Na dia efa ho herinandro aza no nisehoany dia mbola resaky ny eny rehetra eny ihany ny momba ireo lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona maromaro ireny. Rariny ihany izany satria tena nangidy tamin’ny rehetra ireny tranga ireny.

Taorian’izy ireny àry dia ireny fa nipoipoitra tamin’ny hainoaman-jery daholo ireo tomponandraikitra eo amin’ny fifamoivoizana, hatraty “ambanimbany” ka hatrany amin’ny minisitra mihitsy, niseho ho tonga dia “nandray andraikitra”. Ny vazaha moa no milaza ny hoe “aleo diso fotoana toa izay tsy manao mihitsy”, mety ho marina izany kanefa raha ny momba ny raharaha toa ireny manokana dia lazaina mazava ny hoe novidian-dafo ilay fahadisoam-potoana. Afaka milaza izany ny mpanaraka ny raharaham-pirenena, satria efa mba ela ihany no namotsipotsirana ny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra eto amintsika eto: na ny mpitatitra olona izany na koa ny mpitatitra entana.

Impiry impiry moa no efa nitabatabana ny taxi-be mifanenjika izay mifatratra eny amin’ny andrin-jiro no hiafarany; impiry impiry ihany koa no namoahana ny sarin’ireo taxi-be izay tsy voafehin’ny mpamily na tapaka “freins” ka nitsoraka teny an-tanimbary, toa ny teny amin’ny lalana “digue” ireny… fa inona no fandraisana andraikitra nataon-dry zareo ireo hatramin’iza ê ?

Raha ny momba ny mpitatitra entana, ohatra, dia tsy ho voaisa intsony ny nameriberenana teto fa ny fiara ampiasain’ny ao “ambony” ao mihitsy ny tena tsy ara-dalàna. Iza tokoa moa no tsy mihoron-koditra raha vao mifanena amin’ireny mpitaona fako ireny, ohatra, ê ?... Indrindra moa rehefa mandeha amin’ny alina izy ireny…

Raha ny mpitatitra olona koa dia tsy ny taxi-be izany no fantatra sy hita maso fa tsy manara-dalàna. Ny mpivezivezy amin’ny alina rehetra dia mahita an’ireo fiarakaretsaka miasa kanefa raha misy dia ny jiro eo aloha ihany no mba mandeha sy mitsilopilopy fa ny aoriana rehetra dia maty avokoa. Averina ihany ny hoe miasa amin’ny alina izy ireo.

Betsaka ny mpandrindra ny fifamoivoizana no hita miasa amin’ny andro alina ka mampametra-panontaniana ihany ny hoe mba tena misava ny taratasin’ny fiarakodia ve izy ireny sa… manao inona fotsiny ê ? Mipetraka ny fanontaniana satria maro no manamarika fa sady efa tsy ara-dalàna ny fiara, fa tsy misy jiro ohatra, no mamofona zava-mahadomelina ihany koa ny mpamily.

Nisy ny fandraisana andraikitra, ary dia natao faobe, bambaray, araka ny fitenenana ny fiara rehetra mpiray kaoperativa. Fanapahana noraisin’ny mpitondra io ka tsy hita loatra izay hanatsiana azy. Na izany aza anefa dia maro no mihevitra fa ny toa izao no tonga amin’ny fitenenana hoe “ny kary no manao ny ataony ka ny saka avy no voatapa-drambo”. Idiram-pahasahiranana na ny tompona fiara tokony hiasa na ny mpandeha voatery milahatra efa sy misisika noho ny fahavitsian’ny fiara. Inona anefa no nahatonga izany fa tsy ny tsy nahavitana ny asa tokony ho natao hatramin’izay ? Raha natao tsara mantsy hatramin’izay ny fanaraha-maso dia ho tratra mialoha ireo tsy ara-dalàna sy mpanaotao foana ary ny mamo miasa ireo ka tokony ho efa nosaziana tsy ho nahazo niasa intsony. Tokony ho nahafahana nisoroka loza maro sy niarovana ain’olona izany, saingy…

Ny toa izao hita ankehitriny izao no lazain’ilay fitenenana hoe haingo diso an’Iarivo ê!

Lalou