Heverina fa tsy hohadinoin’ny vahoaka malagasy ny vontoatin’ilay satan’i Lambert na “Charte Lambert” tamin’ny fanjakan-dRadama II, dia ny nifanarahany tamin’ny vahiny fa “rehefa tonga eo amin’ny seza fiandrianany izy dia homeny ny vahiny ny tapany avaratr’i Madagasikara fa ny tapany atsimo no hotantaniny amin’ny maha-mpanjaka azy.

Tamin’ny fitondrana Ravalomanana koa dia nisy ny fivarotana velaran-tany midadasika hatramin’ny 1 300 000 ha tamin’ny vondrombarotra koreanina tatsimo Daewoo. Miendrika varotra tanindrazana mivantana avokoa ireny, hoy ny mpanara-maso. Ny nosoniavin-dRajaonarimampianina tatsy amin’ny Nosy Maorisy fotsiny, any amin’iny faritr’Anosy any Taolagnaro iny dia efa 450 Km2. Ny lasan’ny vahiny any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy dia tsy hita refy intsony satria mitombo isanandro. Ny any Nosibe Hell-Ville dia re fa tsy ho ela dia mety tsy an’ny Malagasy intsony koa. Ny ao amin’ny faritr’i Sofia izao no nohamafisin’ny Loholona Lylison fa efa nisy ny famariparitana sy fametrahana tsatoka satria nisy fifanarahana avo lenta tamin’ny manampahefana ara-panjakana tamin’ny vahiny. Voatondron’ny loholona Lylison ho tomponandraikitra voalohany tamin’io fanomezana ny tany midadasika any Sofia io ny vahiny i Eric Razafimandimby, mpanolotsaina manokan’ny filohampirenena Rajaonarimampianina ary lasa minisitry ny Asa vaventy amin’izao fotoana.

Miteraka tsy fankatoavana avy amin’ny mponin’i Sofia izany rehetra izany, ary samy mahatsapa ny maro any an-toerana fa tsy mijanona eo amin’ny minisitry ny Asa vaventy ity fivarotan-tanindrazana ataon-dRazafimandimby Eric ity fa mipaka sy miainga avy any an-dapa mihitsy. Na nahazoana tso-drano avy any amin’ny filohampirenena na nobaikoiny mihitsy satria misy tombontsoa manokana andrandrainy, hoy ny loholona Lylison tamin’izy nitondra fanazavana momba ity raharaha ity.

Isan’ny antony sy teboka mamatotra andraikitra ny filohampirenena amin’ireo fandikan-dalàna marobe nataony izao resaka fivarotana tany amin’ny vahiny any amin’ny faritra Sofia izao, hoy ihany ny loholona Lylison, ka tsy hanaiky lembenana ny amin’izany mihitsy izahay.

Notsipihin’ity loholon’i Madagasikara ity fa “ny fandrebirebena ny vahoakan’i Sofia sy ny fandrahonana an’izay tsy manaiky lembenana amin’izao fivarotan-tanindrazana izao no tena foto-dian’ny praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana sy ny minisitry ny Asa vaventy, Eric Razafimandimby tany ny zoma teo.

Nisarika ny sain’ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny ny loholona Lylison hanana fahasahiana hijoro hanohitra ny fivarotan-tanindrazana sy ny fanitsakitsahana ny lalàna velona ataon’ny filohampirenena Rajaonarimampianina sy ny namany ao anatin’izao fitondrana ankehitriny izao.