Omaly zoma faha 06 may 2016 dia tonga teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza ny mpikatroka senkikaly maromaro izay mivondrona ao amin’ny antsoina hoe Afo sendika. Nitondra ny taratasy manaporofo ny halatra sy ny fanodinkodinam-bola ary ny fanondranana ny andramena, izay ataon’ny olona ao an-dapan’Iavoloha sy ireo minisitra voatonontonona amin’izany ireto sendika ireto. Tapaka tamin’izany fa hisy ny fandaminana hataon’ny antenimierampirenena sy ny afo sendika ity manomboka izao araka ny fivoriana nataon’izy ireo tao Tsimbazaza io mahakasika ity raharaha ity ary hiara hiasa ny roa tonta. Marihina fa ny taratasy izay nentin’ireto Afo sendikaly ireto tany amin’ny fitoriana nataon’izy ireo tany amin’ny Bianco no ity nentiny teny tsimbazaza tamin’ity herinandro ity. Dia miandry ny ho tohin’ity raharaha ity indray izany isika.
Ireto sendika ireto dia efa misy miampanaga indray fa manao politika hono fa tsy mijanona amin’ny asa maha sendika azy. Nanambara anefa izy ireo fa mifandray ny amin’ny tolona sendika ny fahantran’ny mpiasa sy ny vahoka ka tsy afaka ny hiraviravy tanàna izy ireo fa tsy maintsy mampiseho maha sendika azy ireo eo anatrehan’ny fahantrana izay mahazo ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Nanampy ny afo sendika ity koa ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa izay tarihin’i Ralita sola.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao