Samy manana ny drafitra ho entiny mampandroso ny kaomininy ny tsirairay isaka ny distrika ao amin’ny faritra. Samy mila tohana izy ireo fa tsy mahavita tena. Ny fitambarany ao amin’ny OPCI na ny fikambanan’ny sampandraharaha miasa ho an’ny fanjakana ihany no fomba tokana ahafahan’ny faritra manampy azy ireo tsirairay mba tsy hisian’ny tombo sy hala. Anisan’ny mahita tombony amin’izany ny ao Antsirabe II ka ao ny OPCI Mazava aty avaratra ary ny OPCI Fandrosoana aty atsimo. Tsy afaka mitety ny kaominina tsirairay mantsy ny faritra amin’ny fampandrosoana ataony. Mora ihany koa ao amin’ny OPCI ny mametraka fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka toa ny ataon’ny ao Antsirabe II miaraka amin’ny fandaharan’asa MATOY an-dry zareo soisy amin’izao fotoana izao.
Fiompiana: Omby 600 natao vakisiny faobe
Ny talata 26 aprily teo no nisokatra teto amin’ny faritra Vakinankaratra ny fanaovana ny vaksiny faobe ny biby fiompy ka omby 600 eo ho eo no natao vaksiny faobe miaro amin’ny besoroka, behary avy mivalan-kibo izay mandripaka omby eto amin’ny faritra hoy ny ao amin’ny foibem-paritry ny fiompiana sy ny fambolena. Nisy koa ny fizarana ody kankana ho an’ny zanak’omby. Izany dia natao tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomanelatra ary natrehin’ireo mpitondra sy manam-pahefana isan-tokony eto amin’ny faritra. Ny association des vétérinaires na ADOVA no nanatanteraka izany. Ny ahavita ny tanjona 100% moa no tratrarina ary arovana miaraka amin’ny omby koa ny olona satria mahafaty ny behary raha mihinana ny henan’omby voan’io aretina io ny olona noho izy mifindra amin’ny olombelona.
Abel Ratsimbazafy