Nahatonga ady hevitra teo amin’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ny nolazain’ny filohampirenena tamin’ny kabariny teny Ivato, tamin’izy nanatrika ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo ambony laharana notendrena ho mpibaiko ao amin’ny foloalindahy sy ny nodimbiasany Nametra-panontaniana ny filoham-pirenena ny amin’ny hoe tena fitakiana sendikaly tokoa ve no ataon’ireo mpitokona amin’izao fotoana izao ireo ?...
Fanontaniana moa io ka dia napetraka, hoy ny fitenenana izay, fa raha ny marina dia efa fantatra ny valiny. Rehefa jerena tokoa mantsy ireo mpitokona ireo dia mazava fa ny mpitarika sy ny vitsivitsy aminy ihany no sendikalista fa ny sisan’izay, ireo “mpanotrona” dia, na mpiasa tsotra na koa mpanao pôlitika. Raha hosavaina, ohatra, ireo mpanotrona ireo dia ho fantatra fa tsy misy manana ny karatra maha sendikalista izay izy ireo. Ny mpanao pôlitika moa dia ireny efa fanta-poko, fanta-pirenena ireny, ary tsy miafina rahateo izy ireny.
Na izany na tsy izany anefa dia mampametra-panontaniana ihany koa ny amin’io “tsindrom-paingotra” nataon’ny filoham-pirenena io. Nahoana moa no tsy maintsy ho “sendikaly” ny fitakiana misy ê ?... Inona no olana raha toa ka tsy “sendikaly” izany fitakiana izany? Mipetraka ny fanontaniana satria toa tsy azon’ny filoham-pirenena sy ny manodidina azy mihitsy ny hoe matoa misy ny fitakiana dia satria misy ny tsy mety amin’ny fiainan’ireo mpitaky ireo. Koa tsy maintsy ho mpikambana amina sendika àry ve vao afaka hanao fitakiana ê ?...
Tokony hazava koa ny hoe na “sendikaly” na tsia ireo fitakiana ireo, rehefa nodinihina dia tsy filam-boa tsy àry araka ny filazan’ny mpitondra sy ny mpanohana azy mihitsy. Ny zavatra efa nampanantenaina azy tamin’ny fotoan’androny ihany ireo ampahatsiahivin’ny mpitokona amin’ny fitakiany ireo. Ao ny nanmpanantenaina fa hovahana rehefa tafaverina amin’ny ara-dalàna ny fitondram-panjakana misy eto, ary ao dia ao koa ny nampanantenaina fony nanao fampielezan-kevitra tamin’ny nitady ny fahefana. Maha diso àry ve ny manao izany fampahatsiahivana izany ê ?...
Na ho ahoana na ho ahoana ny fanaratsiana hatao amin’ireo mpitokona ireo dia tsy hisy afaka ny handà ny maha ara-drariny ny fitakiana ataon-dry zareo. Rariny ve, ohatra, raha mitovy izao ny fianarana natao sy ny diplaoma ananana kanefa ny mpiasan’ny Fanabeazam-pirenena ambany karama noho ny mpiasa any amin’ny minisitera hafa ?... Tsy rariny ve raha mitaky ny fanatanterahana ny didy navoakan’ny fitsarana ny amin’ny hamerenana azy amin’ny asany ireo mpiasan’ny Air Madagascar ?... Tena fitakiana “sendikaly” ireo roa voatanisa teo ireo, koa inona àry no nataon’ny mpitondra fanjakana ho namahana azy ireo ê ?...
Tsy “sendikaly” mihitsy koa ny ho fitakian’ny sarambaben’ny olona izay andrasana atsy ho atsy, dia ny amin’ny tokony handraisan’ny fanjakana ny andraikiny amin’izao fahasahirana mianjady aminy izao. Dia hamaly koa ve izany ny mpitondra fanjakana fa tsy azo valiana izany fitondrana izany satria tsy “sendikaly” ?...
Manomboka miha henjana ny raharaha eto amintsika eto. Mitombo andro aman’alina ny tsy fahafalian’ny vahoaka sy ny fitakiana miaraka amin’izany, kanefa dia “kabary tsy valiana” ara-bakiteny no asetrin’ny mpitondra anzy ireny. Hifandrirotra eto izany ny mpitaky sy ny itakiana ka… asa izay ho vizana mialoha ê ? Ny mitady ny rariny sa ny manao kabary tsy valiana ?...
Lalou