Ny lapam-panjakana eny Mahazoarivo dia lapa misy ny toeram-piasan’ny praiminisitra malagasy amin’izao fotoana izao. Toerana manan-tantara teo amin’ny sehatry ny fitondrana nisy teto Madagasikara hatramin’ny andron’Andrianampoinimerina ity toerana ity. Teo Mahazoarivo no toerana filalaovan’Ilaidama izay lasa Radama voalohany tamin’izany andro izany, ary mpanjaka teto Imerina. Teny Mahazoarivo no toerana natokan’Andrianampoinimerina nitondran’ity mpanjaka ity ny sakaizany sy ny namany akaikin’Ilaidama zanany. Nisy mpikarakara manokana mihitsy ity toerana ity tamin’izany andro izany. Lasa lapam-panjakana taty afara ka teny no niasa ny filohan’ny repoblika Philibert Tsiranana alohan’ny nifindrany teo Andafiavaratra tamin’ny repoblika voalohany. Taty aoriana dia tonga lapan’ny praiminisitra i Mahazoarivo, ary isan’ny faritra manan-tantara amin’ny fitondrana fanjakana ankehitriny.
Tamin’ny herinandro lasa teo iny dia fantatra fa mpandraharaha maro avy eto Antananarivo indray no nivory sy nihaona tamin’ny vadin’ny praiminisitra ankehitriny Solonandrasana Mahafaly Olivier. Hita tamin’izany ny mpanao bizina rehetra teto Antananarivo ka ampolony maro no tonga teny. Fangatahana fiarahana miasa no nataon’ny vadin’ny praiminisitra ity tamin’ireo olona ireo ka hoy indrindra ny loharanom-baovao raha nilaza izany: “izahay aloha no eto izao ka aza misalasala ianareo fa ity ny laharan’ny findaiko raha tsy ny ilainareo ahy”. Tsy ny mpandraharaha ireo ihany anefa no tonga teny fa nisy koa ny fiantsoana natao tamin’ny depiote miisa 70 teo ho eo miaraka amin’ny minisitra 8 ka ny mikasika ny fiarahana miasa eo amin’ny praiminisitra sy ny parlemantera ireo indray no tena notsindriana mafy tamin’izany. Voalazan’ny depiote izay nanatrika ity fihaonana ity fa toa resaka bizina fotsiny no fahazoany ny tena resaka tamin’izany. Dia sanatrian’ny vava ve ka ho lasa toerana fanaovana bizina sisa i Mahazoarivo ? Izay miova andriana hono miova sata, ka dia ho hitantsika miandalana ihany ny amin’izany.
JB
Fiainam-bahoaka andavanandro: Tofoka amin’ny fitondrana HVM ny vahoaka
Vao niakatra teo amin’ny toeran’ny filohampirenena Ingahy Rajaonarimampianina dia efa nihetsiketsika ny seha-piasana isan-tokony izay nanao fitakiana fony fotoanan’ny tetezamita. Ny sasany tamin’izy ireny dia nampahatsiahy ny filohampirenena ny vava tsy ambina nataony izay midika ho fanambaniana ireo mpihetsiketsika fony izy minisitry ny vola raha tonga teny aminy hifampiraharaha momba ny zon’izy ireny ry zareo.
Manomboka miseho lany indray ankehitriny ny fijoroan’ny mpiasa Malagasy mitaky ny rariny eto amin’ny tany sy ny firenena. Efa nampoizina ihany izao tranga izao, herintaona sy tapany lasa eo izay, satria vao mainka mangeja ny mpiasa ny zava-misy amin’ny ankapobeny. Ny fahantrana lalim-paka mamatotra ny firenena iray manontolo no mianjady amin’ny Malagasy amin’ny ankapobeny, ankoatra ny mpitondra sy ny mpiara-komana aminy mbamin’ireo nandroba fananam-pirenena hatrizay ihany no tsy mahatsiaro ho voafatotry ny fahasahiranana.
Miseho ao anatin’izany fahantrana manafotra ny firenena izany ny olana manokana mianjady amin’ny mpiasa any anivon’ny seha-piasany any, na mpiasampanjakana izany na mpiasan’ny tsy miankina. Io izao fa miseho lany avokoa ny fitokonana isaky ny toeram-piasan’ny mpiasa. Efa nitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, ka tsy mbola voavaha ny fitakian’izy ireo, dia nirotsaka koa ny mpandraharahan’ny fonja. Tsy tena mbola voavaha koa io. Miroso ny mpiasan’ny Air Madagascar. Mitokona koa ny mpampianatra mpanabe nanomboka omaly. Toraka izany ny mpitsirika asa (inspecteurs de travail) sy ny mpanara-maso ny asa (controleurs de travail). Hitokona koa ny mpitsabo mpanampy satria poaka aty hatrizay ny fampanantenan’ny mpitondra fa hamaly ny hetahetan’izy ireo.
Tsy mbola milamina ny ao anivon’ny Jirama na tsy ahenoam-peo aza izy ireo aloha. Tezitra tamin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana tamin’ny fandroahana tamin’ny asa maha-mpiasampanjakana ny Dr Tsinjo ao amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra koa ny ankamaroan’ny mpiasa ao. Ny mpivarotra moa ireo dia tsy resy lahatra intsony amin’ny tompon’andraikitra fa hahavaha ny olana mampanahirana azy ireo momba ny toeram-pivarotana.
Ny mpiasa tsy miankina koa dia mangina fotsiny aloha fa maro no efa tofoka noho ny tsy fahitan’izy ireo mangirana amin’ny fiainany andavanadro.
Ny tafika koa dia maro no ahenoam-peo fa tsy mahazaka intsony an’izao fahantrana izao satria montsana ny vady aman-janany sy ny fianakaviany.
Ny mpandraharaha ara-toekarena dia tsy vitsy ireo mifohofoho volo noho ny fanomezan’ny fitondrana Hvm vahana ny vahiny mpamotika firenena toy ny karana sy ny eraopeana maro.
Manginy fotsiny ny fivarotan-tanindrazana amin’ny endriny maro ataon’izao fitondrana izao.
Tsy vitsy no tofoka amin’ny fanamparam-pahefana sy jadona ataon’izy ireo. Mbola tsy levona ao anatin’ny fisainan’ny maro ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fanondranana andramena mbamin’ny volamena sy ny vatosoa mankany ampita. Tsy zakan’ny betsaka ny fiarovana an’ireo miseho ho tsy maty manota isany, na resaka fakana takalon’aina an-keriny (kidnapping) na halatra taolam-paty na fanerena ny eny amin’ny fadin-tseranana (ladoany) anjakan’ny olona mahazo avara-patana eny an-dapa na ny mpanolotsainan’ingahy filoha, ary ireny raharahan-drongony nitranga tany Ihosy tamin’ny herinandro lasa ireny… sy ny maro hafa
Raha akapoka dia hisedra tsy ho ela ny herim-bahoaka ny fitondrana Hvm ka hikatso samirery eo satria efa omen’ny sokajin’olona maro lamosina eo amin’io fampandehanan-draharaha mampahory ny ambanilanitra io, ka hany heriny manao ramatahora sy mampihorohoro an’izay ahiany hahatarika vahoaka.