Ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao dia azo ilazana fa miala aina ny fanjakana HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara). Mihamafy hatrany ny aretina mahazo ity fitondrana ity ankehitriny satria dia io iarahana mahita io ny hetsika sendikaly maro isan-karazany izay manery ankolaka ny mpitondra amin’izao fotoana izao hiala amin’ny toerany noho ny tsy fahaizana mitondra ny raharaham-pirenena. Isan’ny voa mafy amin’izany ny mpiasampanjakana sy ny mpiasa tsy miankina ary ny avy amin’ny orinasa isankarazany ankehitriny ka niala tamin’ny fahanginana. Noporofoin’ny sendikan’ny mpiasa tamin’ny fankalazana ny 1may 2016 izany ka namakiany bantsilana ny tsy hafaliany sy ny fialan’ny fanjakana io. Tao anatin’ny iray volana izay dia ireto avokoa ny sendika nanao fitokonana maneho ny heviny amin’ny tsy rariny ataon’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM. Ny eto Antananarivo dia io mbola iarahantsika mahita io ny fitokonana ataon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana. Tsy nahita vahaolana aloha hatramin’izao ny minisitra vaovaon’ny fitsarana Andriamiseza Charles na dia efa maromaro aza ny fihaonana tamin’ireto sendika ireto. Milaza fa leo ny kobaka am-bava ataon’ny fanjakana aminy izy ireo ka tsy nety nanaovana fampanantenana poak’aty intsony. Toa izany koa ny mpandraharahan’ny fonja izay mitokona ihany koa. Maro ny fandrahonana ataon’ny fanjakana amin’ny mpitarika ny sendika ireo araka ny voalazan’izy ireo, nefa dia tsy manaiky izy ireo fa manohy ny fitokonana hatrany ka tsy hiverina raha tsy vita ny fanaovana sonia momba ny taratasy ataon’ny filan-kevitry ny minisitra amin’ny fangatahan’izy ireo. Tsy izay ihany no olana amin’ity fitsarana ity fa ny fahavakian’ny fonja tany Toliara tamin’ny alahady alina hifoha alatsinainy voalohan’ny may 2016 lasa teo. Midika zavatra be dia be eo amin’ny raharaha tsy mandeha eto amin’ny firenena iny raharaha iny na inona na inona fitrangany. Manaraka ny raharaha ny fitsarana dia mbola nanao fanambarana indray ny sendikan’ny fadin-tseranana mahakasika ny raharahan’ny fidiran’ny « Madagascar Airways » amin’ny tsy fandoavany ny volan’ny ladoany sy ny tsy fanarahany ny fepetra takiana amin’ny fidirana eto Madagasikara. Mangataka ny handoavan’ity kaompaniam- pitaterana ity handoa ny saziny sy ny vola tokony haloany amin’ny fanjakana ireo mpiasa ireo. Misy koa ny ahiahin’ireto mpiasa ireto amin’ny kolikoly momba ny fampidirana mpiasa amin’ny fadin-tseranana izay hatao atsy ho atsy. Ny sendikan’ny mpiasan’ny fisafoana ny asa( inspecteur de travail » koa dia nanome 72 ora ny fanjakana ny alarobia teo ny amin’ny hamalian’izy ireo ny fangatahan’izy ireo, ka raha toa ka tsy mandray andraikitra ny fanjakana dia hanao fitokonana koa izy ireo. Dia mbola olana goavana amin’ny fanjakana HVM sy ingahy Hery Rajaonarimampianina koa izany. Mbola nisy koa ny fitokonan’ny mpitsabo « interne » teo amin’ny hopitaly teto Antananarivo. Mbola manohy ny fitokonana koa ny mpiasan’ny kaominina nesorina. Ny mpivarotra ao Behoririka avy amin’ny “Golden Center” dia mbola mitokona amin’ny fitakiana ny entan’izy ireo izay tsy avoakan’ny kaominina, nefa dia tsy misy idiran’ny mpivarotra amin’ny olana misy amin’ny tompon’ny trano sy ireto mpivarotra ireto. Manampy ireo tsy fahafalian’ny mponina ireo ny lalana sy ny fitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina. Mbola olana koa ny tsy fandehanan’ny raharaham-panjakana ankehitriny izay tsy afa-mihetsika intsony. Zara raha misy fitaovana hampiasaina any amin’ny birao isan-karazany isaka ny minisitera.
Manampy ireo rehetra ireo dia ny kolikoly avo lenta izay ataon’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena ka lasa resaka an-gazety isan’andro amin’izao fotoana izao. Vaky bantsilana ankehitriny ny fanodinkodinana volam-panjakana tao amin’ny minisiteran’ny Atitany izay tantanin’ny praiminisitra amin’izao fotoana izao, araka ny famatsiam-bola manokana ny taona 2014 lasa teo iny. Ny fivoriamben’ny eveka izay nivory tamin’ny herinandro lasa iny dia nanambara bantsilana fa mangalatra sy mpanao kolikoly ny fanjakana amin’izao fotoana izao.
Izany rehetra izany no ilazana fa miala aina io fanjakana entin’ingahy Hery Rajaonarimampianina io. Tsy misy zavatra azo lazaina fa mandeha eto amin’ity firenena ity ankehitriny. Mbola olana hafa manokana koa ny olona tsy faly amin’ny fahatapatapahan’ny jirama sy ny fisondrotry ny vidin-jiro. Ny fitokonana isam-pokontany izay manomboka mahazo vahana eto Antananarivo dia efa endriky ny olana tsy voavaha eto amin’ny firenena ka mbola ilazana fa miady amin’ny vahoaka sy ny fiarahamonina ny fanjakana misy ankehitriny. Manampy azy ireo koa ny fitokonan’ny mpitatitra toa ny nitranga teny Ambohipo sy Andohan’i Mandroseza sy ny teny Andoharanofotsy ary ny avy eny Mahitsy.
Ankoatra izany rehetra izany dia mihidy ny famatsiam-bola avy any ivelany noho ny raharaha ny kolikoly, ny bizina ataon’ny mpitondra ambony amin’ny harem-pirenena isan-karazany ary ny tsy fahaizana mitondra sy mitantana ny firenena. Zara raha manome vola antsika izy ireny. Dia ho hitantsika ny tohin’izany fa maro ny malagasy ankehitriny no tsy manantena zavatra amin’ny fiovana entin’ity fitondrana ity. Ny tena mahagaga aza dia ny tsy fahatokisan’ny vahoaka intsony io governemanta sy ny fitondrana io intsony ankehitriny.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
Raharaha politika avo lenta: Misy inona ao anivon’ny tafika malagasy ao ?
Nivory toa ny fanaony isaka ny alarobia ny filankevitry ny minisitra afak’omaly. Isan’ny namoahana didim-panjakana tamin’izany ny fitohizan’ny fanovana tomponandraiki-panjakana ambony maro, isaka ny minisitera. Tsy mahagaga izany satria nisy minisitra maromaro niova ao amin’ny governemanta ankehitriny. Isan’ny minisitera nahitana fanovana tomponandraikitra maro ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ka ny kaomandin’ny vondron-tobin-tafika lehibe isaka ny faritany (Commandant de la Region militaire) dia saika novaina avokoa.
Avy hatrany dia manitikitika ny fisainana ny hoe « misy inona ao anivon’ity tafika malagasy ao? » Sanatria ve dia naharesy lahatra ny mpitondra eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ny feo mandeha fa misy manamboninahitra mikononkonona hanongam-panjakan any ho any ? »
Nezahin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpikarama an’adiny ao anivon’ny tafika naely tokoa mantsy ny sahoan-dresaka hoe « misy manamboninahitra ambony sy manam-boninahitra jeneraly mihoko hanongam-panjakana », saingy tokony ho fantatr’izy ireny ihany ny hoe « zovy izy izany », raha tena marim-pototra ny vaovao aelin’izy ireo.
Izao fanovana ny mpifehy an’ireny vondron-tafika isa-paritany ireny izao dia toa ahitana taratra an’izay resaka izay matoa nirosoan’ny mpitondra ambony.
Tsy tokony hohadinoina mantsy fa lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika nandritra ny roa taona io lasa minisitry ny Fiarovam-pirenena io. Izany hoe nanana ny feony izy mba tsy hilazana hoe izy no nanolotra an’ireo notendrena ho lehiben’ny vondron-tafika isa-paritany tao anatin’ny roa taona lasa izay, nefa dia izy ihany amin’izao fotoana no manolo azy rehefa lasa minisitra izy.
Mampieritreritra ary tsy azo hamaivanina izany.