Mpiasampanjakana madinika

Lalaovin’ny minisitry ny fahasalamana ny ain’izy ireo

Ianjadian’ny antsojay sy ny tsy fahaiza-mitantan’ny minisitry ny Fahasalamana sy ny mpiara-miasa akaiky aminy ireo mpiasa madinika « Ecd » ao amin’ity ministera ity. Mizaka ny tsy eran’ny ainy koa mantsy ireo mpiasa nanao fifanarahana manokana ao amin’ny ministeran’ny Fahasalamana na ireo antsoina hoe « Ecd » (Employés de Courte Durée) satria efa efa-bolana izy ireo izao no tsy nandray ny valin-kasasarany, ary hiditra amin’ny fahadimy volana amin’ity volana may ity. Ny mahagaga, hoy ireo mpiasa ao, raha vao nandrahona hitokona ny mpianatra ho dokotera ; iray volana lasa izay, dia nasaina niasa andro aman’alina ny mpiasa voakasiky ny famoahan-karama. Natahotra Ingahy Minisitra sao lazaina fa tsy mahafehy ny departemantany, hoy hatrany ireo mpiasa, fa raha izahay mpiasa madinika (Ecd) kosa dia faralahin-draharaha hatrany ato. Satria ve, hoy ihany izy ireo, tsy miteny sy tsy manambana hitokona izahay « Ecd », ary heverina ho toy ny tsy mamelona vady aman-janaka, dia jerena fotsiny ? Mba te hanao fetin’ny pentekaosta ny mpiasa sy ny vady aman-janany nefa voakenda fa ianjadian’ny trosan’olona noho izao tsy naharaisana ara-potoana ny karama izao, hoy hatrany ny fitarainana.

Ny tsikaritra koa dia misy fifanilihana andraikitra manomboka any amin’ny minisitra ao ka mahatonga izao tsy fahafahana manaja ny fotoana fandoavana ny karaman’ny mpiasa izao. Misy manao raharaha maloto koa ao, raha ny fanampim-panazavana avy amin’ny mpiasa.

Hatramin’ny nidiran’ny Hvm tao dia tsy mbola nahatsiaro ny mpiasa « Ecd » fa nilamina ny fandoavan na fandraisan’izy ireo ny karamany, raha ny fanazavan’izy ireo.

Omaly no nanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpitsabo mpanampy. Tany Toliara no nanaovan’ny teto Madagasikara ny fanamarihana ofisialy. Nifamotoana tetsy amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona etsy Ampefiloha kosa ny fianakaviamben’ny Mpitsabo mpanampy teto Antananarivo sy ny manodidina.

Tsy mba toy ny fahita amin’ny fotoana fankalazana andro iraisampirenena no tazana tetsy amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona omaly ka hoe nampirentirentiana ny zava-tsoa gohina sy tavanina eo anivon’izany tontolon’ny fitsaboana izany fa ny mifanohitra amin’izany.

Matetika tokoa mantsy, rehefa mankalaza andro maneran-tany toa izany dia ny fanindrahindrana ny zavatra vita no asongadina. Eo koa ny fanapempoana ny olona mety manana fomba fijery mifanohitra amin’ny an’ny mpitondra ka ilazana izao antsanga tsy aman’orana rehetra izao. Mamorona mihitsy koa aza ange matetika mba hilazana fa « nanao asa mivaingana sy mahasoa ny mpiara-belona isika » e !

Ny tetsy Ampefiloha dia ny fitarainana sy ny fisarihana ny fisainan’ny rehetra mba hanopy maso ny zava-manjo ny mpitsabo mpanampy no nibaribary.

Sora-baventy mitory ny olana mihatra amin’izy itreo no hita raha vao niditra ny Hopitaly Ravoahangy etsy Ampefiloha.

Nibaribary tetsy amin’ny Hopitalin’Ampefiloha àry ny sora-baventy maro toy ny hoe « Infirmiers : une force pour le changement de consideration », « mararin’ny Sida izahay ka mila vonjy », « salaire insuffisant depuis des années » (karama ambilom-bazana nandritra ny taona maro), « zero motivation » (tsy manana fahavitrihana intsony izahay)….

Endri-javatra mahalasa fisainana lavitra ny nasehon’ireto mpitsabo mpanampy ireto omaly, ary nampitsangam-bolo ny nieritreritra hoe « efa tsy mifanentana intsony amin’ny tontolo manodidina ny fepetra tokony hiatrehany ny asan’izy ireo ange ny zakainy sy eo an-tsorok’izy ireo, raha ny marina, fa dia tena fahafoizan-tena sy fitiavana ny mpiara-belona sisa mitazona azy ireo hanohy ny asany e ! »

Raha ny marina anefa dia ny 92%-n’ny asa fampihodinana ny raharaham-pitsaboana eo anivon’ny hopitalim-panjakana sy tobim-pitsaboana eo ambany fiadidian’ny fanjakana no sahanin’ireto mpitsabo mpanampy ireto.

Tsongoy fon’ny tena, tsongoy fon’olona, fa raha ny zanak’ireo mpitondra ambony ireo ve no ianjadian’izany, mba zakan’ny sain-dry zareo ny mieritreritra azy ? Sa hototofana tombontsoa manokana any an-tokantranony any dia tsy fantara sy tsy hitan’ny samy mpitsabo mpanampy ?

Raha ny fantatra dia efa fony minisitry ny vola Ingahy Rajaonarimampianina no narirarirany sy noambaniany ny fitakian’ireto mpitsabo mpanampy ireto. Mety hifanena amin’ny mpaka kitay ihany anefa ny mpitondra atsy ho atsy raha izao no mitohy.