Eo anatrehan’ny fahatongavan’ny fetin’ny asa 2016 izao dia mandeha be ankehitriny ny mahakasika ny olana sedrain’ny mpiasa malagasy. Voalohany indrindra amin’izany dia ny tsy fisian’ny tsenan’asa firy intsony ka mahazo vahana ny tsy fananan’asa intsony. Miakatra izay tsy izy ny tahan’ny olona mirenireny tsy misy hatao sy tsy manana asa (taux de chômage). Isan’ny tolona iray amin’ny firenena io fahaverezana asa io. Teto Madagasikara dia asa miisa 45 000 eo ho eo no very teto Antananarivo fotsiny tao anatin’ny krizy sy hatramin’izao fotoana izao. Sady tsy naharay ny tombotsoany izy ireny rehefa nesorina no tsy nisy koa ny fiarovana ara-tsosialy azy ka ny niafarany dia nivarilavo nankany amin’ny faritra arabo (Koweït, Liban, Arabie Saoudite…) ka dia lasa nivadika ho andevo tsy fidiny. Faty, figadrana, fanosihosena ny zo fototra maha olombelona ary daroka sy vono no niandry ny ankamaroan’izy ireny tamin’izany. Tsy vitsy amin’izy ireny no lasa adala noho ny toetra nataon’ny mpampiasa azy. Tsy ireo irery no manana olana amin’ny asa ankehitriny fa ny mpiasampanjakana koa. Tsy mitovy ankehitriny ny vola raisin’ny mpiasampanjakana izay mitovy lenta amin’ny diplaoma sy ny taona nianarana nahazoana izany, ary ny faharetan’ny taona niasana. Izay sokajin’asa manana olona bevava sy sahy miady ary atahoran’ny fanjakana noho ny fitokonany sy ny fahatahorana azy ireo hanohintohina ny fanjakana mijoro, dia nomena vahana ka nampidirina amin’ny fanomezana tombontsoa manokana. Dia nitsangana ny antsoina hoe “corps” ka nomena azy ireny ny tombontsoa manokana. Nitombo avo roa heny amin’ny karaman’ireo iray sokajy aminy izany. Tsy diso anefa ireto olona ireto satria mari-karama efa tamin’ny taona nahazoana ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960 no mbola ampiasaina eto amin’izao fotoana izao. Dia mazava hoa azy fa tsy mifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana intsony izany, ka izany no antony nahatonga ny mpiasa nanangana ny antsoina hoe “corps” io. Ny tsy afaka nanao izany dia nijanona amin’ny mari-karama natao tamin’ny 1960 ihany. Tsy izany ihany anefa no olana fa tao koa ankehitriny ny mahakasika ny fisotroan-dronono. Rehefa nisy ny hetsika sendikaly navaivay teto amin’ny firenena ny taona 90 iny dia nasiana ny antsoina hoe “indemnité d’installation” na ny tambin-karama amin’ny fandehanana misotro ronono. Natao koa izy io mba hampihenana ny mpiasampanjakana ka ho fampirisihina azy ireo hiala dia nomena ity “indemnité d’installation” ity izy ireny. Ny karama farany noraisina iny no nampitomboana 12 volana mba hanomanany ny fodiany hisotro ronono. Ampolon-taonany

maro no niaina izany ny mpiasampanjakana malagasy tsy misy ankanavaka. Ankehitriny àry dia mandeha be ny resaka fa hofoanan’ny fanjakan ity “indemnité d’installation” ity. Tany amin’ny faritanin’ny Fianarantsoa iny dia maro ny mpiasampanjakana no mangataka fandehanana misotro ronono alohan’ny fotoana amin’izao fotoana izao. Mandeha dia mandeha ny resaka ankehitriny fa hofoanan’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina io tombontsoa io atsy ho atsy. Tena miteraka savorovoro any amin’ny asam-panjakana izany satria ho maro ny olona hiala an-aharana noho izany amin’ity taona ity, ka tsy maintsy hisy fiantraikany any amin’ny asam-panjakana izany na tiana na tsy tiana. Ho an’ireo izay mbola tsy nandray fanapahan-kevitra indray dia mitebiteby fatratra toa ny sahobakaka ambody riana izy ireny amin’izany. Isan-taona aza dia mihena toa ny fen’antitra ny fisodrotana mahazatra izay 10% ka lasa 7% amin’izao andron’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao. Olana goavana no vokatr’izany. Nihena dia nihena ny fahavitrihan’ny mpiasampanjakana hiasa. Ny zavatra manahirana amin’izy ity dia tsy sahy milaza ampahibemaso ny fanafoanana izany ny fanjakana fa manely tsaho fotsiny ihany. Misy aza ny milaza fa efa hatao misoko mangina izy io satria atahorana hitroatra ny mpiasa.

Izany no zava-misy izay santionany amin’ny iainan’ny mpiasa ankehitriny. Tsy misy na dia fahatoniana fotsiny ihany fa feno tebiteby lalandava. Ny andron’ ny voalohan’ny volana may izay natokan’izao tontolo izao hankalazana ny fetin’ny mpiasa no isan’ny sehatra iray izay anehoan’ny sendika miaro ny zon’ny mpiasa amin’izany raharaha rehetra izany. Amin’io fotoana io koa no anehoan’ny mpiasa tsirairay ny tsindry hazo lena mahazo azy amin’ny asa ataony. Matetika dia fihetsiketsehana eny an-kianja no nankalazana io andro io maneran-tany na koa amin’ny alalan’ny filaharana eny amin’ny arabe. Itondrany ny sora-baventy hilazany ny olana mahazo azy izany na koa hitadiavana vahaolana amin’ny mpiasa sy mpampiasa. Manana zavatra maro hampitaina amin’ny fanjakana ny mpiasa malagasy amin’izao fetin’ny asa izao. Itambaran’ny mpiasa malagasy amin’ny mpiasa manerana ny tany izany. Tamin’ny repoblika voalohany sy faharoa dia fetibe ny fetin’ny voalohan’ny volana may. Isan’ny fety nalaza indrindra teto amin’ny firenena malagasy ny fankalazana azy io. Nanomboka ny taona 2002 dia tsy nisy fankalazana intsony ny fetin’ny asa. Amin’izao fotoana izao dia sakanan’ny fanjakana ny fankalazana ity fety ity ka tadiavina izay fomba rehetra tsy hisian’izany. Manana ny fandaharam-potoany anefa ny sendikan’ny mpiasa izay tsy manaiky ny tsy firaharahiana ny zony izao ka miady mafy amin’ny fanjakana izay mandeha nankany amin’ny didy jadona ankehitriny. Dia ho hitantsika ny fitakian’ny mpiasa raha toa ka hiaro ny fanafoanana’ny “indemnité d’installation” ity ny mpiasampanjakana malagasy ny alahady voalohan’ny volana may 2016 io.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao