Taorian’ny fitsidihana naharitra roa andro dia iny lasa nikopaka elatra iny ingahy Ban Ki-moon, Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana. Niteraka ady hevitra be teto amintsika ny amin’ny tena anton-diany sy izay “vokatra” hoentin’izany. Hatramin’izao aloha dia mbola tsy misy afaka milaza mazava ny amin’ny hoe tena anton-diany fa raha ny tsapan’ny maro kosa dia nitondra fiovana rangahy iny tamin’ny fotoana naha teto azy ireny.
Nitondra fahadiovana ho an’Antananarivo i Ban Ki-moon. Niarahan’ny rehetra nahita fa dia nadio tanteraka ny renivohitra, na farafaharatsiny ny teny amin’ny toerana nolalovany, satria dia voasasa hatramin’ny arabe mihitsy ary voaaisotra ireo mpivarotra “madinika “teny amoron-dalana.
Nitondra fandriampahalemana koa rangahy iny, satria dia feno mpitandro ny filaminana mirongo basy ny tanàna ary na ny teny an’habakabaka aza dia nahitana angidimby izay afaka nitsikilo hatrany an’elakelan-trano rehetra tany. Tsy nandrenesana asan-jiolahy, na iray aza, tamin’iny fotoana iny.
Ny teo amin’ny lafiny fanehoan-kevitra ihany koa dia nahitana fahalalahana, ary ny tenany mihitsy no nanome ny ohatra tamin’izany. Tsy nitsitsy fitenenana mihitsy ingahirainy, nitanisa ny tsy mety rehetra misy eto amin’ity firenena ity, raha nikabary teo anoloan’ireo parlemantera. Hitan’ny rehetra koa fa afaka nilanja ny sora-baventy ka tsy voadaroky ny “mpitandro ny filaminana” ireo nanao izany teny Anosikely teny.
Zava-tsoa daholo izany, saingy indrisy fa… vao ny ampitson’ny nandehanany ihany dia niverina tamin’ny fiainany taloha indray ilay tanàna ê. Ny ampitso ihany dia niverina tao anatin’ny lotony Antananarivo, ary niverina teny amin’ny “toerany” ihany koa ireo mpivarotra amoron-dalana. Tsy hita intsony ireo mpitandro ny filaminana nanenika ny tanàna ka nampatahotra ireo mpanao asa ratsy, sy ny sisa ê… Ny alarobia faha-11 may ihany aza dia efa nivoaka ny fampitandremana, fandrarana, avy amin’ny prefektioran’ny pôlisin’ny tanànan’Antananarivo, nilaza fa tsy azo atao ny manatitra voninkazo eny amin’ny Kianjan’ny 13 may. Hadino sahady ny “hafatra” teny amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona teny Anosy, nilazany hoe tokony havela haneho hevitra an-kahalalahana ny vahoaka. Mbola tsy fiantsoana famoriam-bahoaka akory no nokasaina ho natao fa fanateram-boninkazo ho fanomezam-boninahitra ny maritioran’ny tolona tamin’ny 13 may 1972 dia… efa fandrarana sy fampitahorana no setriny.
Inona moa no azo lazaina afa-tsy ny hoe nadio ny rano nitan’ingahy Ban Ki-moon fa niverina ho naloto indray ilay tanàna nilaozany ê ?...
Izany no mahatonga ny mpanaraka ny raharaham-pirenena hanao ny soso-kevitra hoe maninona moa raha antsoina hiverina eto Rangahy iny ê ?... Tsy hoe hiverina hitsidika fotsiny fa honina eto mihitsy, satria izy rahateo efa tsy hiasa intsony fa efa lany ny fe-potoana hiasany ?...
Antsoy hiverina ê !
Lalou