Ny alahady voalohan’ny volana may 2016 nifoha alatsinainy tamin’ny 2ora maraina dia vaky ny fonjabe ao Bazaribe ao Toliara. Gadra miisa 41 no voalaza fa nandositra tao amin’ity fonja ity. Ny gadra iray dia voatifitra teo anoloan’ny fonja ka tsaboina ao amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao. Nisy koa gadra 7 hafa azon’ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpiandry fonja. Ny 33 indray dia mbola ifampitadiavana any Toliara amin’izao fotoana izao. Tany amin’ny fokontany antsoina hoe Sanfily no azo ireto gadra ireto, izay voalaza fa toerana nandosiran’izy rehetra. Nisy fiarakodia iray fotsy ny lokony no isan’ny nitondra ireo gadra nandositra rehefa taorian’ny fahavakisan’ny fonja ity. Ny fonja izay voalaza fa avy aty ivelany no nisy namoha ny varavarana fidirana ao aminy ka nisian’izao fandosirana izao. Tsy nisy zavatra nataon’ireo gadra avy ao anatiny amin’ny fandehanan’izy ireo hitsoaka, fa avy aty ivelany avokoa ny tetika tamin’izany. Ny alatsinainy maraina faha-02 may 2016 tokony ho tamin’ny 8 ora dia nanafika ny toby fivarotan-tsolika Jovenna an’i Tovo teo Sanfily ny ampahany tamin’ireo gadra ireo. Nataon’izy ireo takalon’aina ny mpividy
solika teo amin’ity toerana ity sy ny mpivarotra teo. Vola mitentina « 350 millions Fmg » ka hatrany amin’ny « 400 millions fmg» no voalaza aloha fa lasan’ireo gadra nandositra ireo hatramin’izao. Nirongo basy kalaky ireto mpanafika ireto. Tsy nisy nahasahy nanohitra ny olona rehetra manodidina fa niandry izay nataon’ireto gadra nandositra ireto. Hatramin’izao anefa dia tsy nisy ny olona maty teo amin’ity raharaha ity. Nanomboka ny alahady tamin’ny 2 ora maraina io dia fifampitifirana no nanakoako tao Toliara, indrindra fa tamin’ireo toerana manodidina ny bazaribe izay misy ity fonja ity. Ny marainan’ny alatsinainy dia nihidy avokoa ny ankamaroan’ny toerana fivarotana tao an-tanànan’i Toliara. Maro koa ny ray aman-drenin’ny mpianatra no tsy namela ny zanany handeha hianatra ary nisy aza ny sekoly sasany no voatery nikatona aloha, satria maro tamin’ireo ray aman-dreny no naka ny zaza efa nianatra. Hatramin’izao aloha dia mbola tsy fantatra mazava tsara ny anton’ny fahavakisan’ny fonjabe ao Bazaribe ao Toliara izao. Iza no olona namoha ny varavaran’ny fonja avy aty ivelany izao? Raha ny filazan’ireo nahita ny raharaha tany an-toerana dia efa tetika maty paika, ary efa nomanina tao anatin’ny fotoana maro izao. Azo lazaina fa tsara homana tanteraka ny fahavakisan’ny fonja ao Toliara izao. Porofon’izany dia ny filazana fa efa nisy ny fiara iray niandry ireo voafonja sasany taty ivelany ka nitondra ny voafonja sasany tamin’izany nandositra. Faharoa dia ny fandosiran’izy ireo tany amin’ny fokontany Sanfily ny ankamaroany. Fahatelo dia ny nahazoan’izy ireo basy kalaky izay nentiny nanafika ilay Jovenna, ary ny tsy nahitana ny nandehanany rehefa avy eo. Azo lazaina koa ve fa misy iray tsikombakomba amin’ity fahavakisan’ny fonja ity ny mpandraharahan’ny fonja ao Toliara ? Misy koa aza no milaza fa mety tetika ampiasain’ny fanjakana koa mba hampijanonana ny fitakiana ataon’ny mpandraharahan’ny fonja koa ity raharaha ity. Tao anatin’ny iray volana teo izay dia manao fitakiana ny mpandraharahan’ny fonja manerana an’i Madagasikara sy ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana. Misy ifandraisany amin’izany ve izao raharaha any Toliara izao sa dia fandosirana nataon’ny gadra fotsiny ihany ? Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana no hahafantarana ny tena marina amin’ity raharaha ity.Mihorohoro tanteraka ankehitriny ny any an-toerana.