Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa vola mitentina 68 651 984 474 ariary no vola voahodinkodin’ny mpiasan’ny ministeran’ny Teti-bola sy vola eto Madagasikara. Avy amin’ilay antsoina hoe vola ankapobeny ampiasain’ny fanjakana no nisy fanodinkodinana amin’izany. Vola handoavana karaman’ny mpiasam-panjakana na handoavana asa atao amin’ny fanatanterahana ny asa natao amin’ny fanjakana, na ireo vola miditra amin’ny hetra avy amin’ny mpandraharaha isan-karazany, ny olon-tsotra sy ireo mpivarotra amoron-dalàna rehetra ireny, ary koa vola natao hampandehanana ny asam-panjakana izy ireny. Ny mpikirakira vola eo anivon’ity ministera ity, toy ny mpitantam-bola isan-karazany ao amin’ny ministera ny Vola ary ireo mpiandraikitra ny vola any amin’ny ministera hafa izay mampiasa mivantana ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny Vola ireo no mpanodinkodina volam-bahoaka ireo tamin’ity voalazanay ity. Misy efa migadra ireo olona ireo, ary misy koa no afa-niala tamin’izany figadrana izany, nivoaka noho ny antony tsy fantatra ary noho ny sisika sy ny kolikoly izay nataony angamba. Misy koa no mandehandeha sy miriaria amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny taona 2010 ka hatramin’ny taona 2015 no nahazoana ny antontan-taratasy manambara izany, izay milaza ny antsipirian’ity halatra ity. Voakasik’ity raharaha ity avokoa hatramin’ny mpiasam-panjakana ambony ao amin’ny ministeran’ny Fitantanam-bola, ka hatrany amin’ny farany ambany any amin’ny faritany sy ny distrika. Ny tena mahagaga dia ifandovana ato amin’ny ministeran’ity Vola ity ny “raharaha” ka ny toerana nangalaran’ny rainy teo aloha ihany no mbola lovan’ny zanany amin’izao fotoana izao, ka iasany koa ao amin’ny ministera ao. Misy aza no niakatra galona sy grady ka toerana tsaratsara kokoa noho ny an’ny rainy na ny reniny no azony indray amin’izao fotoana izao. Eo anatrehan’ny lalàna dia tsy maintsy averina amin’ny fanjakana ireny vola nahodinkodina ireny ho an’izay nanao ny heloka amin’izany. Raha migadra izy dia amin’ny alalan’ny fananany no andoavana ny vola nahodinkodiny. Raha toa indray ka maty ilay olona nanao ny heloka dia tsy maintsy aloan’ny olona mpandova azy ireo vola ireo sy ny sazin’ilay nanao ny heloka. Izay ilay lazaina amin’ny lalàna hoe “débets émis”. Hatramin’izao isika miteny izao anefa dia tsy nisy nandoa intsony ireo vola ireo. Very maina hoy ny fitenenana ny volam-bahoaka izay lanilany foana sy nahodinkodinana toa izao.
Toa izao no fanodinkodinana isan-taona nataon’ny mpiasan’ny ministeran’ny Vola.
2010 28 377 134 931,99
2011 1 941 531 208,90
2012 742 143 928,42
2013 12 839 846 260,96
2014 23 928 164 191,93
2015 823 163 952,50
68 651 984 474,70 ar
Tsy mbola nisy namerina any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ireo vola ireo hatramin’izao. Olona miisa 117 no voakasiky ny raharaha. Raha atao ny kajy dia ny taona 2010 sy ny taona 2014 no niakatra be io tahan’ny fanodinkodinam- bola io.
Raha tena hiady mafy amin’ny kolikoly ny fanjakana dia ny Praiminisitra Solonandrasana Olivier Mahafaly izay nilaza fa manao ity raharaha ity ho laharam-pahamehan’ny governemanta tarihiny dia isan’ny asa fanenjehana tokony hataony ity raharaha ity. Toa izany koa ny minisitry ny Vola ingahy Gérvais Rakotoarimanana izay mitazona ity departemanta feno fanodin-kodinam-bolam-bahoaka ity. Raha atao ny fanamarinana dia tamin’ny andro nitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina no nisian’ireo hosoka sy fanodikodinam-bola ireo ka tokony tsy hamela maimaim-poana ity raharha ity izy. Izy moa dia minisitry ny Vola teo aloha ary lasa filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao. Ny oha-pitenenana dia milaza fa : “ny ohatra dia miainga avy amin’ireo mpitondra ambony”, ka raha toa izao no mitranga amin’ity ministera ity dia satria hitan’izy ireo ny zavatra misy ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao amin’ny resaka fanodinkodinam-bola.
Raha ireo vola ireo no miverina amin’ny kitapombolam-panjakana, miampy ny fanodinkodinana nitranga tamin’ny sehatra hafa , toa ny “marché public” izay mahavoarohirohy ny minisitra sasantsasany amin’ny fanjakana amin’ izao fotoana izao, dia azo lazaina fa na tsy misy firy aza ny fanampiana avy any ivelany dia tsy ho toy izao ny fahantrana eto amin’ny firenena. Hatoky antsika koa ireo mpamatsy vola ka hanome fanampiana sy fampindramam-bola indray raha toa ka izany no tetika ataon’ny fanjakana ankehitriny. Dia ho hitantsika ny handraisan’ny fanjakana ny andraikiny amin’ity raharaha ity
Jesy Rabelaolao