Mandeha ihany ny fotoana dia manaraka izany koa ny raharaham-pirenena malagasy. Tsy azo atao hoe mandroso anefa satria izao iarahan’ny rehetra miaina izao ny fahasahiranana misy. Ndeha hatao hoe “mandroso-mihemotra”, satria raha ny tena marina dia ny fotoana no mandroso fa ny fari-piainan-dRamalagasy dia tena nihemotra lavitra be mihitsy. Tahaka ny ahoana tokoa moa ny fisondrotry ny vidim-piainana hatramin’izay kanefa mba hoatrinona no fiakaran’ny karama?... Ny tsirairay no mandinika ê!
Mandeha ny fotoana fa… ny tantara dia tsapa ho toa miverina ihany, raha mandinika ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tsaroan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena tokoa mantsy ny nitranga tany amin’ny fotoana talohaloha tany, rehefa “nanomboka” ny fiafaran’ny fitondrana Ravalomanana.
Zavatra maro no nitranga tamin’izany kanefa dia misy ireo mivandravandra fa miverina indray amin’izao fotoana izao. Nampimenomenona ny vahoaka, tamin’izany, ny nahafantarana fa nividy fiaramanidina hafa indray ny filoha Ravalomanana, dia ilay “Air Force 2” izany. Tsy izay koa ve no re amin’izao fotoana izao, dia ny hoe nahazo an’izany fiaramanidina “Embraser ER” vita avy any Brésil izany ny filoha Hery Rajaonarimampianina ê?... Tsaroan’ny rehetra koa fa ny fanotofana ny tany teo Andohatapenaka no nahatonga ny fahatezeran’ny vahoaka tamin’ireny fotoana ireny. Inona koa anefa no mitranga amin’izao fotoana izao? Misy fiarabe mitatitra tany avy any amin’iny faritr’Ambohitrimanjaka iny eny an-toerana, manototra tany koa, mba hanaovana lalana migodana handraisana ny vahiny hivory amin’ny volana nôvambra, hono.
Rehefa miresaka vahiny ihany dia miverina ao amin’ny fitadidiana koa ny nananganan’ny fitondrana Ravalomanana an’io CCI, na Centre de Conférence International, eny Ivato io. Ny ho nandraisana fivoriam-be iraisam-pirenena, dia ny an’ny Vondrona afrikanina aloha ary ny an’ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay avy eo. Volabe no lany tamin’io, ary nampimenomenona ny tamin’izany fotoana ihany ko, satria ny sarambaben’ny mponina tsy nanan-kialofana kanefa ny vola nolaniana ho nandraisana vahiny izay handalo ihany. Naverimberina koa tamin’izany ny hoe hipetraka ho fananan’ny Malagasy ihany ireo fotodrafitr’asa ireo rehefa lasa ny vahiny… dia Malagasy iza moa izao no mahatakatra ny sarany ka afaka miditra ao amin’io CCI io ê?... Ny toa io ihany no miverina ankehitriny raha manangana an’io tanàna iray manontolo eo amin’ny labatoara taloha eo Andohatapenaka io ny fitondrana HVM.
Zava-nisy tsaroana koa ny nanomezan’ny fitondrana Ravalomanana ny alema ny fitantanana ny kaompania nasiônaly Air Madagascar. Moa tsy nomen’ny fitondrana HVM koa izy io amin’izao fotoana?...
Mbola tao koa ny nivarotana tany tamin’ny Kôreanina, sy ny sisa…. fa ny tiana holazaina sy hampahatsiahivina dia ny hoe fotoana fohy taorian’ireo “zavatra nataony” ireo dia nirodana ny fitondrana Ravalomanana.
Ny fanontaniana àry dia ny hoe dia ho fifandrifian-javatra fotsiny ireo notanisaina teo ireo sa… tena miverina tokoa ve, fa tsy avelan’ny hasin’ity tany ity handehandeha ho azy amin’izao, ny tantara ê?... Asa?... Ndeha hatao hoe finoanoam-poana izany mba tsy hifandirana ê!
Lalou