Naneho ny heviny momba ny vondrom-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar ny alarobia teo ny minisitry ny Fizahan-tany, Roland Ratsiraka. Ho azy dia ny fivarotana ny Air Madagascar ho an’ny sehatra tsy miankina (vahiny???°) no vahaolana amin’izy io. Noheverin’ny maro fa hevitry ny fitondram-panjakana malagasy amin’izao fotoana izany satria tsy hafa ny departemantan’ny fizahan-tany sy ny fitaterana an’habakabaka fa mifamatotra aina amin’io sehatr’asa iray io. Omaly anefa ny praiminisitra Olivier Mahafaly Solonandrasana dia nilaza fa “ny ezaka hanatsarana an’io orinasa Air Madagascar io izao no imasoan’ny fitondram-panjakana fa mbola tsy misy fieritreretana ny hivarotra azy izany”.

Midika avy hatrany aloha izany fa tsy hevitry ny fitondram-panjakana ny hivarotra ny Air Mad.

Na izany na tsy izany koa anefa dia sarotra ny hiantehitra an-jambany amin’izay nambaran’ingahy praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana satria toa tsy tena hentitra ny valin-teniny omaly fa hoe “mbola tsy misy fieritreretana ny hivarotra azy aloha”. Toa midika izany fa mety hiroso tampoka amin’izany ny fitondrana. Nahoana moa raha mitondra hevitra hentitra ny praiminisitra hoe “tsy hanaiky ny hivarotana ny Air Mad aho raha mbola izaho koa no Praiminisitra eto”’.

Dia mahatsiaro ny adihevitra niseho lany tamin’ny taona 1996 ny maro. Adihevitra goavana teto amin’ny tany sy ny firenena mantsy tamin’izany fotoana no nataon’ny praiminisitra Ratsirahonana raha nikatsaka ny fanamafisana ny toerany teo amin’ny fitantanam-panjakana izy. Tsy inona io fa ny fanolorany tolo-dalàna miisa 8 ary isan’izany ny nirakitra ny fivarotana an’ireo orinasam-pirenena niisa 45. Ny tanjony tamin’izany moa dia ny hahazoana vola avy amin’ny mpamatsy vola iraisampirenena rehefa nihantona nandritra ny fitondrana Zafy Albert.

Niseho lany ny adihevitra tamin’izany satria maro tamin’ireo fananam-pirenena ireo no tsy nankasitrahan’ny betsaka ny hivarotana azy, toa ny banky, ny Solima, ny Telma…. Ny Jirama sy ny Air Madagascar moa mba tsy tafiditra tamin’izany.

Nampalahelo fa vokatry ny fihoboan’ny fahasahiranana navelan’ny mpitondra tamin’ny Repoblika faharoa nandritra ny fitondrana Zafy Albert, satria hono nihantona ny famatsiam-bola avy any ivelany, dia roboka ny olona sasany ka nitehaka an-dRatsirahonana ho nahavaha ny olana.

Azo tokoa ny vola avy any ivelany fa tsy nahavaha ny olam-piainam-bahoaka izany. Tsy nanalefaka ny fahasahiranan’ny ambanilanitra akory fa ny trosa nanandevo ny vahoaka malagasy aza no nitombo vesatra.

Tonga indray ankehitriny, miasa mafy manasa ny ati-dohan’ny vahoaka ny mpanompolahin’ny mpamatsy vola iraisampirenena isany eto hoe “noho ny tsy mbola fahatongavan’ny vola avy any ivelany dia tsara raha arahina ara-bakiteny ny fepetra takian-dry zareo”. Isan’izany ny hoe “tsy mahazo manampy ara-bola (subvention) intsony an’ireo sehatra manavesatra ny fitantanam-bolam-panjakana.” Voatonona mivantana tamin’izany ny Jirama. Efa nanaovantsika lahatsoratra iray teto izany.

Azo antoka fa baiko avy amin’ny mpamatsy vola iraisampirenena koa ny tsy hanampian’ny fanjakana vola ny Air Madagascar intsony, ary ny ao ambadik’izay dia hoe “amidio rehefa tsy vitanareo ny manarina azy amin’izao”.

Ny tomponandraikitra sasany ara-panjakana koa efa mahita irika fa sehatra azo itavanana sy angoronan-karena io tontolon’ny fitaterana an’habakabaka io ka inian-dry zareo potehina ilay orinasam-pirenena Air Madagascar mba haharesy lahatra ny rehetra (???) fa ny fivarotana ny Air Madagascar no vahaolana. Dia io fa manomboka hita taratra izany, ary notsindrian’i Rado Rabarilala izany tamin’ny talata teo hoe “nasaina nanampy trotraka ny famotehana ny Air Mad io vahiny teratany kanadianina notendrena ho tale jeneralin’ny Air Mad io ka rehefa vita izay iraka nilàna azy izay teto dia “hisaorana” izy ka hiditra handray azy amin’ny tetika maloto efa maty paika ny Malagasy mpiara-miombona antoka amin’ny mpitondra, dia miliba ry zareo satria efa sata hafa no ijoroan’ny Air Mad fa tsy sata amin’ny maha-orinasam-pirenena azy intsony”.

Dia indro fa nasehon-dRatsitraka Roland ny tany an-tsainy, ka nahasahiany nilaza fa “raha ny fahitako azy dia vahaolana ny fivarotana ny Air Madagascar”.

Tsy tokony hohadinoina anefa fa Nosy i Madagasikara. Ny dikan’izany dia mitana anjara toerana goavana eo amin’ny fiainam-pirenena malagasy amin’ny ankapobeny ny fitaterana an’habakabaka. Mitaky ny fananan’ilay firenena orinasa hisahana azy izany ny fitaterana an’habakabaka fa tsy resaka fitaterana an’habakabaka ikatsahana tombontsoa manokana fotsiny ka hoe “efa misy orinasa maromaro misehatra eo, dia avelao hanjaka ny fifaninanana”. Inona no hanjo antsika raha tonga ny fotoana ka ahitan’ireo orinasa tsy miankina ireo tombontsoa any amin’ny toeran-kafa dia avelany eto i Madagasikara, na sanatria misy fifanolanana dia hataon’izy ireo ankivy eto isika amin’ny resaka fitaterana an’habakabaka ?

Ho hita eo raha ho sahy hiteny ny filoha Rajaonarimapianina hoe “tsy hevitry ny fitondram-panjakana iny nambaran’ny minisitra Ratsiraka Roland iny fa heviny samirery, fa ny fitondram-panjakana dia manamafy ny finiavany hanarina sy hikarakara ary hamelona sy hampiroborobo ny Air Mad”.