Miha miitatra ihany ny fanehoana tsy fahafaliana amin’izao fitondrana misy izao. Rehefa avy “nanao” ny mpianatry ny ambaratonga ambony, ny mpampianatra Fram, ny mpandraharahan’ny fonja, ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana, ny mpiofana ho dokotera, sy ny sisa… dia io fa midina an-dalambe koa ny olon-tsotra any amin’ny kartie isanisany any izay leon’ny fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama.
Ny amin’io farany io, izany hoe ny fidinan’ny olon-tsotra an-dalambe amin’ny andro alina, dia efa nitongavan’ny mpitandro ny filaminan’ny Emmo ary nanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ihany koa, hono, ny hetsika natao. Mba mahagaga ihany ny anton’izany, satria tena hetsika fitakiana tsotra, tsy misy loko pôlitika na kely aza, kanefa dia daroka no asetrin’ny olon’ny fitondrana azy. Inona àry no fahadisoan’ireo olona ireo raha maneho ny tsy fahafaliany amin’ny maha mpanjifa tsy afa-po azy izy ireo ê?... Raha ny fantatra mantsy dia tsy nisy lalana voasakana, tsy nisy fanimbana ny fitaovan’ny Jirama, tsy nisy fandrobana fananan’olona fa horakoraka sy kiakiakan’ny malahelo amin’ny manjo azy ihany no nisy. Tokony ho notorahina baomba mandatsa-dranomaso ve ny tahaka izany ê?... Sa tokony ho mbola nangatahina fahazoan-dalana tany amin’ny prefecture de police koa?...
Tsy nisy niomana na nifampiera ny amin’ny hidinan-dry zareo any an’arabe ireo olona ireo fa “nandeha ho azy”, araka ny fitenenana ny tamin’izany, rehefa leon’ny fahatapahan-jiro sy samy natahotra ny amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Tsy nisy tomponandraikitra tonga niatrika azy sy ny olany anefa ireo olona ireo fa ny “mpitandro ny filaminana” tokony ho niaro azy ireo sy niantoka ny aina sy ny fananan-dry zareo indray no tonga nandaroka azy ireo. Rariny ve izany, ary izany ve no andraikitr’ireo Emmo ireo?... Asa?
Ny any ivelany any, ary hita isan’andro amin’ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, dia afaka milahatra eny an-dalambe ary mivory eny amin’ireo kianja lehibe sy malalaka ny te haneho ny heviny. Hita eny koa ny mpitandro ny filaminana fa ny “mandamina” sy ny miambina an’ireo izay mitady hihoa-pefy no ataon’izy ireo. Tsy mipoaka ny azy ireo ny baomba mandatsa-dranomaso; tsy miasa ny kibay, raha tsy efa misy ny mitoraka azy ireo na ny mandroba magazay. Izany hoe afaka milahatra, mifamory sy mikabary miaraka amina fanamafisam-peo matanjaka mba ho ren’ny rehetra ny mpanao fitakiana na koa ny te haneho hevitra pôlitika. Tsy tahaka izany ny aty amintsika ê…
Ho avy ny andron’ny voalohan’ny volana may dia… inona indray no hitranga ê? Mipetraka ny fanontaniana satria dieny izao dia efa “nampitandrina” ny manam-pahefana isan-tokony fa hataon’izy ireo amin’ny fanaovana azy, araka ny fitenenana, izay hanao fihetsiketsehana kanefa tsy nahazo alalana. Mba mahagaga ny maro ihany moa io fangatahana alalana io, satria andro iraisam-pirenena, izany hoe eken’izao tontolo izao mba hanaovan’ny mpiasa hetsika io 1er may io fa dia isika ihany izany no hiavaka ê. Mbola fanontaniana hafa koa ny hoe maninona moa ireo sendika na ny mpiasa hafa koa no hangataka alalana, kanefa efa fantatra mazava fa tsy hisy hahazo izany na iza na iza raha tsy mpanohana ny fitondrana na koa mpankalaza ny frankôfônia. Ireto farany tsy mila mangataka alalana akory fa milaza fotsiny, raha hilaza aza, dia izay! Ny hafa noho ireo kosa dia… daroka ihany, daroka hatrany no miandry azy ireo raha vao tonga eny an’arabe. Izany no demôkrasian’ny Repoblika HVM!
Lalou