Omaly talata faha-03 aprily 2016 tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina no tonga teo amin’ny HCC (fahefana avo momban’ny lalàmpanorenana) ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Olivier Mahafaly. Nametraka ny taratasy milazalaza ny fananany izy araka ny fitakian’ny lalàna eto amintsika. Volazany tamin’izany fa ny mpitondra fanjakana ambony rehetra eto amin’ny firenena dia tsy maintsy milaza ny fananany ao amin’ny HCC avokoa. Izany no atao dia hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinana volam-panjakana ary ny halatra sy fanangonan-karena tsy andrariny noho ny fahefana ananana. Hanaraka tsy ho ela koa hoy izy ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Izao filazana ny tombam-pananana izao dia nambarany fa noho ny fampiharana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara sy ny hampanjakana ny mangarahara tanteraka. Raha nanontaniana ny tombam-bidin’ny fananany anefa ingahy praiminisitra dia namaly fa tsiambaratelo izany ka tsy azo aseho vahoaka. Dia gaga ihany indray ny mpanatrika ny fanambarana noho izany. Ho an’ny praiminisitra sy ny filohan’ny repoblika ary ny filohan’ny andrim-panjakana rehetra amin’ny tany mandala ny fanjakana tan-dalàna sy ny demôkrasia dia lazaina amin’ny vahoaka ny tetim-bidin’ny fananany rehetra alohan’ny handraisany ny toerana maha olona ambony azy. Tombanana avokoa ny vidin’ny trano sy ny tany ary ny fiara raha toa ka misy izany. Toa izany koa ny momban’ny orinasa iandraiketany sy orinasa ametrahany vola. Izany no antsoina hoe mangarahara amin’ny ady amin’ny kolikoly izay ankalazaina amin’izao fotoana izao, ary takian’ny fanjakana rehetra mandala ny demôkrasia.

Tsy nety nilaza ny tombam-bidin’ny fananany mihitsy ingahy Solonandrasana Olivier Mahafaly izay praiminisitra raha toa ka nanontaniana izany omaly tetsy amin’ny HCC. Dia izany ve ilay lazainy hoe “tany tan-dalàna sy mangarahara?”. Dia azo lazaina izany fa fomba tsy maintsy natao iny raharaha iny fa tsy misy mangarahara izany. Fomba entina mandrebireby ny vahoaka fotsiny ihany. Mbola lavitra eto Madagasikara ny fampiharana ny fanjakana tan-dalàna izany raha toa ka mbola tsy sahy hilaza ny fananany amin’ny vahoaka ny mpitondra ambony eto Madagasikara mba hahazoana manara-maso ny fomba fitantanany ny firenena.

J.R.