Mbola mitohy amin’izao fotoana izao ny grevy ataon’ny mpiasan’ny kaominina ao Antsohihy. Ny alatsinainy faha 25 aprily 2016 izy io no nanomboka ary mbola tsy nijanona hatramin’izao. Tamin’ny voalohan’ny herinandro iny dia nanambara ny komitin’ny grevy fa ny ben’ny tanàna no manao ny fanodinkodinana sy ny fangalarana ary ny fivarotana ny tanin’ny kaominina ka mahatonga izao fitokonana izao. Omaly zoma indray anefa dia  milaza fa manana ny porofo indray ny mpitolona ao amin’ny kaominina ireto fa tafiditra ao anatin’ity raharaha ity ny préfet ao Antsohihy amin’izao fotoana izao. Lazain’ny solontenan’ireto mpiasa izay milaza ny fivoaran’ny raharaha any Antsohihy ireto fa olona roa ireto no tena manao tantely afa-drakotra amin’ny fananan’ny kaominina ao Antsohihy ao.

Efa nisy ny taratasy fitoriana nataon’ny mpanolotsainan’ny kaominina any amin’ny fampanaovana ao Antsohihy amin’izao fotoana izao momba ny raharha ireo. Misy ny atao fanadihadiana amin’izany ireo izay voalaza fa tafiditra amin’ity raharha ity sy ny vavolombelona raha ny loharanom-baovao hatrany. Hatramin’ny fiara lehiben’ny kaominina  «mercedes 1924 » dia tadiavin’ingahy ben’ny tanàna sy ny préfet hamidy koa amin’izao fotoana izao, nefa fiara tsy simba akory io ary mbola ampiasan’ny kaominina amin’ny asa ilaina azy rehetra, hoy ihany ireto mpitokona ireto. Efa fantatra ny olona hivarotana azy ary hatao amin’ny fomba feno kolikoly no hanaovana izany. Fantatra koa ankehitriny fa isan’ny ampangain’ireto mpitokona ao amin’ny kaominina ireto amin’ny raharaha fivarotana tany io préfet io, hoy ihany izy ireo, ankoatra ny raharahan’ny “bac à ordure” izay fanomezana tany ivelany. Misy karana iray koa izay voalazan’izy ireo fa miray tsikombakomba amin’ny hahazoana ny fananan’ny kaominina ireo ao Antsohihy ao. Amin’izao fotoana izao dia mampiasa ny Emmoreg ao Antsohihy ingahy Prefet hanerena ny mpiasa hanatanteraka ny baikony sy hamoritra ireto mpiasan’ny kaominina ireto. Ankilany koa anefa dia efa naka mpisolovava ireto mpiasa satria efa nihoatra ny fetra tokony hifampidinihana ny raharaha amin’izao fotoana izao.

Olona tsy miasa amin’ny kaominina indray no mahazo vahana amin’ny fitaovana ao amin’ity kaominin’Antsohihy ity akehitriny, hoy ihany ny fanambaran’ireto mpiasa mpitokona ireto.  Nandefa ny taratasy amin’ny ambaratogam-pahefana rehetra ireto mpiasan’ny kaominina ireto amin’izao fotoana izao mba hanesorana an’ity ben’ny tanana ity amin’ny asany ary hanaovan’ny fanjakana mahefa fanadihadiana lalina amin’izao raharaha izao satria sady mangalatra no manodinkodina ny fananambahoaka ary manao fitondrana tsy manaraka ny zon’ny mpiasa. Toa izany koa no angatahan’izy ireo ny fialan’ny préfet ao Antsohihy satria miray tsikombakomba. Any amin’ny lehiben’ny Faritra, ny Minisitry ny atitany, ny Praiminisitra ary ny Filohan’ny repoblika no voalazan’ireto mpiasa ireto fa hanaovany izany fitoriana izany.  Dia ho hitantsika eo ihany ny fivoaran’ity raharha ity. Marihina fa maro ny olana mitranga toa izany any ambanivohitra any amin’izao fotoana izao.

J. B.

AV7 : nitokona fa tsy nahazo ny tambin-karamany

Omaly zoma faha 06 may 2016 dia nitokona teo anoloan’ny lapam-panjakana teo Antaninarenina ny olona naratra sy ny fianakavian’ny maty tamin’ny raharahan’ny 7 febroary 2009 izay mivondrona amin’ny fikambanana antsoina hoe AV7. Miisa teo amin’ny 189 izy ireo no niantsoantso ny anaran’ingahy Hery Rajaonarimampianina hoe “aloavy ny volanay fa tsy tonga teo amin’io toerana io ianareo raha tsy ny ranay latsaka tamin’ny tany sy ny namanay maty”. Milaza ny tsy hiala eo izy ireo raha tsy aloa ny vola izay tokony homena azy ireo isam-bolana, 200 000 ariary avy, izay hoentin’izy ireo mikarakara ny fiainany. Misy amin’izy ireo no mbola mitondra takaitra vokatry ny fitifirana tamin’ny 7 febroary 2009 iny teo Ambohitsorohitra raha nitaky ny fialan’ingahy Ravalomanana Marc izay filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany. Hatramin’ny taona 2018 no voalaza fa hanomezan’ny fanjakana fanampiana azy ireo raha ny filazany hatrany, araka ny didim-panjakana navoakan’ny fanjakana Tetezamita tamin’ny andron’ingahy Andry Nirina Rajoelina. Voalazan’izy ireo, ary nohorakorahiny fa notapahina tsy ankiteniteny sy tsy nisy filazana akory ilay fanampiana, nefa dia ingahy Hery Rajaonarimampianina mihitsy no minisitry ny Vola tamin’io fotoana io ary nanome izany tambin-karama izany. Misy amin’ireto olona ireto no nanozona mihitsy ny fanjakana tsy mahalala ny olona nametraka azy amin’ny toerany ireo ary nitondra takaitra mandrapahafatiny noho izany. Ity indray izany no hetsika maneho tsy fahafaliana nataon’ny vahoaka manaraka ireo maro izay nitranga tao anatin’ny roa volana izay. Mitombo andro aman’alina hatrany ny fanehoana tsy fahafaliana ataon’ny mponina eto Antananarivo. Ny fanjakana anefa dia minia tsy miraharaha izany fa ny ataony ihany no ataony. Dia ho hitantsika indray ny fihetsehana manaraka izao. Toy ny afon’ampombo ity raharaha ity ka miotrika dia mirehatra sy mamoaka lelan’afo tampoka rehefa tonga.

Jesy Rabelaolao