«Tsy rariny intsony ! » Izany no mby an-tsain’ny maro raha nandre ny fandrahonana nentin’ny Prefen’ny polisin’Antananarivo nandrarana ny hetsika ho fahatsiarovana ny Raharaha 13 May 1972, izay anio no itsingererna’ny faha-44 Taonany. Tsy misy nanomana hetsika ankoatra ny fanaterana fehezam-bonin-kazo, toy ny isan-taona amin’izany, nefa dia fandrangarangana ny hoe « mikasa hanakorontana » no ataon’ny fitondrana HVm tamin’ny alalan’Ingahy Prefen’ny polisy.
Hanky va re, hoy ny Me Razafinjatovo Willy na ny Me Ôlala. Izy rahateo moa no mpitarika ny Fikambanana May 72 izay tsy tapaka koa ny manatitra fehezam-boninkazo eny amin’ny araben’ny fahaleovantena rehefa migadona ny vaninandron’ny 13 May.
Tsy hanaiky horahonana izany aho fa izao ataon’ny fitondram-panjakana sy ny Prefet de police izao indrindra no mahatonga ny fankahalan’ny vahoaka ny fitondrana, hoy ity mpisolovava anisan’ny nanana andraikitra tamin’ny hetsiky ny mpianatra tamin’ny 1972.
Tsy maintsy ho avy eny amin’ny kianjan’ny 13 may aho rahampitso, miantso ny anio, hoy ihany ny Me Ölala, ka mampiomana avy hatrany an’Ingahy Prefen’ny Polisy aho, hitondra rojovy hisamborana sy hamatorana ahy raha diso sy mandika lalàna ny tenako sy ny mpiara-dia amiko. Notsindriany mihitsy omaly fa « vonona ny tenako ny hosamborina raha izay no sitrapon’ny fitondrana ».
Aza gaga ianao r’Ingahy Prefen’ny polisy, hoy hatrany ny Me Ölala raha tonga hangataka alalana any aminao ny vahoaka rehefa higadona ny andron’ny 1 novambra, izay fanaterana fehezam-boninkazo any amin’ny fasam-pianakaviany satria izay no mety hahazoanareo fahafinaretana.