20 taona lasa izay, raha nanolotra volavolan-dalàna niisa 8 mba hangatahany ny fitokisan’ny solombavambahoaka teny amin’ny Antenimierampirenena ny Praiminisitra Ratsirahonana (question de confiance) dia iray tamin’ireo volavolan-dalàna ireo no nisy an’ilay lisitry ny orin’asam-pirenena niisa 45 izay nambara fa hamidy amin’ny sehatra tsy miankina. Sandan’ny niandrandrana ny ho fanomezan’ny Banky Mondialy ny fanampiana ara-bola ho antsika izany. Tsy mba tafiditra tao anatin’ireo orin’asam-pirenena 45 Ireo ny Air Madagascar sy ny Telma ary ny Jirama tamin’izany. Samy nitaky ny rehetra tamin’izany, ary hatramin’izao fa sehatra saro-pady (stratégique) ireo orin’asa telo ireo ka tsy mety ny hisintahan’ny fanjakana taminy. Ny Banky sy ny Solima koa aza tokony ho tafiditra tao anatin’ny tsy tokony ho nisintahan’ny fanjakana fa tsy naharesy lahatra ny fitondrana tamin’izany ny hevitra naroson’ny maro.
Niteraka resa-be teto amin’ny tany sy ny firenena anefa amin’izao fotoana ny fanambarana nataon’i Roland Ratsiraka, minisitry ny Fizahantany, hoe “vahaolana ny fisintahan’ny fanjakana ka hivarotana (privatisation) ny orin’asa Air Madagascar”. Notsipahin’ny Praiminisitra izany, ary na ny minisitry ny Fitaterana izay iray antoko amin’i Roland Ratsiaraka aza (Benjamina Ramanantsoa) dia tsy miombon-kevitra aminy ny amin’io.
Akory anefa ny hagagan’ny maro amin’izao fotoana fa hay efa mandeha mikaroka mpampiasa vola amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka any ampitan’ny ranomasina any ny filohan’ny filankevi-pitondrana, Léon Rajaobelina, sy ny ilay teratany kanadiana notendren-dRajaonarimampianina ho Tale Jeneraly ao.
Manaparitaka taratasy any ivelany any ry zareo ho fiantsoana an’ireo izay mazoto hiditra amin’io fandraisana ny Air Madagascar io, ary efa misy 38 no nifampiraharahana, hoy ny akom-baovao, ka any amin’ny volana jolay any no hosokafana ny taratasy mirakitra ny valin’ny fanirian’ireo mpampiasa vola avy any ivelany ireo amin’io sehatra io.
Tena endri-pivarotan-tanindrazana koa izany. Aza hadinoina fa Nosy i Madagasi-
kara ary sehatra saro-pady, noho izany, ny fitaterana an’habakabaka ka takian’ny tombon-
tsoam-pirenena sy ny fiandrianampirenena ny ananan’ny firenena Malagasy orin’asam-pitaterana an’habakabaka. Etsy ankilany, nahoana moa isika na ny mpitondra antsika no manana finoana fa raha lasan’ny mpanam-bola avy any ampita io orin’asam-pitaterantsika io dia hiarin-doha sy handroso ary hiroborobo fa raha mijanona ho orin’asam-pirenena Malagasy dia tsy maintsy ho faty?
Ho anay dia tsotra ny valiny. Satria ny mpitondra fanjakana Malagasy tsy manana finiavana hiroso amin’ny tena fametrahana ny politika matotra hampahomby azy io fa ny fivarotan-tanindrazana no hitany fa hahazoany tombontsoa manokana dia tsy te hahalala na inona na inona momba an’izay ry zareo.
Ny olan’ny Air Mad teto, tompoko, na iza miseho hahalala na iza, dia ny fitantanana nampanjakana ny gaboraraka sy ny kiantrano an-trano, ary nanomezana laka ny namana sy ny mpiray antoko, na tsy mahay ny mombamomba ilay sehatra aza. Hahagaga ve raha lany manta ny vola miasa tao? Tsy tokony hohadinoina fa isan’ny orin’asa fakan’ny mpitondra fanjakana vola koa tao tamin’ny fotoanandro ka fomba ahoana no tsy hahapotika azy raha izany no nampanjakaina tao? Ny fiaramanidina nandeha nankany Parisy tamin’ny fotoanandro dia maro lavitra noho ny olona mandoa saram-pitaterana no mitaingim-pôtsiny satria ny mpitondra fanjakana no mibaiko. Marobe tsy hay hotanisaina e!
Noho izany, fahavalom-pirenena mpivarotra tanindrazana ny fitondrana ankehitriny raha manaiky hivarotra ny Air Mad ho an’ny vahiny.
Izahay dia manipika fa aoka hapetraka ny politikam-pirenena matotra momba ny fitaterana an’habakabaka mba hitantanana an’io orin’asam-pirenena io ho araka ny tokony ho izy, dia arotsahy ao ny vola takian’ny fanarenana rehetra. Manana vola hoenti-miatrika an’izany isika fa lainga ny ankoatra izay. Aiza, angaha, izany vola izany, hoy ianao? Tereo handoa ny tokony ho anjaran’ny firenena Malagasy aminy ireo kaompania vahiny mpitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika, ary hidio ny sisin-tany tsy hisian’ny harem-pirenena mivoaka an-tsokosoko intsony, fa hahazo volabe mihoatra ny vinavinan’ny mpitondra amin’ireo tetik’asa marobe eto aza isika, ka isan’izany ny fanarenana ny Air Mad. Foano any koa ny fampanjakana ny kiantrano an-trano sy ny kinamanamana; ary olona manana fahaiza-mitantana sy hentitra amin’ny fitondrana orin’asa omena fitokisana ao amin’ny Air Mad. Misy Malagasy maro mahavita manarina an’io Air Mad io fa ny finiavana politikan’ny mpitondra fanjakana no tsy misy ka izao lasa mihazakazaka mitady mpividy azy io izao no hany vahaolan’ny mpitondra.
Mba hampahomby an’izany dia ravao miaraka amin’ny vava ny rafitry ny filankevi-pitondrana (Conseil d’administration) ary roahy any io teratany kanadiana notendrena ho tale jeneraly io, fa hahita lalana hanarenana sy hampiroboroboana azy io isika.
Ralay