Tsy nisy afa-tsy ny momba ireo fiarana mpitondra ambony tratran’ny mpitandro ny filaminana nitondra rongony niisa 131 gony ny resaky ny rehetra, nanomboka ny alakamisy lasa teo, ary inoana fa tsy hijanona ato ho ato izany resaka izany.

Nalaza be ny “raharaha” satria fiarana minisitra, depiote ary an’ny fiadidiana ny repoblika ireo tratra nanao ny heloka izay azo lazaina ho “faran-tampony” io. Izany hoe ny any amin’ny faran-tampon’ny fitondran’ny Repoblika fahefatra mihitsy no izao tratra tamin’ny fanaovan-dratsy izao. Tena tsy azon’ny eritreritra ekena mihitsy ny hoe ny mpitondra no manao trafikana zava-mahadomelina. Ny mpitondra, hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena, satria na inona na inona no holazain-dry zareo “tompony” sy mpampiasa an’ireo fiara ireo dia tsy ho afa-miala amin’ny andraikitra amin’io raharaha io ry zareo. Ahoana moa no tsy hahalalan’izy ireo fa mitondra rongony anaty gony miisa 100 mahery ny fiaran-dry zareo ê?... Inona no “iraka” nampanaovina an’ireo saofera ireo no fiara efatra be izao no nalefa tany atsimo tany?... Mipetraka ny fanontaniana, satria olona avy any amin’io faritra io ny minisitra sy ny depiote tompon’ny fiara, ary inona koa no nalehan’ny fiaran’ny fiadidiana  ny Repoblika tany an-toerana, kanefa tsy re ny hoe nisy fitsidihana nataon’ireo manampahefana ireo tany?... Tsy vao voalohany, raha ny fitantaran’ny tany an-toerana, no nisy ny trafika nataon’ireo fiara ireo. Efa nisy ny fitondrana sokatra; efa re ihany koa ny zanaka minisitra hafa, izay mbola ao anatin’ny governamanta ao hatramin’izao, no tratra am-bodiomby naka “corail noir”, izay harem-pirenena voarara ny fitrandrahana azy, tany Faux Cap tany, sy ny sisa ê… Fa rehefa tsy nanaiky ny “tsindry” avy aty ambony intsony ny mpitandro ny filaminana dia izao nipoaka izao ny raharaha.

Ny ahian’ny maro dia ny hoe ho ireto mpamily “kely” ireto ihany no ho voaporitra dia hasaina hiaiky fa izy ireo no nanao ny afera. Na ho ahoana anefa na ho ahoana ny ho fialan’ireo mpitondra ambony ireo dia tsy ho afaka izy ireo, satria tompon’andraikitra amin’ireo fiara nomena hampiasain-dry zareo ireo. Saofera “kely” ireo koa ve dia hanam-bola ho nividianana rongony 131 gony ê?... Hoatrinona no teti-bidin’izany?...

Raha tany ivelany, na tany amina firenena tan-dalàna no nitrangan’ny raharaha toa izao dia, farafahakeliny, nametra-pialana ireo tomponandraiki-panjakana voatonontonona ireo. Farafahakeliny, hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena, satria rah any tokony ho izy dia tsy maintsy handeha ny fanadihadiana, ary hizaka izay vokatr’izany izy ireo. Mba ho toa izany ve ny eto amintsika ê?... Asa aloha izay hitranga fa ny hevitry ny maro dia ny hoe raha tena hampiharina eto tokoa izany hoe tany tan-dalàna izany ka hoenjehina daholo ny mpanao trafika sy ny kolikoly rehetra dia… tsy hisy olona intsony any amin’ny adrim-panjakana rehetra any. Hivoaka daholo ny resaka “malety”, ny varotra tanindrazana, ny fanodinkodinana ny volam-panjakana, ny fanondranana ny harem-pirenena, sy ny sisa… dia iza sisa no ho tavela any ê?... Asa?...

Lalou