Sendikan’ny mpiasa miisa 34 no tonga teny amin’ny kianjan’ Alarobia omaly alahady voalohan’ny volana may 2016. Olona miisa eo amin’ny manodidina ny 15 000 teo ho eo no namaly ny antson’ireo sendika izay notarihin’ny sendikan’ny mpanakanto ireo. Tamin’ity fotoana ity no nanambaran’ny mpiasa rehetra izay mivondrona na tsy mivondrona amin’ny sendika ny fahitany ny zavatra iainan’ny mpiasa eto Madagasikara amin’ny ankapobeny. Tamin’izany no nitambaran’izy ireo hevitra fa tsy mbola nisy fampijaliana ny mpiasa toa ny misy amin’izao fotoana izao. Ampagain’izy ireo fa ny fitondram-panjakana ankehitriny no fototr’izao fahantrana sy fahavoazana mihoa-pampana mianjady amin’ny mpiasa izao. Tsy afaka hivelona amin’ny asa ataony intsony ny mpiasa malagasy rehetra tsy misy ankanavaka hoy ihany izy ireo. Toa izao indrindra ny filazan’izy ireo ny fahitany ny raharaha ankehitriny : « Tsy mahavita azy ny filoham-pirenena, ka ny minisitra dia mpangalatra fotsiny ihany. Ny fanjakana dia mpivarotra tanindrazana amin’ny vahiny dia ny sinoa sy ny karana ary ireo vazaha. Ny harem-pirenena “bois des roses” dia lasa fidiram-bola manokan’ny filoham-pirenena sy ny minisitra ihany hatramin’izao. Ny asa ataon’ny orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana (marché public », dia tsy manaraka ny fenitra takian’ny lalàna intsony fa atao fangalaram-bola ao amin’ny fanjakana ankehitriny. Tsy misy intsony ny fijeren’ny fanjakana ny mpiasa na kely aza fa toy ny tsy misy fanjakana intsony eto. Nangataka ny hanafoanana ny fivoriana antampony ny tany miteny ampahany sy tanteraka ny teny frantsay koa ireo sendika ireo raha toa ka tsy averin’i Lafrantsa amin’ny malagasy ny nosy manodidina rehetra. Ny vaha olana ho an’ireto mpiasa sy ny sendika izay namaly ny antson’ny sendikan’ny mpanakanto teny amin’ny kianjan’Alarobia omaly 01 may 2016 tolakandro teo dia ny fialan’ny filoham-pirenena amin’ny asany sy ny governemanta tarihiny satria tsy mahavita azy fa sady mpangalatra hono no mpampijaly ny mpiasa. Mangataka ny malagasy hiray hina sy hijoro amin’izay izy ireo hiaro ny mpiasa sy ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny. Azo lazaina fa ireo mpiasa marobe izay namaly ny fiantsoan’ny sendika ity dia olona mahatsapa ny tsy rariny ataon’ny fanjakana avokoa.
J. B.