Tsy afa-bela mihitsy ity fitondrana Rajaonarimampianina ity fa izay rehetra miseho, araka ny fomba fiteny, dia maneno sahona avokoa.
Tsy mbola tena niravona akory ny fitakian’ny mpandraharahan’ny fonja fa nampihantona ny fitokonany fotsiny aloha ry zareo, ary tsy mbola niverina niasa akory ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, dia re izao fa hiroso amin’ny fitokonana koa ny mpitsara.
Ny antony, raha ny re dia noho ny fepetra noraisin’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (Conseil superieur de la magistrature). Ianjadian’ny famindran-toerana ny ankamaroan’ny mpitsara amin’izao fotoana, ary tsy zakan’ny fianakaviamben’ny mpitsara izany satria miendrika fanamparam-pahefana.
Ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara moa dia ny filohampirenena no filohany ary ny minisitry ny fitsarana no filoha lefiny.
Na tsy mandray anjara mivantana amin’ny asan’ity filankevitra ambony ity aza ny filohany dia azo antoka fa tsy hisy fepetra na fanapahan-kevitra goavana toa izany ho azo irosoana raha tsy nangatahana tso-drano avy aminy na baikony mihitsy.