Nokororohan’ny vondromben’ny sendika miara-dia eo anivon’ny afo sendikaly tamin’ny alalan’i Maharavo Ratolojanahary, avy amin’ny sendikan’ny administratera sivila teny amin’ny kianjan’Alarobia ny alahady teo ny fisian’andiam-behivavy tsy maty manota fa mpanao kolikoly ao an-dapan’i Iavoloha ao.

Tsy maintsy atsahatra amin’izany asan-kolikoly avo lenta fanaony izany izy ireo ka hitondra ny raharaha eny anivon’ny Bianco izahay izao. Omaly moa no nanateran’izy ireo an’io fitoriana io eny amin’ny Bianco.

Tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao maro ireo andiam-behivavy ireo fa ny vadin’ingahy filoha, rtoa Claudine Razaimamonjy, ary ao koa ry Me Nicole Randrianarivoson.

Tsy nohadinoin-dRatolojanahary Maharavo koa ny zava-nisy tany amin’ny kaominin’Ambohimahamasina any Ambalavao, faritra Mahatsiatra Ambony, izay isan’ny nitrangan’ny kolikoly avo lenta tamin’ny volam-panjakana mananika ny 2.000 tapitrisa iamg, ka nahavoantonona an-drtoa Claudine Razaimamonjy mbamin’ny fanaovana asam-panjakana (marché public) izay nitsikombakomban’io vehivavy io tamin’ny tomponandraiki-panjakana ambony. Voatonona mivantana tamin’ireny karazan-draharaha ireny ny praiminisitra ankehitriny, Mahalafy Olivier Solonandrasana, fony izy minisitry ny Atitany fotsiny, ary mety tsy ho afa-bela koa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Paul Rabary tamin’ny resaka fanavaozana sy fanamboarana sekolim-panjakana, ka nifamatopatotra tamin-drtoa Claudine Razaimamonjy.

Odian-tsy fantatra koa ve fa hatramin’ny fianakaviambe iraisampirenena no tsy tompon-trano mihono tamin’ny fanamparam-pahefana nataon’ny minisitry ny Atitany; Solonandrasana Olivier Mahafaly tamin’ny volana desambra, nandritry ny fifidianana loholona, izay nanao kolikoly avo lenta niharo fandrahonana ny filohan’ny filankevitra kaominaly iray any amin’ny faritr’i Sofia, satria tsy nanaiky nanatanteraka ny baiko nombam-panambazana vola ho amin’ny fandrotsaham-bato ho an’ny kandida Hvm tamin’izay.

Tsy hamelanay raha tsy mivoaka ny marina momba ny kolikoly avo lenta eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy ny sendikalista iray eo anivon’ny mpiasampanjakana, satria fantatray fa tsy maintsy alaim-panahy hanao kiantrano an-trano ny fitoriana an’ireo mpiray tsikombakomba aminy ny fitondrana foibe sy ny any an-dapa, ho fanotofana ny raharaha tsy hitohy ka ho faty momoka any, hoy ihany ity sendikalista mpiasampanjakana iray ity. Fantatray ange fa isan’ny antony nampifandona ny filohampirenena Rajaonarimampianina tamin’ny praiminisitra teo aloha, Ravelonarivo, ity resaka kolikoly avo lenta ao an-dapa sy any amin’ny rafi-panjakana ambony maro ity, hoy hatrany ny avy amin’ny afo sendikaly.

Tsy maintsy arahi-maso akaiky kosa ny fizotry ny raharaham-pitorianay ary arovana araka izay tratry ny hery ny tomponandraikitra mijoro hisahana ny raharaha sy hanao ny fanadihadiana amin’ny tranga avo lenta toa izao, hoy kosa ny mpitarika iray avy amin’ny foibe sendikaly iray miara-dia ao anivon’ny Ctm (conference des travailleurs malagasy = fiaraha-midiniky ny mpiasa malagasy). Nomarihiny mantsy fa “antony nanaisorana ny kaomandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena farany teo tamin’ny andraikiny ny nandraisany andraikitra ho amin’ny fisamborana an-dRtoa Claudine Razaimamonjy, saingy tsy nahafaly ny tany an-dapa izany no nosakanany, ary ny setriny na ny takalony dia ny nanalana an’io manamboninahitra jeneraly eo anivon’ny zandary io tamin’ny asany.”

Hafa ny raharaha namotsorana an’i Bekasy teo amin’ny kolikoly momba ny andramena, satria ry zareo mpitondra ankehitriny sy ny olomboafidy sasany dia niara-nitavana vola tamin’i Bekasy tamin’ireny fifidianana solombava-mbahoaka sy tamin’ireny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filohampirenena tamin’ny 2013 ireny , hoy hatrany ny fanazavan’ireto sendikalista ireto.

Marobe ny famatsiam-bola avy any ivelany tokony ho azontsika Malagasy mba hikarakarana ny fampivelarana ny tontolom-piarahamonina eto, ary tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny tontolon’ny asa sy ny tokony hampivoarana ny fiainan’ny mpiasa malagasy amin’ny ankapobeny, hoy ihany Ratolojanahary Maharavo, nefa noho ny kolikolin’ireo mpitondra ambony sy ny mpiray tsikombakomba maloto amin-dry zareo, dia mihantona izany, ary mety hafoy akory aza.