Ny kaominin’Ambohimahamasina no nisehoan’ilay tetika maloto teo amin’Ingahy Mahafaly Solonandrasana Olivier, praiminisitra ankehitriny, fony izy minisitry ny Ati-tany, sy Rtoa Razaimamonjy Claudine tamin’ilay fanodinana ny vola nambara fa hananganana toeram-piahiana ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana (Bmh). Raha tsaroan’ny maro dia ny mpisafo raharaham-panjakana (inspection
générale de l’Etat) mihitsy no nanao ny fanadihadiana ka nahita ny tetika namindrana any amin’ny kaontin’olona hafa ny vola mananika ny 396 tapitrisa ariary tokony ho nanaovana an’io tetik’asa « Bmh » io. Ny ben’ny tanàna no re fa nahazo baiko avy amin’Ingahy minisitry ny Atitany tamin’izany fotoana, ary praiminisitra ankehitriny ho tsy maintsy nanao an’io famindrana vola io.
Rehefa nahoraka ny raharaha dia mitady ny hirika hanafenana na handresena lahatra ny olona any indray ry zareo hoe « tsy marina izany filazana fa nahodina any amin’ny kaontin’olona hafa ny vola ». Dia manao fanamafisana ny loko (retouche) amin’ny ao Anjoma sy Ambohimahamasina ary mikoropaka aoka izany mihitsy ry zareo.
Volabe koa no nambara fa nolaniana nandokoana ny lapan’ny tanànan’Ambalavao, nefa raha nisy, hoy ny akom-baovao, dia tsy nandaniana 4 Tapitrisa ariary akory. Ny nambara anefa fa lany tamin’izany dia amin’ariviony tapitrisa koa (2 miliara ia).
Fa ny akom-baovao koa no nahalalana fa ny hôpitaly misy ny trano fandidiana (bloc operatoire) sy ny fanaovana « analyse » dia niara-notokanana tamin’ny kianja fanaovana baolina ao Fianarantsoa, ary efa natolotra ny dokotera mpandidy izany mba hiasany.
Hatramin’izao anefa dia tsy mbola azo nosokafana izy io satria tsy misy fitaovana. Ireo fitaovana nampirantirantiana tao tamin’ny fotoana nitokonana azy hay fitaovana avy ao amin’ilay hôpitaly manara-penitra tao Fianarantsoa no notaomina nisehosehoana tao, ary roa andro taorian’ny fahavitan’ny lanonam-pitokanana dia notaomina naverina tany Fianarantsoa ireo fitaovana rehetra tamin’izany.
Sanatria tsy mba hitan’ny tompon’andraikitra momba ny fanomezana tolo-barotra « Prmp = Personne responsable des marchés publics) ve izany sa nisy tsikombakomba koa tao sa nisy baiko fampihorohoroana avy any ambony » ?
Fantatra koa fa nisy trano roa niara-vita tamin’io hopitaly io ao amin’ny toeram-pianarana (Epp) ao amin’ny kaomina Manamisoa, saingy jerem-potsiny koa hatramin’izao fa tsy azo ampiasaina hianaran’ny zana-bahoaka satria tsy misy na dabilio hianarana aza. Efa herintaona lasa izay no vita fitokanana an !
Tsy mahagaga izany rehetra izany raha miseho ao Ambalavao sy ny manodidina satria faritra nahalehibe an-dRazaimamonjy Claudine tao.