Trateheky ny polisim-pirenena tao Ihosy tokoa ny rongony milanja eo amin’ny roa taonina izay nentin”ny fiara tsy matahodalana efatra izay raitra dia raitra tokoa. Ny zoma moa no niakatra fampanoavana ny afera ary nirosoana ihany koa tamin’ny fandorana ireo rongony marobe ireo tao amin’ny gara ao Ihosy. Sendra ny talem-paritry ny Bianco Fianarantsoa izay namita iraka momba ny fanentanana ny eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fampihenana ny kolikoly amin’ny fampidirana ireo mpampianatra Fram moa ny nanaovana ny fanadiadiana ka naharaka tsara amin’ny an-tsakany sy an-davany ny fizotry ny toe-draharaha izy ireo. Nampidirina am-ponja moa ireto tompon’antoka tamin’ny fitondrana ny rongony ny faran’ny herinandro lasa teo raha ohatra ka tao amin’ny fitazomana olona ao amin’ny polisy foana no nitazomana azy ireo hatramin’ny nahatratrarana azy. Tsaratsara kokoa ny eny amin’ny fonja satria mba afaka matory ry zareo. Novoizin’ny tambazotran-tserasera ity afera ity ary nanao ihany koa ny hainoaman-jery ka hita porofo fa dia samy mandrirotra ny henony avy ny fitaovan-tserasera isany araka ny mety aminy. Ny eto an-toerana anefa dia manamafy ny mpisolovava fa tsy misy mpandraharaha hafa afatsy ireo voarohirohy no tompon’antoka amin’izao fitondrana rongony izao. Mandeha ny tombana eto an-tanàna fa noho ny halehiben’ny afera dia mety misy mpiasam-panjakana hifindra toerana amin’ny fanatanterahany ny asany ka ho hita miandalana ihany ny momba izany. Ny zavatra tsapa dia nisy ny fandraisana andraikitra na teo amin’ny polisy na ny fitsarana manoloana izao aferan-drongony izao na dia nisy aza ny tsindry sy ny teny mahery avy amin’ireto
tompon’antoka. Izao trangan-javatra izao dia manaporofo fa misy ny trafika isan-karazany ary tsy ny olo-madinika no manao izany fa iraka fotsiny ireo. Ahoana tokoa moa no hananan’ny madinika vola hividianana entana mitentina any amin’ny zato tapitrisa ariary mahery any?...
Morasata Marc