Nisy lahatsoratra navoakany teto tamin’ny volana martsa teo izay nitondranay fanazavana lavalava sy nitaterana ny fitarainan’ny vahoaka any amin’iny faritr’i Taolagnaro nananganana ny orin’asa fitrandrahana fasimainty antsoina hoe “Qmm” iny. Tamin’izany dia nampiaka-peo ny mponina tompon-tany fa karazan’ny robain’ny Qmm an-keriny fotsiny ny tanim-bahoaka, fa tsy aloany ny sandan’ny tany.

Efa nisy ihany ny tombam-bidy tamin’ny fotoana sasany, raha ny re, saingy tsy hita voaka ny tohiny taty aoriana.

Nalaza indray koa tao ho ao ny fivarotan-tanindrazana nataon-Rajaonarimampianina tamin’ny fifanarahana nataony sonia tatsy amin’ny Nosy Maorisy momba ilay fananganana faritra ara-toekarena manokana (zone economique speciale) amin’ny velaran-tany 450 Km2. Maro ny olom-pirenena sy mpitarika fikambanana isan-karazany no efa nampiaka-peo naneho ny tsy fankasitrahany sy ny fanoherany an’io fivarotan-tanindrazana nataon’ny filohampirenena Rajaonarimampianina tatsy amin’ny Nosy Maorisy io.

Fa ho an’ireo tany nofaritan’ny tetik’asa Qmm any Taolagnaro kosa dia mibaribary ny fampirisihan’ny mpitondra Hvm mpivarotra tanindrazana an’ireo vahiny mpanani-bohitra mpandroba harena ao hametsifetsy ny vahoaka ao amin’ny varo-draikiraiky ataon’io orion’asa Qmm io.

Nanambara fa hiditra amin’ny fifampiraharahana amin’ireo vahoaka tompon-tany momba ny fandraisan’ny Qmm ny tany any mantsy ny tompon’andraikitr’ity tetik’asa Qmm ity, ary dia efa nanomboka izany ka 10 ariary ka hatramin’ny 100 ariary no sanda ambaran’ity tetik’asa ity fa hahasahiany hividianana ny velaran-tany iray metatra tsy mivadimandry (m2).

Tsy miendrika ho fandrobana an-keriny ny tanim-bahoaka ihany ve izany, rey olona? Amin’izao taona arivo fahatelo izao ve dia mbola hisy vidin-tany ariary folo ka hatramin’ny ariary zato ny iray metatra tsy mivadimandry? Amin’ny faritra sasany eto amin’ny nosy aza ange ka ny fanjakana mihitsy no manombana fa any amin’ny 200.000 ariary na 300.000 ariary ny iray metatra tsy mivadimandry (m2) e! Ka nahoana no hofetsifetsena amin’ny ariary folo ny vahoaka any Taolagnaro ?

Tsy ihambahambanay ny milaza fa matoa manana fahasahiana miroso amin’izao endri-pandrobana an-keriny ny tanim-bahoaka izao ireo vahiny mpanani-bohitra ao amin’ny Qmm dia tsy maintsy efa nifanakalo hevitra tamin’ny mpitondra mpivarotra tanindrazana ka naka ny tso-dranony tany na nanampi-maso an-dry zalahy tany mba hiliban’izy ireo amin’ny fanambakana sy fametsifetsena ny teratany Malagasy.

Tsy azo ekena izany, ary takiana ny handraisan’ny mpitondra fanjakana fepetra aloha raha tsy nitsikombakomba tamin’ireo vahiny ireo ry zareo. Tsy afaka hiala andraikitra ny mpitondra fanjakana hoe “fifanarahan’olon-tsotra io ka izay mahafa-po ny andaniny sy ny ankilany dia izay fa tsy afaka miditra amin’izany ny fanjakana”.

Tsy azo ekena izany. Varotra mofo dipaina aza misy ny fifanarahana izay misy fifampiresahana amin’ny fanjakana ka varotra tany indray ve no halalaka?

Tsy tokony hohadinoina fa mofo gasy aza ange tsy azon’ny ariary folo intsony izao e! Izany hoe tena varoboba sy varo-draikiraiky no ampirisihan’ny mpitondra fanjakana mpivarotra tanindrazana handrobana an-kolaka ny tanim-bahoaka any Taolagnaro e!

Tsy rariny izany, tsy hitsiny, ary tsy ara-dalàna, ka rehefa tsy hijoro handray fepetra hiarovana ny tombontsoam-bahoaka ny mpitondra fanjakana dia tsy tsinin’ny vahoaka kosa angamba raha mijoro ry zareo mampanjaka ny rariny, ka mety hatomboky ny vahoaka amin’ny fanilihana ny mpitondra tsy hiaro azy izany