Ity sekoly “La Pépite d’Or III” eny Ambohimanarina ity no ianaran’ireo ankizy niharam-boina vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Mahitsy ny zoma lasa teo. Tsy tsiahivina intsony ny tranga fa niteraka fahafatesana maro sy faharatrana marobe.

Misy mitetika hanararaotra an’iny tranga iny ny sasany ka miezaka manao sahoan-dresaka tsy marim-pototra. Ao anatin’izany no itrangan’ny endri-pandrahonana isan-karazany. Ny hafa aza mitady lalana hanaovana fitaovana fanararaotana ny zava-nisy any ambadika any.

Marobe moa ny tsara sitra-po avy hatrany dia tonga nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana sy ho fampaharezana an’ireo marary sy ny naratra mbamin’ny ray aman-dreniny. Nisy ny nanao fitaovana politika, toa ny mpitondra. Ireo ray aman-drenin’ireo tra-pahavoazana moa omaly dia maro no nijoro vavolombelona ka nilaza ha «hatrany amboalohany no nijoro nandray ny andraikiny ary tsy mitsahatra hatramin’izao ny tomponandraikitra rehetra ao anivon’ny sekoly La Pépite d’Or» ka isaorana azy ireo, ary tsy azo hohadinoina koa ny maneho fankasitrahana an’ireo rehetra nentanin’ny fitiavana, tsara sitra-po nitondra izay foiny hanampiana sy hitsaboana ary hankaherezana ny tra-pahavoazana.

Marihina fa ny fanampim-panazavana avy amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ihany no nahenoana omaly fa « isan’ny nandeha nanaraka ny zanakay tany amin’ity fitsangatsanganaa teny Andranovelona ity izahay fa nieren-doza satria tamin’ny fiara hafa. Ity Sekoly La Pepite d’Or ity dia miezaka manao izay rehetra hanomezana fivelarana ny mpianatra ao, ary isan’izany io fitsangatsanganana sy fitsidihana faritra tamin’ny zoma io. Saika 100% hatrany ny voka-panadinana mivoaka avy amin’izy io, ary izany fahombiazana izany dia mendri-piderana, hoy izy ireo, ary isaorana ny tompon’ny sekoly sy ny mpiandraikitra rehetra ao.