Tsy mitsahatra ny mitombo isa, ary miha mahery vaika hatrany ny fanakianana an’izao fitondrana Hvm izao. Ankehitriny dia efa maro ireo olon-tsotra na mpanao pôlitika na antoko na fikambanana no efa mitaky ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena, ka rehefa tsy hanao izany izy dia ny fanonganana azy araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana no vahaolana aroson’izy ireo. Izany hoe amin’ny alalan’ny fametrahan’ny solombavambahoaka ny antontan-taratasy manambara ny tsy fahafahany mitantana ny firenena intsony. Mbola tsy nisy ny tahaka izany, raha teo amin’ny tantaran’ity firenena ity, raha tsy tao anatin’ity Repoblika fahefatra ity. Fa nahoana àry ê ?...

Ny antony hitan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ho nahatonga izany dia satria be loatra ireo raharaha “maloto” maha voasaringotra ireo mpitondra ambony ireo no kilasian-dry zareo ho tsy hisy tohiny intsony, tsy fantatry ny vahoaka izay niafarany. Hotsiahivina ve ny momba ilay zanaka minisitra izay tratra am-bodiomby nitrandraka an-tsokosoko “corail noir”, izay anisan’ny harem-pirenena arovana, tany Faux-Cap, faritra atsimon’ny nosy; ny “raharaha Anjozorobe” izay naha voasaringotra ny zanaky ny mpitondra faran-tampony iny, kanefa dia nandrahonana izay mbola mitady hanohy ny “resaka” mahakasika azy… dia izay ! Teo ihany koa ny momba ireo vato sarobidy aman-taonina avy tany amin’ny faritra andrefan’ny faritanin’Antananarivo, izay fananan’olona nisy nangalatra fotsiny izao kanefa nampiambenana mpitandro ny filaminana tany an-tokontanina minisitera ? Nametrahan’ny maro fanontaniana, eny hatramin’ny fiankaviambe iraisam-pirenena koa aza, ny momba izay tohin’ny fanadihadiana tamin’ny raharaha “Jean Pierre”, dia ilay mpianatry ny oniversite nodarohin’ny mpitandro ny filaminana tany Ankatso, hitam-poko hitam-pirenena iny. Anisan’ny raharaha lehibe ihany koa ny momba ilay fakana an-keriny zanak’olona tany Toamasina izany namoizana ny ain’ilay zazavavy kely iny, ary nakana ireo voarohirohy rehetra tany ka namindrana azy ireo tany amin’ny fonja hafa. Ireo rehetra ireo, sy ny sisa hafa tsy ho voatanisa dia mbola ao an-tsain’ny maro ary iandrasana “fanazavana”. Nanao ahoana ny tohin’ireo raharaha ireo ê ?...

Mipetraka ny fanontaniana ho fikatsahana ny marina, kanefa koa mba hahafahana mahatsapa izany hoe “tany tan-dalàna” izany ny eto amintsika. Matetika mantsy, raha tsy hoe isaka izany mandray fitenenana ny mpitondra fanjakana, dia izay hoe “tany tan-dalàna” izay hatrany, miaraka amin’ny hoe “aoka izay ny tsikera be fahatany” no averimberin-dry zareo. Ao ihany koa ny hoe “tokony hifanolo-tanana amin’ny hampandrosoana ity firenena ity”. Ahoana anefa no hahafahana manantena ny hisiana’izany fifanoloran-tanana izany raha mbola misy ny tsy mazava eo amin’ny tokony hanao izany ?... Ahoana no hahafahana hiara-hiasa raha mbola misy ny ahiahy amin’ny hoe misy tsy maty manota no sady mihinana ny harem-pirenena any ambony any? Hiara-hiasa hanome vahana sy hiantoka an’ireo “tsy mazava” ireo ve izany ê ?...

Tsy tokony horaisina ho tsikera be fahatany ny fanadihadiana toa izao fa hoheverina kosa ho “tsipy hevitra” ho amin’ny hisian’ny ho tena fiaraha-miasa aza. Tsy tokony hisy olana ny fiaraha-mikatsaka ny soa iombonana rehefa mazava daholo ny fandehan’ny raharaha rehetra ê.

Aleo àry aloha hazava ny momba ireo voalaza teo aloha ireo, sy izay tsy voatanisa teo… dia ho hita eo izay tsy tia ny tanindrazany ê !

Lalou