Tsy misy na iray aza olom-pirenena milaza fa mandeha sy mizotra mankany amin’ny fikarakarana ny vahoaka izao endri-pitantanaa ny raharaham-pirenena izao. Samy mivalaketraka sy kivy ary very fanahy avokoa satria tsy mitsaha-mikororosy ny fiainan’ny rehetra. Hatramin’ireo mpandraharaha ara-toekarena no mifohafoha volo fa tsy lasa intsony ity. Mampahatsiahy ny fahoriana nanjo azy ireo faha-Ravalomanana ny maro amin’izy ireny, izay nanaovan-qRavalomanana ampihimamba ny seha-pihariana maro, ary nampiasany ny fomba rehetra teo amin’ny sasany mba handohalika sy hitsoaka an’i Madagasikara mihitsy.
Eo anatrehan’izany, azo ambara fa feno ny fepetra ahafahana miroso amin’ny fampitsaharana amin’ny asany ny filohampirenena satria tsy afaka mampihodina ny raharaham-pirenena ho amin’ny tombontsoam-bahoaka izy. Mihoatra ny azo leferina ny voka-dratsin’ny fanitsakitsahany ny lalampanorenana, ny kolikoly avo lenta itsikombakombany amin’ireo tandapa manodidina azy, ny lainga maro loha ataony amin’ny vahoaka, ny fiandaniana amin’ny mpiara-dia ao amin’ny Hvm nefa filohampirenena izy, ny fandatsany ny vahoaka Malagasy amin’ny fanekeny hitsikombakomba amin’ny fiaramanidina ho azy manokana nefa ny vahoaka Malagasy matin’ny fahantrana, ny mpiasa malagasy amin’ny ankapobeny kendan’ny fahasahiranana isan-karazany, tsy tambo hotanisaina ny endrika isehoan’ny jadona ataony sy ny fampihorohoroana ary ny asa maloto vitan’ny manodidina azy nefa jereny fotsiny… sy ny maro tsy voatanisa. Ampahany amin’ny fanamarihana nentin-dRamaroson Alain ireo ny zoma teo raha avy nametraka fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana an’ireo namoy ny ainy tamin’ny Raharaha 13 may 1972 izy.
Nomarihiny ny hoe “na tsy misy fanadihadiana na “sondage” ahafantarana ny fankamamian’ny vahoaka na tsia ny filohampirenena aza eto amintsika dia sahiko ny milaza fa mananika ny 95%-n’ny vahoaka Malagasy no leo sy tofoka amin’Ingahy filohampirenena”, hoy izy. Noho izay dia miroso amin’ny ady demokratika isika mba hanalana ny filohampirenena amin’ny toerany, ary ho avy tsy ho ela ny filaharana an-dalambe hirosoana amin’
izany, hoy ihany i Alain Ramaroson.
Tsy nohadinoiny koa anefa ny niantso ny solombavambavahoaka hijoro araka ny fahefana nomen’ny lalàmpanorenana azy ireo, dia ny fananan’izy ireo zo sy andraikitra hanaisotra amin’ny toerany ny filohampirenena, tahaka ny efa nataony tamin’ny taon-dasa, saingy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (Hcc) no nanda. Hafa ny tamin’ny taon-dasa ary hafa ny ankehitriny, hoy ihany i Alain Ramaroson, ka manainga anareo solombavambahoaka handray ny andraikitrareo fa potika ny vahoaka. Rehefa tsy handray andraikitra ianareo olom-boafidy, satria isan’ny ady demokratika izany, hoy izy, dia hampiharin’ny vahoaka ny voalazan’ny lalampanorenana amin’ny maha-masi-mandidy azy eto ka hiroso amin’ny dingana avoavo amin’izany ady demokratika izany ny vahoaka, dia io fidinana fanaovana filaharana an-dalambe io.
Notsindrian-dRamaroson Alain tamin’io zoma io fa “fanapempoana ny filazana mandrakariva fa tsy tokony miditra amin’ny raharaha sosialy na ny fitakian’ny sendika na ny hetsika etsy sy sy eroa ny mpanao politika”. Fanapempoana izany satria hatrany ampitan’ny ranomasina rehetra any, ny zava-misy any Frantsa amin’izao fotoana, dia manaporofo fa na hetsika sendikaly aza no misy dia mandray anjara na mpianatra na tanora tsy an’asa na mpanao politika, fa tsy mbola nisy nilaza hoe “tsy ilaina ny mpanao politika”. Nivantana mihitsy Ingahy Ramaroson Alain nilaza hoe “araho maso ny zava-nisy teto amin’ny tany sy ny firenentsika fa olona tsy mpanao politika hatrany no tonga teo amin’ny fitondrana ka nankaiza ny fiainantsika vahoaka izao ? Nivoatra sa nihemotra ? Izany no isan’ny vokatry ny fanilikilihana ny mpanao politika, hoy izy.
Nahitsiny koa ny filazana fa “tsy misy resaka politika ity na iroa” ? Rehefa tsy ataonao ny politika dia ny hafa no manao azy ary ny tombontsoanao vahoaka no ataony sandan’izany ka tsy misy mikatsaka izany izay tonga eo amin’ny fitondrana satria tsy te hiditra lalina amin’ny pôlitika isika ka hararaotin-dry zareo”.
Tsy nohadinoin-dRamaroson Alain koa ny nanoritra fa “ny hetsi-bahoaka miseho amin’ny endrika fidinana andalambe dia fanavotana ny firenena fa tsy adala akory ny vahoaka ka handany andro ho amin’izany raha mahatsiaro izy fa mizotra mankamin’ny tombontsoany sy ny fivelaran’ny fiainany ny raharaha eto”.
Fa raha ny momba ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1972 manokana dia nambarany fa “fampahatsiahivana ny taranaka Malagasy ny zava-nisy teto amin’ny tany sy ny firenena noho ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena tsy nikatsaka ny soa iombonan’ny firenena no nisy ka nahatonga ny vahoaka ho nidina an-dalambe”.
Navoitran-dRamaroson Alain hatrany fa “dingana tsy azo hamaivanina ny fanaisorana ny filohampirenena amin’ny toerany izao satria izy no zary ialokalofan’ireo rehetra manodidina azy izay fanetriben’ny firenena, nefa izy tsy sahy manilika an’ireo mpânao kolikoly sy mpandroba harena ary mpanararao-pahefana isan-karazany ao”. Ankoatra ny firaisana tsikombakomba eo amin’izy ireo dia tompon’andraikitra voalohany tsy afaka miala amin’izao fahasahiranam-bahoaka mihombo andro aman’alina sy fahapotehan’ny toekarem-pirenena tsy misy fitsaharany izao ny filohampirenena, hoy ihany i Alain Ramaroson.