Amin’ity volana may ity no voalaza fa hahatongavan’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, Ban Ki-Moon, hitsidika eto amintsika. Mazava ho azy fa dia efa be ny fiomanana ho amin’izany ao amin’ny fitondrana ao. Vahiny lehibe manan-kaja toa azy io kosa ve ?...
Ny mpitondra mitomany voninahitra no maimay amin’izy io fa ny hevitry ny vahoaka kosa mba manao ahoana ê?... Raha ny maro tamin’ireo nametrahana fanontaniana aloha dia tsapa fa tsy miraika amin’izany. “Tsy hampiova ny kapoakam-bary hirotsaka ao am-bilaninay izany”, hoy ny azo hamintinana ny valiny. Tsy raharahian’ny ankamaroan’ny malagasy tokoa ny momba izany Firenena mikambana sy ny sekretera jeneraliny izany, satria na ireo azo lazaina ho manana ny fahalalana kely aza tsy mahatadidy afa-tsy ny “fanasaziana” nataon’io fikambanam-be io tamintsika. Nosazian-dry zareo isika raha nitady fitondram-panjakana hafa metimety kokoa sy antenaina mba hijery manokana ny fahoriam-bahoaka. Na nisy koa aza mantsy ny “fanampiana” azo avy amin-dry zareo ireo dia tsy tsapan’ny malagasy loatra ny fiantraikan’izany tamin’ny fiainany fa ny tany ambony any ihany no nankalaza izany.
Tsy ny valalabemandry ihany anefa fa na ny maro amin’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena koa dia mba velom-panontaniana ny amin’ny anton-dian’io Rangahy io aty amintsika. Hanao inona aty àry izy io ê?... Mipetraka ny fanontaniana, satria iarahan’ny rehetra mahalala fa efa ho tapitra atsy ho atsy ny fe-potoam-piasany amin’ny maha Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana azy, koa nahoana no ho izao izy vao ho avy… fa taiza foana izay elabe nisian’ny fahasahiranan’ny Malagasy izay ?...
Mihoatra noho izay aza dia mahagaga ny maro koa ny “fahasahiany” ho tonga aty amintsika raha heverina ny hoe tsy nisy na inona na inona vitany ny amin’ny momba ireo nosintsika ao amin’ny manodidina, na ny “Îles éparses” araka ny filaza azy mahazatra, kanefa dia fanapahan’ny Firenena mikambana efa tamin’ny taona 1979 izao no “nandidy” ny ho namerenan’ny frantsay azy ho an’ny malagasy. Ho avy aty handatsa antsika àry ve ?...
Tsy ny momba ny tanin’ny malagasy ihany no maha “moana sy malemy” ny Firenena mikambana fa ao koa, ohatra, ny an-dry zareo palestinianina izay zanahin’ny israelianina; ny an’ny arabo saharaoita ibahanan’ny maraokanina; ny an’ny ukrainianina izay bodoin’i Rosia, sy ny sisa ê… Raha hotsorina dia toy ny” angady tsy mahatapaka ahitra”, araka ny fitenenana io Rangahy io sy ny fikambanam-be tarihiny fa mpananihany ny “madinika” eran’izao tontolo izao fotsiny. Koa hanao inona aty marina àry ê ?...
Ny mpanao vazivazy zary tenany moa dia manana ny fanazavany manao hoe efa mba vizana kosa izy tamin’izay elabe niasany tao amin’ny Firenena mikambana izay, ary efa tsy ho afaka ny hiverina amin’ny asany intsony ka dia mba tonga hiala sasatra ê. Ny eto amintsika koa moa efa malaza no sady hita maso fa mpandray sy mpiondrika amin’ny vazaha koa dia araraotiny fa aiza eto amin’izao tontolo izao, ankoatra ny eto Madagasikara no hahitany mpanompo tia izany ?...
“Vazivazy iray an-dalana”, hoy ny fitenenana, kanefa dia mbola mitoetra ihany ilay fanontaniana: hanao inona aty rangahy io ê ?...
Lalou