Notanterahina tetsy amin’ny trano fandraisam-bahiny « Mellis » etsy Tsaralalana omaly ny atrikasa iray niresahana sy nandinihana ny tontolon’ny fiahiana ny olona manana fahasembanaa. Isan’ny nivoitra tao anatin’izy io ny fijerena ny toerana misy ny olona manana fahasembanana eo anivon’ny fiaraha-monina, ka isan’izany ny fampidirana azy ireny eo amin’ny sehatry ny asa mifanandrify amin’ny tokony ho vitany, na ara-pahaizeana na ara-batana sy ny hafa.

Matetika , hoy ny ako omaly, no voailikilika ireny olona manaa fahasembanana ireny, ka na samy mitovy izao aza ny fari-pahaizana sy traikefa, eny mety ho manantombo kokoa aza ny olona manana fahasembanana, dia ny olona tomady ara-batana no mahazo tombony rehefa hitady asa.

Nivoitra tamin’ny famelabelarana omaly koa fa « tsy manana fahavononana hiantsoroka ny andraikiny amin’ireo olona manana fahasembanaa ireo mihitsy ny fitondram-panjakana ankehitriny satria tsy misy ny fanehoan’izy ireo izany hatramin’izao (tsy nanao engagement). Mibaribary eo amin’ny tsy fanaa’ny mpitondra finiavana hampihatra ny lalàna velona miahy ny olona manaa fahasembanana izany, hoy ny famelabelarana omaly.

Tsy vitan’ny fankatoavana ny fifanarahana iraisampirenena na ny fehin-kevitra iraisampirenena ny fiahiana ny olona manaa fahasembanana, hoy hatrany ny famelabelarana omaly tetsy Tsaralalana fa misy foto-kevi-dehibe miisa dimy tsy tokony hamaivanina. Isan’izany ny fiahiana ara-tsosialin’ny olona manaa fahasembanana (prevoyance sociale) sy ny fiarovana azy ireny amin’ny asany (protection des emplois).

Nampahafantarina ny besinimaro omaly koa ny fisokafan’ny « sinibe » (web) fanovozam-baovao sy fifanakalozana momba ny tontolon’ny olona manana fahasembanana.

Maro tamin’ireo olona manana fahasermbanana nanontanian’ny mpanao gazety moa omaly no nahatsiaro ny ezaka nataon’ny minisitra teo aloha nisahana ny mponina, Rtoa Vaomalala Olga. Nisy ny nanipika fa « na fitondrana tetezamita aza tamin’izany ka hoe tsy mbola nisy ny famatsiam-bola avy amin’ny sehatra iraisampirenena dia niezaka nioitra tamin’ny zava-nisy teto an-toerana nentina nikarakarana sy nampi-

velarana ary nampivoarana ny fiainan’ny olona nanana fahasembanana » Rtoa Minisitra Vaomalala Olga tamin’izany fotoana.

A.M.