Asaina isika rehetra mpikambana ao amin’ny « May 72 » mba hifanotrona amin’ny fanaterana fehezam-boninkazo eo amin’ny Kianjan’ny 13 May ny zoma faha-13 May ho avy izao, amin’ny 10 ora sy sasany maraina. 44 taona katroka amin’io ny hetsi-bahoaka tamin’ny 13 May 1972.
Dia manantena antsika ho tonga, ary miangavy ny hifanentanantsika sy hanaparitahantsika izao fanasana izao.
Ny Filoha
Me Razafinjatovo Willy Olala