Omaly talata faha-03 may 2016 no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoanan’ny antenimierampirenena sy ny antenimierandoholona voalohany amin’ity taona 2016 ity. Ny an’ireo depiote dia ny maraina no nanaovana izany teny amin’ny lapam-panjakana teny Tsimbazaza, ary ny an’ny senatera kosa dia tetsy amin’ny lapa maitso tetsy Anosy. Teny Tsimbazaza dia naompan’ingahy Rakotomamonjy Jean Max taminy ny mahakasika ny demôkrasia ny lahateniny, teo koa ny mahakasika ny fiarahany miasa amin’ny governemanta ary ny fandaniana tolo-dalàna. Nasiany teny koa ny mahakasika ny vola ho fampandrosoana any ifotony izay ho an’y CLD (komitin’ny fampandrosoana ifotony) izay hiarahan’ny depiote amin’ny mpanatanteraka any amin’ny vondrombahoakam-paritra, izay efa tokony hampiasaina amin’izao fotoana izao nefa mbola tsy avokan’ny minisitry ny Vola hatrany. Natsidiny koa ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony maromaro izay hatao eto Madagasikara amin’ity taona ity. Niaiky anefa ny filohan’ny antenimierampirenena fa ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny vahoaka malagasy ka mila tetika maika hiadiana amin’izany. Natolotra omaly koa ireo depiote vaovao 5 mirahalahy izay nisolo toerana ireo lasa senatera sy lasa ministra.
Tetsy Anosikely indray dia ny tolakandro no natao ny lanonana fanokafana izany fivoriana izany. Natao omaly koa ny fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny lapan’ny antenimieran-doholona ity. Ny sarin’ireo filohan’ny antenimierandoholona nanomboka tamin’ny taona 1959 izay nisokafan’ity andrimpanjakana ity no nanamarihana izany, na dia nisy aza ny fotoana izay tsy nisian’ity andrimpanjakana ity taorian’ny taona 1972 ka hatramin’ny taona 1993, na dia ny taona 2001 vao tafatsangana ity andrimpanjakana ity. Tsara hotsiahivina amin’izany ingahy Gabriel Rajaonson (1959-1960), Jules Ravony (1960-1963), Siméon Japhet (1963-1972), Honoré Rakotomanana (2001-2002), Rajemison Rakotomaharo (2002-2008), Yvan Andrianasandratriniony (2008-2009), ( 2010-2015) dia ny jeneraly Rasolosoa Dolin no filohan’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) izay niandraikitra ny asan’ny filohan’ny loholona. Nanomboka ny taona 2016 izao indray dia niverina amin’izany ingahy Rakotomanana Honoré. Ny asan’ny antenimirandoholona dia manao lalàna sy misolo ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary mpanolotsainan’ ny governemanta amin’ny lafiny ara-toekarena sy sosialy. Naompan’ingahy Honoré Rakotomanana tamin’ny fananarana ny lahateniny mba hisian’ny fampandrosoana. Nasongadiny koa fa mijaly ny Malagasy fa lasa nahantra tanteraka. Nohamafisin’ity mpahay lalàna ity fa ny lalàmpanorenana amin’izao fotoana izao no isan’ny antony mahatonga izany fahantrana izany. Miteraka adihevitra mifanipaka tanteraka ho an’ny Malagasy ity lalàmpanorenana ity hoy izy.
Ny fialana amin’izany fahantrana izany dia miankina tanteraka amin’ny governemanta izay mpanatanteraka. Hatramin’izao aloha dia mbola tsy misy azo lazaina fa misy volavolan-dalàna mipetraka tsara amin’ny ady amin’ny fahantrana ataon’ny depiote sy ny senatera ary atolotry ny governemanta. Mbola raikitra amin’ny famonoana afo no tena ady mandany ron-doha ny mpitondra ankehitriny noho ny fihetsiketsehana fanoherana manomboka mahazo vahana amin’izao fotoana izao.
Jesy Rabelaolao