« Tsy azo ekena ary tsy maintsy ambara ho fanta-bahoaka mba hifampifehezana ».  Izany no nisongadina nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay ankalazaina isaka ny faha-3 may.

Raha ny teto Madagasikara manokana dia ny holafitry ny mpanao gazety no azo ambara ho vovonana iadian’ny lohany amin’io hetsika io. Nisy ny valan-dresaka narahina adihevitra natao ny talata faha-3 may teo. Teo ny fampirantiana sary tetsy amin’ny foiben’ny masoivohom-baovao Anta etsy Ambohidahy.

Ny alin’ny faha-4 may kosa dia nanasa ny mpanao gazety amin’ny ankapobeny teny amin’ny trano filanonana « Akany Soa Fonenako » eny Mandrosoa Ivato ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara sy ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny vaovao politika (Achropol).

Vao tonga teny aloha dia gagagaga ihany ny maro satria nisy olom-panjakana maromaro tonga tao, toa ny mpanolotsaina manokan’ny filohampirenena ka isan’izany ny Me Nicole Randrianarivoson. Hita teny ny minisitra Narison Rafidimanana, ny minisitra Paul Rabary, ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena, dia ny jeneraly Paza, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera, Ramanampamonjy Guy Laurent, sy ny maro hafa.

Tsy dia nasian’ny maro olana loatra izany satria andro natao hifanomezam-boninahitra koa ny fanamarihana ireny vaninandro natokan’ny Firenena Mikambana hankalazana sehatr’asa iray toa ny asa fanaovan-gazety ireny.

Fa ny tena nanaitra sy tsy zakan’ny mpanao gazety maro dia ny lahateny fisaorana nataon’ny filohan’ny fikambanana Achropol, dia ny namana Ralambomahay Tahiry (Lambo Tahiri) izay nisaotsaotra ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika na ny Prezidansa tamin’ny fiantohana ny lany tamin’io lanonana io. Nohamafisin’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Gérard Rakotonirina izany hoe « mankasitraka ny fanohanan’ny mpitondra fanjakana izao lanonana izao, ary manamarika manokana fa marobe ny filohampirenena nifandimby nitantana teto tao anatin’ny taona marobe fa ny fitondrana tarihin’ny filohampirenena ankehitriny no nahavita nandrafitra ny volavolan-dalàna ho amin’ny  serasera (code de communication) izay nohamafisin’ny praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana fa hampidirina ho isan’ny volavolan-dalàna hodinihina eny amin’ny parlemanta amin’izao fivoriany izao».

Fanasohasoana ny fitondram-panjakana tsy nisy toa izany. Mazava be fa raha tsy voatampi-maso tany ny Achropol sy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety tsy ho nanindraindra filohampirenena sy ny fitondrana tarihiny toa ireny.

Tao anatin’io lanonana io ihany moa dia efa nahenoana namana mpanao gazety vitsivitsy nilaza fa hametra-pialana tsy ho mpikambana ao amin’ny Achropol fa tsy naato hikaramana an’ady ny fikambanana ary toraka izany koa ny holafitry ny mpanao gazety.

Isan’ny mpanao angoan-tenda amin’ny fitakiana sy fanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny holafitry ny mpanao gazety sy ny mpanao gazety mikirakira ny vaovao politika, ary isan’izany ny fikambanana Achropol, hoy ny namana sasany, nefa tady iray mamatotra sy mangeja ny holafitra sy ny Achropol ho eo ambany vahohon’ny mpitondra fanjakana ny fanekena azy hianto-bola ny lanonana toa ireny.

Ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Rakotonirina Gérard, hoy ny namana mpanao gazety maro, ; dia matetika mihitsy no manao litania ny hoe « mpitondra fanjakana sy ny mpandraharaha mpanam-bola no tena mangeja ny asa fanaovan-gazety, nefa izy ihany no mampandohalika ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eo ampoto-tongotry ny mpitondra mitana ny fahefam-panjakana amin’ny vola ».

Nisy koa aza no nanamarika fa « miventy isanandro ny etika sy ny fitsipika moraly na « déontologie » amin’ny asa fanaovan-gazety ny filohan’ny Holafitra nefa ny gazety tantaniny, dia ny Basy Vava no tena tsy manan-kalahatra afa-tsy resaka vetaveta isanandro ka etika inona no ampianariny ny mpanao gazety ? » Hatramin’ny tompon’io gazety io no mahagaga mamela an’io gazety io amin’izany resaka vetaveta izany, dia ingahy Raymond Ranjeva izay isan’ny olo-be eto amin’ny tany amamonina.