Tao anatin’ny fahamendrehana tanteraka no nahatsiarovan’ny malagasy ny tsingerin-taona faha-44-n’ny Raharaha 13 May 1972, raha ny teto andrenivohitr’Antananarivo. Na dia niezaka hatramin’ny farany nampiseho ny endrika maha herim-pamoretana azy aza ry Jeneraly Rakotomahanina Florens, izay nampiseho nirentirenty teny Analakely an’ireo manao fanamiana mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, dia efa nifanome toro-marika ny mpitolona fa tsy maintsy mailo satria mandady ny trambo.
Tomefy olona rahateo teny amin’ny araben’ny fahaleovantena.
Nahavita nametraka fehezam-boninkazo tao anatin’ny fitoniana tanteraka ny Vondron’ny mpanohitra notarihin-dRavololomanana Lalatiana, ary nahitana an’Andriamiseza Alain. Nahatanteraka ny fahatsiarovana ireo martioran’ny 13 May 1972 koa tamin’ny alalan’ny fametraham-boninkazo ny Vondron’ny tia tanindrazana liampivoarana ho amin’ny fanovana, notarihin-dry Hary Naivo Rasamoelina sy Rainidina. Efan’ny vondron-kery niara-dia tamin-dRamaroson Alain koa ny adidiny, ary tanteraky ny Fikambanana May 72 notarihin’ny Me Razafinjatovo Willy Olala ny fahatsiarovana.
Efa nandrangaranga fampihorohoroana hatramin’ny alarobia ny fitondrana HVM tamin’ny alalan’ny « tompomenakeliny » eto Andreni-
vohitra, dia ny Prefen’ny Polisy izany, ka nanome baiko mivantana an-dry Jeneraly Rakotomahanina Florens. Tetsy ankilany, niharihary toy ny kary an’efitra teny amin’ny araben’ny fahaleovantena omaly, nadritra ny hetsi-pahatsiarovana, ireo mpikarama an’adin’ny HVM, izay nomanina hanakorontana sy handroba raha vao nisy hetsika mety ho niteraka savorovoro teny. Fantatry ny mpanao gazety maro izy ireo, ary nisy rahateo ny tsy nahatana tsiambaratelo tamin’ny sasany tamin’izy ireo.
Ny tetika omaly izany dia ny nikendren’ny HVM savorovoro mba hanararaotan’ireo mpikarama an’adin-dry zareo manararaotra mamaky tranom-barotra sy mandroba, dia ho mora ny misambotra an’ireo nidina teny an-toerana hametraka fehezam-boninkazo.
Nandamoka anefa izany tetika maloton’ny HVm izany satria efa mailo ary manana traikefa amin’ny fametrahana lamina sy rindra hanomezam-boninahitra an’ireo martioran’ny firenena na ry Alain Ramaroson na ry Me Razafinjatovo. Willy Olala. Samy nanome toromarika ny mpiara-dia aminy avy mba tsy ho tafiditra ao anatin’ny vela-pandriky ny mpitondra mpanakorontana.
Ny atoandron’ny omaly, na efa lasa avokoa aza ireo mpanatitra fehezam-boninkazo dia mbola niezaka nitady irika hanararaotana ny zava-nisy ireo mpikarama an’adin’ny HVM, ka mody namboly ady hevitra sy fifandirana mba hiteraka savorovoro, dia hanamora ny asa fanakorontana sy fandrobana teny Analakely, fa tsy nahovoka.
Manan-jina ny tolom-bahoaka e ! Efa nambaranay teto fa tsy ny vahoaka malagasy mihitsy no hanararaotra ny vanim-potoana toy ny omaly hanehoana tsy fankasitrahana ny mpitondra. Fahatsiarovana ao anatin’ny fahamendrehana ny martiora no natao omaly dia samy nirava. Na izany na tsy izany, hita taratra hatrany koa anefa fa tena tofoka amin’ny fomba fitantanan’ny mpitondra fanjakana ankehitriny izay miteraka fiomboam-pahantrana ny vahoaka.
Ralay