Tamin’ny sabotsy faha 30 aprily 2016, tamin’ny 6ora 45 minitra hariva, dia tonga teny Andohan’i Mandroseza ny Emmo/reg, ka tovolahy miisa 7 no voalazan’ny mponina fa nosamborina natao sambo-dokotra teny amin’ity toerana ity. Izany dia tao aorian’ny fanentanana nataon’ny fiarakodia iray izay nitondra fanamafisampeo ka nanainga ny olona hanatrika ny fanehoan-kevitra hataon’ny mpiasa sy ny sendika izay natao teny amin’ny kianjan’ Alorobia, omaly 01 may 2016. Tsy nisy fanazavana tsy nisy resaka fa dia efa notsimponin’ireto Emmo/ reg ireto ireo olona 7 ireo, ka nentiny nanaraka azy ireo. Mbola misy aza hono mbola tadiavin’izy ireo fa mbola tsy azony aloha hatramin’izao. Izany rehetra izany dia teo akaikin’ny trano ipetrahan’ny senatera Lylison dit Réné no nitranga. Vokatr’izany dia nanao sakana teo amin’ity toerana ity ny mponina eny amin’ity toerana ity ny asabotsy alina sy ny alahady 01 may teo hatramin’ny valo ora maraina. Tsy azo naleha iny làlana mankeny Ambohipo iny tamin’io fotoana io. Tamin’ny alahady tamin’ny 6 ora maraina vao tonga teny an-toerana ny Emmo/reg nandrava ity sakana ity. Afaka adiny 2 taorian’ izay anefa dia niverina indray ilay sakana nataon’ny vahoaka raha vao niala ireo mpitandro ny filaminana ireo. Tamin’ny 9 ora maraina indray vao tonga ny polisy nandrava ny sakana. Nambenana hatramin’ny naha hariva ny andro io làlana io omaly tontolo andro.

Miha mitombo andro aman’alina ny fanamparam-pahefana ataon’ity fanjakana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina ity amin’izao fotoana izao hoy ireo olona nahita ny fisamborana teo. Mitarika fitokonanana maro eto Antananarivo izany ankehitriny. Azo lazaina fa miditra ao anatin’ny krizy vaovao indray i Madagasikara ankehitriny, ka tokony hisy ny famahana olana maika amin’izany dieny mbola manomboka toa izao ity raharaha ity. Toa izao hatrany no fiantombohan’ny fihetseham-bahoaka nitranga teto Madagasikara hatramin’izay ka aoka ny fanjakana hijery izany haingana ary hitondra vahaolana.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao