Tonga eto Antananarivo ny boky roa kaontenera izay nafaran’ny “Fondation Ravelonarivo Jean”, izay praiminisitra teo aloha. Izany boky izany dia hozaraina maimaimpoana amin’ny olona nokendreny hahazo izany sy ny sekoly nanafarana azy. Efa eto koa ny olona nanome ireo boky ireo ho an’ny zanaky ny malagasy. Hatao ao amin’ny tranombokim-pirenena ao Anosy ny fizarana ity boky ity androany zoma faha-29 aprily 2016 maraina. Nanaiky izany ny fanjakana sy ity minisitera ity hatrany am-boalohany izay efa ho volana iray mahery teo izay no nahazoana ny fanomezan-dalana. Ny alakamisy teo anefa dia gaga indray ny mpikambana ao amin’ny fikambanana “Fondation Jean Ravelonarivo” ity fa nahazo fanamarihana avy amin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Kolontsainy fa tsy azo atao ny mitonona ny anaran’ingahy Ravelonarivo mandritry ny fizarana.Tsy azo atao koa ny mitondra mpanao gazety amin’izany lanonana izany ary tsy azo atao ny fankalazana izany imason’ny be sy ny maro. Ny mpikambana ao amin’ity fikambanana ity dia tsy mahazo manao ny fanamiana fanaon’izy ireo amin’izao fizarana izao, ka mitondra ny anarana hoe “fondation Ravelonarivo koa mandritry ny lanonana. Izany hono dia noho ny baiko azon’ny sekretera jeneralin’ity minisitera ity avy eny Iavoloha. Asa izay hevitry ny fitondram-panjakana amin’izany fa zava-doza izany no mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsy mahazo manome fanomezana ny mpanao asa soa. Ny olona izay hamonjy ny vahoaka sahirana dia tsy mahazo manao izany. Ny fanomezana toa itony anefa no sisa antenain’ny vahoaka amin’izao fahantrana mihoampapana mahazo ny firenena izao. Ny dahalo sy ny mpangalatra angamba no mahazo manao zavatra eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao? Inoana fa raha mitohy izao sakantsakana ataon’ny fanjakana amin’ny olona mpanao asa soa eto Madagasikara izao dia mety hosakanana hatrany amin’ny Père Pedro aoriana kely ao. Toa izany koa ny fanenjehana an’ingahy Andry Rajoelina izay nitondra fanampiana tany amin’ny Keré tany atsimo volana vitsy lasa izay. Tamin’izay dia ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina mihitsy no nilaza tamin’ny fahitalavi-panjakana. Sakanan’ny fanjakana izay olona hanome zavatra eto amin’ny firenena ary ataony izay tsy handrenesana ny anarany. Ny fanjakana ity anefa sady tsy manao no tsy mahavaha olana mbola nampitombo izay tsy izy ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara. Efa tena fanapotehana ny taranaka malagasy mihitsy izao ataon’ny fanjakana izao. Boky izay ilain’ny zaza sy ny taranaka ary miantoka ny hoavin’ny firenena no tsy avela hozaraina amin’ny alalan’ny olona nanome azy. Olona toa inona no tadiavin’ny fanjakana hanampy azy? Moa ve tsy hamporisika ny olona hiraviravy tanana izao zava-doza ataon’ny fanjakana izao. Diso matahotra olona manao zavatra ho an’ny firenena loatra ity fanjakana ity ka tokony hiova amin’izany izy ireo satria voa mainka mahatonga ny olona tsy ho tia azy izany. Raha ny marina dia tokony hisaotra ny “Fondation Ravelonarivo Jean” ny fanjakana satria manampy zana-bahoaka ity fikambanana ity.
J.B.