Niteraka adihevitra be teo amin’ny samy mpanaraka ny raharaham-pirenena ny amin’iny famoriam-bahoaka nataon’ny sendikan’ny mpiasa maromaro tetsy Alarobia ny alahady faha-1 may lasa teo iny. Samy nanana ny fahitany azy ny isanisany ka tao no nilaza ny hoe vitsy ny nanoina ny antso: tao koa ny nahita fa efa betsaka ireny raha dinihina ny halaviran’ny toerana sy ny “fifaninanana” tamin’ireo fampisehoana nataon’ny artista goavana nisy tamin’iny andro iny. Tsy azo odian-tsy fantatra koa anefa fa arakaraka ny maha mpomba na tsy mankasitraka ny fitondrana no fomba fahitana ê…

Na izany na tsy izany kosa anefa dia tsy maintsy lazaina ny hoe olona tena efa leo, ary tena vonona ny hamoaka ny alahelony ireny tonga teny ireny. Ny tsapa teny mantsy dia tsy ny teny ambony sehatra no tena fanentanana, izany hoe tsy ny niteny tamin’ny fanamafisam-peo no tena nampita ny heviny sy ny alahelony fa ny “mpanatrika” tety ambany. Hita nazava fa tsy dia ny hijery ny fanafanan’ireo mpanakanto no nalehan’ny maro teny fa ny nifankahery sy ny nifanentana ho amin’ny fikarohana ny “vahaolana” hialana amin’izao nolazain-dry zareo teny fa “fanjakana mangarom-paosy” izao.

Araka izany dia hita ho tsy noraharahian’ny tonga teny loatra izay fahavitsiana na fahamaroan’ny olona, fa ny azo antoka dia ny hitohizan’ny fifanentanana hita teny. Hitohy io fifanentanana io any amin’ny toeram-piasana sy any amin’ny fiarahamonina rehetra any koa asa izay ho fandehany ?... Tokony hampieritreritra ireo eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana ny amin’izany, satria ny voamarika koa dia ny hoe tsy ny mpiasa nahazatra hatramin’izay ihany, izany hoe ny mpiasampanjakana sy ny mpiasan’ny tsy miankina ihany no hita teny fa tao dia tao koa, ary maro ny mpiasa tena, toa ny mpivarotra sy ny mpanao asa tanana, ohatra. Hita teny avokoa ireo sokajin’olona ao anaty fiarahamonina amin’izao fotoana izao ka ny azo antoka dia ny hitomboan’ny isa, raha misy ny “hetsika” manaraka.

Lazaina izany rehetra izany, satria tsaroana ihany ny nisy teo aloha. Hatramin’izay tokoa mantsy dia nohamaivanin’ny tandapa mpifikitra amin’ny toerany foana ny hetsika toa ireny, indrindra tamin’ny fiandohany, ka efa tsy tohitra intsony vao nikoropaka ny arovan-dry zareo teo amin’ny fitondrana. Diso aoriana loatra izany “fahatairana” izany ka ireny niaraha-nahita ireny ny nihafaran-dry zareo.

Mivoatra ihany anefa ny fisainan’ny vahoaka fa tsy tahaka ny taloha intsony ka hoe hitsoaka “kely” any ivelany aloha dia ho tafaverina eto ihany afaka fotoana fohy na elaela. Mahafantatra an’izany ny mpitondra voaongana farany, satria “sahirankirana” ihany tamin’ny nahatafidirany teto tamin’iny “fiverenany” iny.

Izany rehetra izany no ampitandremana ny mpitondra antsika, sao ka ho “voafitaka” tahaka ireo teo alohany koa. Fitandremana inona anefa moa no tokony hataon-dry zareo afa-tsy ny fihainoana ny fitarainan’ny vahoaka sy ny fanatanterahana ny fampanantenana nataony ihany ê ?...

Na ireo tandapa mpamahan-dalitra ny mpamelona azy ireo koa aza dia tokony hitandrina ihany koa, satria tsy ho tahaka ny taloha intsony ny ho rahampitso ka hoe mbola ho afaka hamadibadika palitao ihany…

Efa tonga saina ny maro koa… mitandrema ihany ê !

Lalou