Omaly alatsinainy faha 09 may 2016 dia nitokona teo anoloan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tetsy Anosy ny mpampianatra avy eto amin’ny faritra Analamanga. Mangataka amin’ny fanjakana ny handoavana ny tambin-karamany izay efa notakiany hatramin’izay nefa tsy noraharahian’ny fanjakana izy ireo. Raha toa ka ny mpampianatra Fram ihany no nilaza tamin’ny herinandro lasa iny fa hitokona satria mitaky ny fampidirana azy ho mpiasam-panjakana feno, dia niitatra hatrany amin’ny mpandraharaha sy ireo mpampianatra izay efa mpiasam-panjakana izany. Nitombo araka izany ny fitakiana nataon’ireto mpampianatra ireto omaly.

Mangataka aloha izy ireo ny handraisana ny mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana tanteraka sy feno, ka ny fanampiana izay nomena isaky ny roa volana mitetina 220 000ariary dia takian’izy ireo haloa isam-bolana ka hatao 200 000 ariary. Manomboka ny taona 2018, hoy ihany ireto mpampianatra ireto, dia tsy tokony hisy intsony ny mpampianatra Fram.

Ny tambin-karama momba ny aretina azo vokatry ny fampiasana tsaoka dia isan’ireo nangatahan’ireto mpampianatra sy mpandraharaha ireto koa ny fandoavan’ny fanjakana izany. Takian’izy ireo koa ny fandoavana maika dia maika ny saran’ny asa nampanaovana fanadinana tao anatin’ny taona maro izay tsy mbola

naloan’ny fanjakana hatramin’izao. Isan’ny mbola takian’ireto mpampianatra ireto koa ny fanamboarana ny mari-karama izay efa notakiana hatramin’izay nefa tsy nampiharin’ny fanjakana akory ny fanantanterahana izany fa lasa kobaka am-bava fotsiny ihany hatramin’izao.

Ho an’ny mpandraharaha indray, izay miaraka

mitokona amin’ireto mpampianatra ireto, dia mitaky ny fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana tanteraka izy ireo fa tsy hijanona ho « contractuels » hatrany amin’ny fisotroan-dronono.

Mitaky fanavaozana tanteraka ny fomba fitantanana sy ny fanatsarana ny rafi-pampianarana ireto mpampianatra ireto ao amin’izao fitokonana izao. Omaly alatsinainy faha 09 may 2016 dia nitokona koa ny « Lycée Moderne Ampefiloha ». Ny mpampianatra sy ny mpandraharaha amin’ity sekoly ity no azo lazaina fa isan’ny mitaky sy mitarika izao fitokonanana izao. Voalazan’izy ireo fa hanampy azy ny mpampianatra avy ao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo anio talata. Ny nahagaga dia nisy fahamaizana tao amin’ny efitrano iray tamin’ity Lycée ity omaly maraina. Nanambara koa ireto mpampianatra mitokona ireto fa ny EPP sy ny CEG Ambohipo dia efa tsy nianatra koa omaly fa nanatevina ny fitakiana ihany koa omaly. Toa izany koa ny mpampianatra any amin’ny sekolim-panjakana ao Antsohihy hoy ihany ireto mpitokona ireto. Ny any Vakinankaratra sy ny any Fianarantsoa dia voalaza fa hanomboka androany talata faha 10 may 2016 ny fihetsehana. Izany no ilazana fa hiitatra mankany amin’ny fitokonana faobe eo anivon’ny fampianarana ity raharaha ity.

Nisy moa ny fihaonan’ny mpitokona ireto ny avy tao amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena omaly alatsinainy saingy tsy mbola nahita marimaritra iraisana ny roa tonta.

Ity fitokonan’ny mpampianatra ity izany no fitokonana manampy ny mpiasan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, sy ny mpiandry fonja. Manampy azy koa ny an’ny mpitsiri-draharahan’ny asa na ny “inspecteur de travail”. Manao toy sima misioka ity fitokonana ity ankehitriny ka dia ho hitantsika eo ihany ny fivoarany. Milaza ireto mpampianatra ireto fa tsy hiditra hampianatra raha tsy mivaha ny olana eo amin’ izy ireo.

Nangonin’i

Jesy Rabelaolao