’izany rehetra izany dia tsy mihetsika ny foloalindahy. Manaraka ny ataon’ny mpitondra fotsiny. Ny Emmo-reg aza dia lasa hery famoretana ny vahoaka indray satria dia misakana ny fanehoan-kevitra ankalamanjana izay ataon’ireo vahoaka voaporitra sy tratran’ny tsindry hazo lena ireo, ary ny mitaky ny fahalalahana sy ny demôkrasia izay filamatry ny fanjakana amin’izao fotoana izao. Tsy manaraka ny andininy faha-10 amin’ny lalàmpanorenana intsony izay milaza ny zo fototry ny fahafahana sy ny fanehoan-kevitra. Ao anatin’ny demôkrasia dia mahazo milatsaka eny ankianja sy eny an-dalàmbe ny vahoaka haneho ny heviny rehefa tsy mahomby intsony ny fifanantonana amin’ny mpitondra sy ny entina. Na koa efa tsy vitan’ny adihevitra politika sy teknika ambony latabatra intsony ny raharaha. Hita manerana izao tontolo izao izany toa ny any Eoraopa sy Frantsa ary Amerika manontolo iny hatrany amin’ny faritra arabo iny. Dia mba aiza ho aiza amin’izany ny filamatra hoe : “ho an’ny Tanindrazana?”. Raha ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny dia tsy mandray ny andraikiny araka ny tokony ho izy intsony ny miaramila sy ny foloalindahy. Mpiaro fanjakana fotsiny sisa no hita ataony fa tsy mijery ny vahoaka sy ny fananany ary ny harem-pirenena lasa tantely afa-drakotra intsony izy ireo. Azo lazaina fa “tsy ho an’ny tanindrazana intsony” ankehitriny ny foloalindahy. Manjaka ny fitiavan-tena, ny fitiavam-bola, ny risoriso, ka izany no isan’ny mahatonga ny firenena toa izao. Isan’ny firenena mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara ankehitriny. Tsy miteny na kely ny foloalindahy, tsy manan-kambara, tsy manakana ary tsy mampitandrina ihany koa. Noho izany dia isan’ny tomponandraikitra amin’ny zavatra mahazo ny firenena izao ny foloalindahy.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao