Olana momba ny fizaka-manana tany any amin’ny fokontany Sahisarotra any amin’ny kaominin’i Manandaza any amin’ny distrikan’i Miandrivazo ity niakaran’ny fokonolona avy any eto Antananarivo ity. Omaly dia nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo.
Velaran-tany 317 ha any amin’ity fokontany ity no fototry ny olana. Tanin’ny voanjo fahiny izy io, ary rehefa lasa ny voanjo dia ny fokonolona no nanajary sy nanamaintimolaly azy. Fianakaviana 3 000 izao no manabe voho azy io.
Tonga ny taranak’ireo voanjo fahiny dia sahy misoloky ny sonian’ny ben’ny tanàna teo aloha ho nanome alalana azy ireo hizaka manana indray ny tany. Isan’ireo solontenam-pokonolona niakatra eto Antananarivo io ben’ny tanàna teo aloha io, dia i Ialy, izany. Nolaviny ny fanosoram-potaka azy amin’izany fisolokiana izany. Manahy mafy ny ainy koa moa izy satria misy amin’ireo mpiara-monina no avy hatrany dia mihevitra azy ho nanao an’io taratasy voasoniany io ka nanome alalana an’ireo vahiny. Iantefan’ny fandrahonana izy.
Nisy koa ny antontan-taratasy hafa izay nasehon’ireo taranaky ny voanjo fahiny. Ireo taratasy ireo izay mirakitra karazana fifanaraham-pivarotana ny tany avy amin’ireo nanamaintimolaly sy nanajary an’ilay tany. Dia hoe vita sonian’ireo fokonolona.
Hosoka koa izy ireo, hoy hatrany ny solontenan’ireo fokonolona, ka mitaky ny tomponandraiki-panjakana mba handray andraikitra dia hampanao fanadihadiana ary famotorana momba izao raharaha izao. Avelao ny malagasy hanohy ny fanamaintisamolaly ny tany fa tsy mety raha ny taranaky ny voanjo indray no haverina eto. Sao lahy ka efa misy fifanarahana ambadika mbola afenina àry any ho any, izay mamerina ny fanjanahan-tany eto ?
Tsy hanaiky lembenana amin’izany rehetra izany aloha ireto fokonolona satria tsy vao roa na telo taona izy ireo no nanajary teo fa efa ampolon-taonany maro, hatramin’ny nahalasanan’ireo voanjo teto.